1[Ny lalàna ny amin'ny fanadiovana ny vehivavy velom-bao] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
1Yahweh spoke to Moses, saying,
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan'anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin'ny fadim-bolany no hahalotoany.
2“Speak to the children of Israel, saying, ‘If a woman conceives, and bears a male child, then she shall be unclean seven days; as in the days of her monthly period she shall be unclean.
3Ary amin'ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.
3In the eighth day the flesh of his foreskin shall be circumcised.
4Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin'ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masina izy, na hiditra ao amin'ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
4She shall continue in the blood of purification thirty-three days. She shall not touch any holy thing, nor come into the sanctuary, until the days of her purifying are completed.
5Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin'ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin'ny ràny izay mahadio azy.
5But if she bears a female child, then she shall be unclean two weeks, as in her period; and she shall continue in the blood of purification sixty-six days.
6Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo.
6“‘When the days of her purification are completed, for a son, or for a daughter, she shall bring to the priest at the door of the Tent of Meeting, a year old lamb for a burnt offering, and a young pigeon, or a turtledove, for a sin offering:
7Ary izy hanatitra izany eo anatrehan'i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin'ny fandehanan'ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.
7and he shall offer it before Yahweh, and make atonement for her; and she shall be cleansed from the fountain of her blood. “‘This is the law for her who bears, whether a male or a female.
8Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.
8If she cannot afford a lamb, then she shall take two turtledoves, or two young pigeons; the one for a burnt offering, and the other for a sin offering: and the priest shall make atonement for her, and she shall be clean.’”