Malagasy

World English Bible

Numbers

16

1[Ny niodinan'i Kora sy ny namany, sy ny nanamarinan'i Jehovah ny fisoronan'i Arona] Ary Kora, zanak'i Jizara, zanak'i Kehata, zanak'i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, sy Ona, zanak'i Peleta, izay samy taranak'i Robena, dia nandrendri-bahoaka,
1Now Korah, the son of Izhar, the son of Kohath, the son of Levi, with Dathan and Abiram, the sons of Eliab, and On, the son of Peleth, sons of Reuben, took men:
2ka nitsangana teo anatrehan'i Mosesy izy ireo sy ny Zanak'Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan'ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin'ny fiangonana sady nanan-daza;
2and they rose up before Moses, with certain of the children of Israel, two hundred fifty princes of the congregation, called to the assembly, men of renown;
3koa niangona hiodina amin'i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'i Jehovah ianareo?
3and they assembled themselves together against Moses and against Aaron, and said to them, “You take too much on yourself, since all the congregation are holy, everyone of them, and Yahweh is among them: why then lift yourselves up above the assembly of Yahweh?”
4Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy
4When Moses heard it, he fell on his face:
5ka niteny tamin'i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'i Jehovah izay Azy sy izay masina ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
5and he spoke to Korah and to all his company, saying, “In the morning Yahweh will show who are his, and who is holy, and will cause him to come near to him: even him whom he shall choose he will cause to come near to him.
6Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran'afo ho anareo rahampitso.
6Do this: take censers, Korah, and all his company;
7dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry taranak'i Levy!
7and put fire in them, and put incense on them before Yahweh tomorrow: and it shall be that the man whom Yahweh chooses, he shall be holy. You have gone too far, you sons of Levi!”
8Dia hoy koa Mosesy tamin'i Kora: Henoy, ry taranak'i Levy:
8Moses said to Korah, “Hear now, you sons of Levi!
9Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan'Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin'ny fiangonan'ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin'i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan'ny fiangonana hanompo azy?
9Is it a small thing to you, that the God of Israel has separated you from the congregation of Israel, to bring you near to himself, to do the service of the tabernacle of Yahweh, and to stand before the congregation to minister to them;
10Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak'i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?
10and that he has brought you near, and all your brothers the sons of Levi with you? and do you seek the priesthood also?
11Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin'i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo?
11Therefore you and all your company are gathered together against Yahweh: and Aaron, what is he that you murmur against him?”
12Ary Mosesy naniraka nampaka an'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay.
12Moses sent to call Dathan and Abiram, the sons of Eliab; and they said, “We won’t come up:
13Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin'izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao?
13is it a small thing that you have brought us up out of a land flowing with milk and honey, to kill us in the wilderness, but you must also make yourself a prince over us?
14Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason'ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.
14Moreover you haven’t brought us into a land flowing with milk and honey, nor given us inheritance of fields and vineyards: will you put out the eyes of these men? We won’t come up.”
15Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin'i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin'ny anankiray aminy akory aza.
15Moses was very angry, and said to Yahweh, “Don’t respect their offering: I have not taken one donkey from them, neither have I hurt one of them.”
16Dia hoy Mosesy tamin'i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan'i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.
16Moses said to Korah, “You and all your company go before Yahweh, you, and they, and Aaron, tomorrow:
17Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran'afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan'i Jehovah, dia fitondran'afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran'afony avy.
17and each man take his censer, and put incense on them, and each man bring before Yahweh his censer, two hundred fifty censers; you also, and Aaron, each his censer.”
18Ary samy naka ny fitondran'afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy mbamin'i Mosesy sy Arona.
18They each took his censer, and put fire in them, and laid incense thereon, and stood at the door of the Tent of Meeting with Moses and Aaron.
19Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah.
19Korah assembled all the congregation against them to the door of the Tent of Meeting: and the glory of Yahweh appeared to all the congregation.
20Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
20Yahweh spoke to Moses and to Aaron, saying,
