Paite

Malagasy

1 Chronicles

9

1Huchiin Israel tengteng khangthu-a simin a om ua; huan, ngaiin, Israel kumpipate laibu ah gelhin a om uhi: huan a tatlekna jiak un Juda bel Babulon lamah sala pi mangin a om hi.
1[Ny amin'ny mponina tany Jerosalema talohan'ny namaboana azy] Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
2Huan amau tantea a khopite ua teng masapente bel, Israel, siampute, Levi mite, leh Nethinim mite ahi uh.
2Ary ny mponina taloha tamin'ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
3Huan Jerusalem ah Juda tate, Benjamin tate, Ephraim leh Manasi tate a teng uhi;
3Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
4Uthai Ammihud tapa, Omri tapa, Imri tapa, Bani tapa, Perez tate ah Juda tapa.
4dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda.
5Huan Silon mite; Asai piang masapen, a tapate.
5Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.
6Huan Zera tapate ah; Jeuel, a unaute, za guk leh sawm kua.
6Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
7Huan Benjamin tapate ah; Sallu Mesullam tapa, Hodavia tapa, Hassenua tapa;
7Ary tamin'ny taranak'i Benjamina dia Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa,
8Huan Ibnei Jeroham tapa, Ela Uzzi tapa, Mikri tapa, Sallum Sephatia tapa, Reuel tapa, Ibnija tapa;
8sy Jibnia, zanak'i Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy, zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia, zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia;
9Huan a unaute uh, a khangte uh dungjuiin, za kua leh sawmnga leh guk. Hiai mite tengteng a pipute uh inkotea pipute inkote lupente ahi uhi.
9ary ny isan'ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany avy.
10Huan siampute ah; Jedai, Jehoiarib; Jachin;
10Ary tamin'ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina
11Huan Azaria Hilkia tapa, Mesullam tapa, Ahitub tapa, Pathian in a vaihawmpa;
11sy Azaria, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra,
12Huan Adai Jeroham tapa, Pashur tapa, Malkijab tapa, Maasai Adiel tapa, Jahzera tapa, Mesullam tapa, Mesillemit tapa, Immer tapa;
12ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, ary Masay, zanak'i Adiela, zanak'i Jazera, zanak'i Mesolama, zanak'i Mesilemita, zanak'Imera.
13Huan a unaute uh, a pipute uh lupente, sang khat leh za sagih leh sawmguk; Pathian ina nasepna thilhihna dinga mi hithei mahmahte.
13Ary ny rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra ireo.
14Huan Levi mite ah; Hashub tapa, Azrikam tapa, Hasabia tapa, Morari tapate ah;
14Ary tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, tamin'ny taranak'i Merary,
15Huan Bakbakkar, Heres, Galal, Mattania Mika tapa, Zikri tapa, Asaph tapa;
15ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zikry, zanak'i Asafa,
16Huan Obadia Semai tapa, Galal tapa, Jeduthun tapa, Berekia Asa tapa, Elkan tapa, Netophath mite khuatea tengte.
16ary Obadia, zanak'i Semaia, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona, ary Berekia, zanak'i Asa, zanak'i Elkana, izay nonina tamin'ny vohitry ny Netotatita.
17Huan kongkhak ngakmite; Sallum, Akkub, Talmon, Ahiman, a unaute uh:
17Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;
18Sallum bel a pipen ahi; kumpipa kongpi suahlam panga na ngak sek: Levi tate puanin adia kongkhakngakmite ahi uhi.
18ambaraka ankehitriny dia ao amin'ny vavahadin'ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin'ny tobin'ny taranak'i Levy.
19Huan Sallum Kore tapa, Ebiasaph tapa, Korah tapa, a unaute, a pa inkotea, Korah mite, nasepna thilhihnaa heutu ahi ua, biakbuk kongpite ngakmite: huan a pipute uh TOUPA puanin tunga heutu a na hi ua, lutna ngakmite;
19Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah.
20Huan Phineha Eleazer tapa hun paisaah amaute tunga vaihawmpa ahi a, huan a kiangah TOUPA a om hi.
20Ary Finehasa, zanak'i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.
21Zekeria Meselemia tapa kihoupihna puanin kongkhak ngakpa ahi a.
21Ary Zakaria, zanak'i Meselemia, no mpiandry ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
22Hiaite tengteng kongpite kongkhakngakmite hi dia telte za nih leh sawmleh nih ahi uh. Hiaite a khuate ua khangthu-a sim ahi ua, a sepding uh bawlsaa David leh jawlnei Samuelin a nahihkipsa uh.
22Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
