1Jeroboam kum sawm leh kum giat a lal kumin Judate tungah Abija a lalpan hi,
1[Ny nanjakan'i Abia] Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.
2Jerusalem ah kum thum a lala, a nu min Maaka, Giben mi uriel tanu ahi. Huan, Abija leh Jerobaum bel akidou uhi.
2Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama.
3Huan, Abijain sepaih kidoumi. mi hangsan nuai li tel ngen toh a vasual ua, huan Jeroboam mi hat hangsan tel chiat nuai giat kiphalhin a nadou hi.
3Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.
4Huan, Abija bel, Ephraim bel singtang gama om Zemariam mualvum tungah, a dinga. Aw. Jeroboam Israelte tengteng toh nangaikhia un;
4Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:
5TOUPA Israelte pathianin Israel gam David leh a tate chi thukhunin khantawna dingin apia chih thei dia kilawm mahmah hilou nahi uh maw?
5Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasiantsira.
6Himahleh Nebat tapa Jeroboam, David tapa Solomon sikha a pu tungah a honghel mai maha.
6Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony.
7Huan, Rehoboam a naupanglaia, a lungsim a nem laia, amaute a nanan theih louh laiin Solomon tapa Rehoboam kalhin mi thulimlou Belial tate a kikaikhawm ua.
7Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak'Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.
8Huan, David tapa lakah TOUPA gam dou thei nakigingta kei ua: tam leng na tam kuam ua, Jeroboam in pathian dinga nou a honbawlsak dangkaeng bawngnou limte leng na kiang uah a om nalaia.
8Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo.
9TOUPA siampu, Aron tapate leh Levite delhkhia in, gamsang mite hih dan bangin bangin siampu na kibawl uh ahi kei maw? huchiin bawng tuai leh belam sagiha hongkilan peuhmahte pathian hi loupi siampu ahi thei jel mawk ua.
9Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra.
10Himahleh kou jaw, TOUPA bel ka pathian uh ahi a, amah ka lehngatsan kei ua: TOUPA adia, nasemmi amau na chiat sem Aron tapa siampute leh Levite ka nei uh
10Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;
11Huan niteng leh jan teng in TOUPA adin halmang thillat te, gimlim te, a hal jel uh, tanghou siah leng dohkan siangthou ah a koih kichian sek uhi; nitak lam tenga hal ding in dangkaeng khawnvak koihna a khawnvak toh; kou jaw TOUPAka pathian uh thupiak ka jui gige ua, nou bel amah na lehngat san uhi.
11ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin'ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin'ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain'i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy.
12Huan ngaih dih ua, pathian ka ma uh piin ka kiang uah a oma, huan a siampute leng a pengkul ua nou honnoh dingin mut dingin a om uhi. Aw, Israel suante aw TOUPA napal leh pute uh pathian jaw dou mahmah kei un, na lamzang kei hial ding uhi, a chi a.
12Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak'isiraely ô, aza miady amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.
13Himahleh Jeroboamin a nunglam uah a guktan saka: huchiin Judate malam ah a om ua, guktanmite a nunglam a om uh.
13Fa nasain'i Jeroboama nanompirana no fandehan'ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan'ny Joda, ary ny otrika teo ivohony.
14Huan, Judate aleh ngat uleh a nunglam uah leh a malam uah gal a omtaa, TOUPA a samta ua, siamputen pengkul amut uh.
14Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.
15Huchiin Judate aki kou jua jua ua; huchia Juda a kikou juajua ualeh hichi ahi a, Abija leh Judate maah TOUPAN Jeroboam leh Israelte tengtenga vual lel sakta hi.
15Dia nihoby ny lehilahy amin'ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an'i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan'i Abia sy ny Joda.
16Huchiin Israel suante Judate maah a taikek ua, pathian in a khut uah a petahi.
16Ary ny Zanak'isiraely nandositra niala teo anoloan'ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tànany,
17Huchiin Abija leh a heuten amau a thak ek uhi: huchiin Israel mi tel ngen nuai nga a that uh.
17ka nahafatesan'i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin'ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina.
18Huai tungin Israel suante vuallelh dan huchibang ahi, Juda suanten TOUPA a pi leh pute uh pathian a muan jiak un a jouta uh.
18Toy izany no nampietrena ny Zanak'isiraely fahizay; ary ny taranak'i Joda no nahery, satria niankina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
19Huan, Abijain Jeroboam a delhna, a khuate a lak saka, Bethel a khopelte toh, Jesana a khopelte toh Ephron a khopelte toh.
19Ary Abia nanenjika an'i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin'ny zana-bohiny sy Jesana mbamin'ny zana-bohiny ary Efrona mbamin'ny zana-bohiny. [Na: Efraima]
20Abija lal laitengin Jeroboamin din khiak zohna a nei nawn kei; TOUPAN a gawta, a sita.
20Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin'ny andron'i Abia; ary Jehovah namely azy, ka dia maty izy.
21Abija bel a hat deuhdeuha ji sawm leh li a neia, tapa sawmnih leh nih leh tanu sawm leh guk a nei.Abija tanchin dangte leh a omdante, a thu gente jawlnei Jedai hilhchetna bu ah a tuang ahi.
21Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin'ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin'ny folo.
22Abija tanchin dangte leh a omdante, a thu gente jawlnei Jedai hilhchetna bu ah a tuang ahi.
22Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'Ido mpaminany.[Ny niandohan'ny nanjakan'i Asa, sy ny nandravany ny fombam-pivavahana tsy marina, ary ny nandreseny ny Etiopiana] Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin'ny andron'i Asa dia nandry folo taona ny tany.
23[Ny niandohan'ny nanjakan'i Asa, sy ny nandravany ny fombam-pivavahana tsy marina, ary ny nandreseny ny Etiopiana] Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin'ny andron'i Asa dia nandry folo taona ny tany.