21Mihataha amin'ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin'ny indray mipi-maso monja.
21“Separate yourselves from among this congregation, that I may consume them in a moment!”
22Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra va Hianao?
22They fell on their faces, and said, “God, the God of the spirits of all flesh, shall one man sin, and will you be angry with all the congregation?”
23Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23Yahweh spoke to Moses, saying,
24Mitenena amin'ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama.
24“Speak to the congregation, saying, ‘Get away from around the tent of Korah, Dathan, and Abiram!’”
25Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin'i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon'ny Isiraely.
25Moses rose up and went to Dathan and Abiram; and the elders of Israel followed him.
26Dia niteny tamin'ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin'ny lain'ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.
26He spoke to the congregation, saying, “Depart, please, from the tents of these wicked men, and touch nothing of theirs, lest you be consumed in all their sins!”
27Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin'ny lain'i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy mbamin'ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
27So they went away from the tent of Korah, Dathan, and Abiram, on every side: and Dathan and Abiram came out, and stood at the door of their tents, and their wives, and their sons, and their little ones.
28Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin'ny saiko izany:
28Moses said, “Hereby you shall know that Yahweh has sent me to do all these works; for they are not from my own mind.
29Raha maty toy ny fahafatin'ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.
29If these men die the common death of all men, or if they be visited after the visitation of all men; then Yahweh hasn’t sent me.
30Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin'izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin'ny fiainan-tsi-hita'izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an'i Jehovah ireo lehilahy ireo.
30But if Yahweh make a new thing, and the ground open its mouth, and swallow them up, with all that appertain to them, and they go down alive into Sheol ; then you shall understand that these men have despised Yahweh.”
31Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny;
31It happened, as he made an end of speaking all these words, that the ground split apart that was under them;
32eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra.
32and the earth opened its mouth, and swallowed them up, and their households, and all the men who appertained to Korah, and all their goods.
33Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy.
33So they, and all that appertained to them, went down alive into Sheol : and the earth closed on them, and they perished from among the assembly.
34Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany.Ary nisy afo nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
34All Israel that were around them fled at their cry; for they said, “Lest the earth swallow us up!”
35Ary nisy afo nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
35Fire came forth from Yahweh, and devoured the two hundred fifty men who offered the incense.
36Yahweh spoke to Moses, saying,
37“Speak to Eleazar the son of Aaron the priest, that he take up the censers out of the burning, and scatter the fire yonder; for they are holy,
38even the censers of these sinners against their own lives; and let them be made beaten plates for a covering of the altar: for they offered them before Yahweh; therefore they are holy; and they shall be a sign to the children of Israel.”
39Eleazar the priest took the bronze censers, which those who were burnt had offered; and they beat them out for a covering of the altar,
40to be a memorial to the children of Israel, to the end that no stranger, who isn’t of the seed of Aaron, comes near to burn incense before Yahweh; that he not be as Korah, and as his company: as Yahweh spoke to him by Moses.
41But on the next day all the congregation of the children of Israel murmured against Moses and against Aaron, saying, “You have killed Yahweh’s people!”
42It happened, when the congregation was assembled against Moses and against Aaron, that they looked toward the Tent of Meeting: and behold, the cloud covered it, and the glory of Yahweh appeared.
43Moses and Aaron came to the front of the Tent of Meeting.
44Yahweh spoke to Moses, saying,
45“Get away from among this congregation, that I may consume them in a moment!” They fell on their faces.
46Moses said to Aaron, “Take your censer, and put fire from off the altar in it, and lay incense on it, and carry it quickly to the congregation, and make atonement for them; for wrath has gone out from Yahweh! The plague has begun.”
47Aaron did as Moses said, and ran into the midst of the assembly; and behold, the plague has begun among the people: and he put on the incense, and made atonement for the people.
48He stood between the dead and the living; and the plague was stayed.
49Now those who died by the plague were fourteen thousand and seven hundred, besides those who died about the matter of Korah.
50Aaron returned to Moses to the door of the Tent of Meeting: and the plague was stayed.