1[Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tao Kadesy, sy ny nahadiso an'i Mosesy sy Arona tamin'izy nampivoaka rano avy tamin'ny vatolampy] Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.
1The children of Israel, even the whole congregation, came into the wilderness of Zin in the first month: and the people stayed in Kadesh; and Miriam died there, and was buried there.
2Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.
2There was no water for the congregation: and they assembled themselves together against Moses and against Aaron.
3Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!
3The people strove with Moses, and spoke, saying, “We wish that we had died when our brothers died before Yahweh!
4Fa nahoana no nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
4Why have you brought the assembly of Yahweh into this wilderness, that we should die there, we and our animals?
5Ary nahoana no nitondra anay niakatra avy tany Egypta ianareo, hampiditra anay ho amin'ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra akory, sady tsy misy rano hosotroina?
5Why have you made us to come up out of Egypt, to bring us in to this evil place? It is no place of seed, or of figs, or of vines, or of pomegranates; neither is there any water to drink.”
6Dia niala teo anatrehan'ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr'i Jehovah.
6Moses and Aaron went from the presence of the assembly to the door of the Tent of Meeting, and fell on their faces: and the glory of Yahweh appeared to them.
7Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
7Yahweh spoke to Moses, saying,
8Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona avy amin'ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
8“Take the rod, and assemble the congregation, you, and Aaron your brother, and speak to the rock before their eyes, that it give forth its water; and you shall bring forth to them water out of the rock; so you shall give the congregation and their livestock drink.”
9Dia nalain'i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidiany azy.
9Moses took the rod from before Yahweh, as he commanded him.
10Dia novorin'i Mosesy sy Arona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin'ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
10Moses and Aaron gathered the assembly together before the rock, and he said to them, “Hear now, you rebels; shall we bring you water out of this rock for you?”
11Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin'ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
11Moses lifted up his hand, and struck the rock with his rod twice: and water came forth abundantly, and the congregation drank, and their livestock.
12Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason'ny Zanak'Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin'ny tany izay nomeko azy ianareo.
12Yahweh said to Moses and Aaron, “Because you didn’t believe in me, to sanctify me in the eyes of the children of Israel, therefore you shall not bring this assembly into the land which I have given them.”
13Ity no ranon'i Meriba, izay nilan'ny Zanak'Isiraely ady tamin'i Jehovah, ka nisehoan'i Jehovah ho masina tamin'ny nataony taminy.
13These are the waters of Meribah; because the children of Israel strove with Yahweh, and he was sanctified in them.
14[Ny teny nampitondrain'ny Isiraely tamin'ny mpanjakan'i Edoma] Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:
14Moses sent messengers from Kadesh to the king of Edom, saying: “Thus says your brother Israel: You know all the travail that has happened to us:
15dia ny nidinan'ny razanay tany Egypta, sy ny nitoeranay ela tany; ary nampahory anay sy ny razanay ny Egyptiana;
15how our fathers went down into Egypt, and we lived in Egypt a long time; and the Egyptians dealt ill with us, and our fathers:
16ary raha nitaraina tamin'i Jehovah izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka Anjely sy nitondra anay nivoaka avy tany Egypta; ary, indreto, tonga eto Kadesy, tanàna eto amin'ny faritry ny taninao, izahay;
16and when we cried to Yahweh, he heard our voice, and sent an angel, and brought us forth out of Egypt: and behold, we are in Kadesh, a city in the uttermost of your border.
17koa aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamaky ny saha sy ny tanim-boaloboka, na hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana akory: ny lalan'andriana ihany no halehanay, fa tsy hania izahay na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.
17“Please let us pass through your land: we will not pass through field or through vineyard, neither will we drink of the water of the wells: we will go along the king’s highway; we will not turn aside to the right hand nor to the left, until we have passed your border.”
18Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin'ny sabatra aho.
18Edom said to him, “You shall not pass through me, lest I come out with the sword against you.”
19Dia hoy ny Zanak'Isiraely taminy: Ny lalam-be ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman'ondriko, dia hefaiko vola izany; fa tsy hanao na inona na inona aho, fa handalo fotsiny ihany.
19The children of Israel said to him, “We will go up by the highway; and if we drink of your water, I and my livestock, then will I give its price: let me only, without doing anything else, pass through on my feet.”
20Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.
20He said, “You shall not pass through.” Edom came out against him with many people, and with a strong hand.
21Toy izany no nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak'Isiraely.
21Thus Edom refused to give Israel passage through his border, so Israel turned away from him.
22Ary nifindra ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.
22They traveled from Kadesh: and the children of Israel, even the whole congregation, came to Mount Hor.
23Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny fari-tanin'i Edoma, ka nanao hoe:
23Yahweh spoke to Moses and Aaron in Mount Hor, by the border of the land of Edom, saying,
24Arona hangonina any amin'ny razany; fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny Zanak'Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo.
24“Aaron shall be gathered to his people; for he shall not enter into the land which I have given to the children of Israel, because you rebelled against my word at the waters of Meribah.
25Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
25Take Aaron and Eleazar his son, and bring them up to Mount Hor;
26dia esory ny fitafian'i Arona, ka atafio an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin'ny razany ka ho faty ao.
26and strip Aaron of his garments, and put them on Eleazar his son: and Aaron shall be taken, and shall die there.”
27Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.
27Moses did as Yahweh commanded: and they went up into Mount Hor in the sight of all the congregation.
28Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.
28Moses stripped Aaron of his garments, and put them on Eleazar his son; and Aaron died there on the top of the mountain: and Moses and Eleazar came down from the mountain.
29Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.
29When all the congregation saw that Aaron was dead, they wept for Aaron thirty days, even all the house of Israel.