23Huchiin amau leh a tate un TOUPA in kongpite a kem ua, a dan danin, biakbuk in nasanin.
23Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin'ny tranon'i Jehovah, dia ny trano-lay.
24A pang lite ah, suahlam, tumlam, mallam, simlam ah kongkhakngakmite a om uhi.
24Teo amin'ny lafiny efatra no nitoeran'ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
25Huan a unaute uh, a kallaklakin ni sagihnite tengin amau kianga om dingin a hongpai jel ding uh ahi:
25Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin'ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
26Kongkhakngak pipen lite lah, Levi mite, sepding sehsaa om ahi ua, Pathian in sunga dantante leh sumkoihnate tungah heutu ahi uhi.
26Fa nanao tamin'ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan'ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian'ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon'Andriamanitra koa izy ireo.
27Huan huailaia thupiak amau tunga a om jiakin, Pathian in kimvelah a giak ua, huan jingsang tenga huai hon ding thu a mau nasep ahi hi.
27Ary manodidina ny tranon'Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
28Huan a lak ua kuate hiamin nasepna tuiumbel suante a kem ua; kikou-a lak lutin a om ua, kikou-a lak khiakin lah a om ngal ua.
28Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.
29A lak ua khenkhatte vante, mun siangthoupen tuium-belsuante, tangbuang nelte, uainte, sathaute begaw leh gimnamtuite kem ding a seh ahi uhi.
29Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.
30Huan siampute tapate laka khenkhatten gimnamtuite tohhel a bawl uh.
30Ary ny sasany tamin'ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.
31Huan Mattithia, Levi mite, Korah mi Sallum ta masapen, laka khatin belliangneite kan thilte tunga nasepna sehsa a nei hi.
31Ary Matatia, anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra izay natao tamin'ny fanendasana.
32Huan a unaute uh laka a khen, Kohath mite tapaten tanghou a kem ua, khawlni chiha bawl dingin.
32Ary ny sasany tamin'ny rahalahiny, tamin'ny taranaky ny Kehatita, no tonian'ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.
33Huan hiaite lasamite ahi ua, Levi mite inkote pipute inkote lupente, dantante sunga tenga, nasep dang a kipan awlte ahi uh: sun leh janin a nasepna ua zatin lah a om ngal ua.
33Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy.
34A khang pumpite uah, hiaite Levi mite pipute inkote lupente ahi uhi, mi pipente: hiaite Jerusalem ah a teng uh.
34Ireo dia lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
35Huan Gibeon ah Gibeon pa a tenga, Jeiel, ji min Maaka:
35[Ny amin'ny fianakavian'i Saoly] Ary tao Gibeona no nonenan'i Jeiela, razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka;
36Huan a tapa masapen Abdon, Zur, Kis, Baal, Ner, Nadab;
36ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,
37Huan Gedor, Ahie, Zekaria, Miklot.
37dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.
38Huan Miklotin Simeam a suanga, Huan amau leng a unaute utoh Jerusalem ah, a unaute uh jawnah a teng uh.
38Ary Miklota niteraka an'i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
39Huan Nerin Kis a suanga; huan Kisin Saul a suang; huan Saulin Jonathan, huan Malki-sua, Abinadab, Esbaal.
39Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
40Huan Jonathan tapa bel Meribbaal ahi; huan Merib-baalin Mika a suang hi.
40Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an'i Mika.
41Huan Mika tapate; Pithon, Melek Tahrea, Ahaz.
41Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.[Izahao viii. 35]
42Huan Ahazin Jara a suanga; huan Jarain Alamet, Azmavet, Zimri a suang hi;
42Ary Ahaza niteraka an'i Jara; ary Jara niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;
43Huan Zimriin Moza a suanga: huan Mozain Binea a suang; huan Rephai a tapa, Eleasa a tapa, Azel a tapa:Huan Azelin tapa guk a neia, a min uh hiaite ahi; Azrikam, Bokeru, Ismael, Seriah, Obadia, Hanan: hiaite Azel tapate ahi uh.
43ary Moza niteraka an'i Binea; ary Refaia no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Refaia, Azela no zanakalahin'i Elasa.Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.
44Huan Azelin tapa guk a neia, a min uh hiaite ahi; Azrikam, Bokeru, Ismael, Seriah, Obadia, Hanan: hiaite Azel tapate ahi uh.
44Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.