1Huan Israel ta masapen Reuben tapate, (amah lah piang masapen ahi ngala; himahleh a pa lupna a hihbuah jiakin, a upahihna Israel tapa Joseph tapate kianga piak ahi; huchiin upatna dungjuiin khangthu a kisim kei hi.
1[Ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase] Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo;
2A unaute tungah Juda a vualzoua, amah akipanin lal a hongom ngala; ahihhangin upatna Josephaa ahi: )
2fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an'i Josefa ihany),
3Israel ta masapen Reuben tapate; Hanok, Pallu, Hezron, Karmi.
3ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
4Joel tapate: Semai a tapa, Gog a tapa, Simei a tapa, Mika a tapa,
4Ny zanakalahin'i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin'i Semaia, Sirney no zanakalahin'i Goga,
5Reai a tapa, Baal a tapa;
5Mika no zanakalahin'i simey, Reaia no zanakalahin'i Mika, Bala no zanakalahin'i Reaia,
6Beer a tapa, Assurai kumpipa Tilgathpilneserin a pi mang; Reuben mite lal ahi.
6Bera no zanakalahin'i Bala, izay nobaboin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no loham-pirenen'ny Robenita.
7Huan a khangthute uh khangthusutna a kisim laia a inkuankuan ua a unaute; hausapa, Jeiel, Zekaria,
7Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan'ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
8Bela Azaz tapa, Sema Joel tapa, Aroera teng, Nebo leh Baal-meon pha hiala teng:
8ary Bela, zanak'i Azaza, zanak'i Sema, zanak'i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
9Suahlam ah luipi Euphrates akipan gamdai lutna pha hialin a tengta hi: Gilead gama a gante uh a pun jiakin.
9Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny tany Gileada.
10Huan Saul dam laiin Hagri mite toh a kidou ua, huaite a zou a: huan Gilead suhlam gam tengteng ah a puaninte uah ateng uhi.
10Ary tamin'ny andron'i Saoly dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada izy.[Na: tany antsinanan'i Gileada]
11Huan Gad tapate amau jawn takah, Saleka tanin Basan gamah a teng uh:
11Ary ny taranak'i Gada nonina tandrifiny, teny amin'ny tany Basana hatrany Saleka;
12Joel hausapa leh, a zom Sapham, leh Janai, leh Saphat Basan ah:
12Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
13Huan a pipute uh inkote a unaute uh: Mikael leh, Mesullam leh, Seba leh, Jorai leh, Jakan, leh Zia, leh Eber, sagih.
13Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.
14Hiaite Huri tapa Abihail tapate ahi uh, Jaro tapa, Gilead tapa, Mikael tapa, Jesisai tapa, Jahdo tapa, Buz tapa;
14Ireo no zanakalahin'i Abihaila, zanak'i Hory, zanak'i Jaroa, zanak'i Gileada, zanak'i Mikaela, zanak'i Jesisay, zanak'i Jado, zanak'i Boza;
15Ahi Abdiel tapa, Gunni tapa, a pipute uh inkote hausapa.
15Ahia, zanak'i Abdiela, zanak'i Gony, no lohan'ny fianakaviany.
16Huan Basan a Gilead ah, a khopite, Saron huapkhate tengteng, a tanpha un, a teng uhi.
16Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy.
17Hiaite tengteng Juda Kumpipa Jotham damlai leh Israel kumpipa Jeroboam damlaiin a khangthutein simin a om vek uhi.
17Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely.
18Reuben tapate leh, Gad mite leh Manassi nam kimkhat mihang sante, namsau leh lum thuah thei mite, leh thalpeua kap ding, kidounaa siam, galkap dia kuan thei, sing li sang li za sagih leh sawmguk ahi uh.
18Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika.
19Huan Hakri mite toh, Jetur toh, Naphis toh, Nodab toh a kidou uhi.
19Ary niady tamin'ny Hagarita sy tamin'i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
20Huan amaute dou dingin panpihin a om ua, huchiin Hagri mite a khut ua piakin a om ua, a kiang ua omte tengteng toh; amau lah Pathian kiangah kidouna ah a kap ngal ua, Pathianin a ngetna uh a ja a; amaha a muanna uh a koih jiak un.
20Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
21huan a gante uh a la mang ua; a sangawngsau uh sing nga, belam nuai nih leh sing nga, sabengtung za nih, mite nuai khat.
21Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman'osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
22Kidouna Pathiana a hih jiakin, mi tampi petmah lah a puk ngal ua. Huchiin saltanna tanphain a mun uah a tengta uhi.
22fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin'Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan'ny namaboana azy kosa.
23Huan Manassi nam kimkhatte tate gamsungah a teng ua: Basan akipan Baalherom leh Senir leh Hermon mual tanin a pung uhi.
23Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra Hermona.
24Huan hiaite a pipute uh lupente ahi uh: Epher, Isi, Eliel, Azriel, Jeremia, Hodavia, Jahdiel, mi hat hangsante, miminthangte, a pipute uh inkote lupente.
24Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy.
25Huchiin a pipute uh Pathian douin a talek ua, a ma ua Pathian in a hihsiat, gama mite pathiante lakah ang a kawm uhi.Huan Israel Pathianin Assuria kumpipa Pul kha leh, Assuria kumpipa Tilgathpilneser kha a tokthoua, huchiin amaute a pi manga, Reuben mite leh, Gad mite leh, Manassi nam kimkhatte mahmah, huan, tuni tanin Halah, leh Habor, leh Hara, ah amaute a pia, Gozan lui phain.
25Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
26Huan Israel Pathianin Assuria kumpipa Pul kha leh, Assuria kumpipa Tilgathpilneser kha a tokthoua, huchiin amaute a pi manga, Reuben mite leh, Gad mite leh, Manassi nam kimkhatte mahmah, huan, tuni tanin Halah, leh Habor, leh Hara, ah amaute a pia, Gozan lui phain.
26Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany.
27[Ny taranak'i Levy] Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.
28Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
29Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
30Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa;
31ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy;
32ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota;
33ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;
34ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza;
35ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana;
36ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema);
37ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;
38ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma;
39ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria;
40ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka;ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
41ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.