1Asa kum sawmthum leh kum guk a lal kumin Israel kumpipa Baasain Judate a suala, Juda kumpipa kianga lut dingin leh pawt dingin dalna dingin Rama khua a bawl hi.
1[Ny nanambazan'i Asa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, hanampy azy hiady amin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, sy ny nananaran'i Sanany mpaminany azy noho izany, ary ny nahafatesan'i Asa] Tamin'ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan'ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
2Huchiin Asain TOUPA in leh kumpipa ina gou dangkasik leh dangkaeng te ala khiaa, damaskaa Suria kumpipa Benhadad kiangah.
2Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:
3Ka pa leh napa kala thukhun a om bangmahin I kalah thukhun a oma, ngaidih, dangkasik leh dangkaeng ka honkhak ahi; kisa dih, Israel kumpipa Baasain a hontawpsan nadingin a kiangah na thukhun phel nawn mai ve, chiin a khak a.
3Misy fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko. [Na: Aoka hisy]
4Huan, Benhadadin kumpipa Asa thu a napoma; huchiin Israel khuate sual dingin sepaih heutute a sawla, Ijon khua te, dan khua te, Abelmain khua te, Naphtali gama van koihna khua tengteng a sual uhi.
4Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin'i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely; dia nandrava an'Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin'ny tanànan'ny Naftaly izy.
5Huan, hichi ahi a, Baasain huai thu a najakin Rama khua a bawl lai a khawlsana, thilhih tup a ki khel sakta hi.
5Ary nony ren'i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany.
6Huchiin, kumpipa Asain Juda mi tengteng apia. Baasain Rama kho bawl nadinga suang leh sing a zatte a la vek ua, huaitein Geba leh Mizpa khua a bawl.
6Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra; ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa, ka nentiny nanamboatra an'i Geba sy Mizpa.
7Huan, huai laiin jawlnei Hanani Juda kumpipa Asa kiangah a honga, a kiangah, TOUPA na pathian muanglouin Suria kumpipa na muanga, huaijiakin Suria kumpipa sepaih honte na khahte ahi hi.
7Ary tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin'ny mpanjakan'i Syria fa tsy niankina tamin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria.
8Ethiopiate leh Lubte sepaih hon lian tak, kangtalai leh sakol tung tuangmite tampi ahi kei umaw? himahleh TOUPA na muan jiakin na khutah a honpia ahi.
8Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin'i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.
9A lama lungsim diktat pumite tunga a hatdan hihlang dingin khovel tengtengah TOUPA mit a vak dundun sek ahi. Haihuai mahmahin thil nahih a hita; tuaban siah dou na nei gigeta ding a chi a.
9Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin'izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin'izao.
10Huchiin, Asa bel jawlnei tungah a heha, suangkulhah a khumtaa; a thu gen jiakin a heh mahmah mai hi. Huan Asain mi khenkhatte leng a simmoh behlap lai hi.
10Dia tezitra tamin'ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin'i Asa tamin'izay.
11Huan ngaidih ua, Asa tanchin a bul a kipana a tawp phain Juda leh Israel kumpipate tanchin gelhna bu ah a tuang ahi.
11Ary, indro, ny tantaran'i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely.
12Huan, kum sawmthum leh kum kua a lal kumin Asa bel a khe a hongnataa; a natna thupi tak ahi; himahleh a natnaah TOUPA zong louin damdawi siamte a zong jawa.
12Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Asa dia narary tamin'ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an'i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
13Huan, Asa bel a pi leh pute kiangah a ihmua, kum sawmli leh kum khat a lal kumin a si a.Huan, David khopia amah tuama khuak, amah hanah a vui ua, gimlim lim tak, gimlim bawlmiten gimlim chi tuam tuam a bawl ua dim lupnaah a sial ua, amah tuam dingin meipi thupi mahmah a sep uh.
13Ary Asa lasa nodi-mandry any amin'ny razany; maty izy tamin'ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany.Dia nalevina tao amin'ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan'i Davida, ka nampandrina teo amin'ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
14Huan, David khopia amah tuama khuak, amah hanah a vui ua, gimlim lim tak, gimlim bawlmiten gimlim chi tuam tuam a bawl ua dim lupnaah a sial ua, amah tuam dingin meipi thupi mahmah a sep uh.
14Dia nalevina tao amin'ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan'i Davida, ka nampandrina teo amin'ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.