1Huchiin Solomon in thu agen a, TOUPAN, Mial bikbekah ka om ding, a chi nguta,
1Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.
2Himahleh na tenna ding in, khantawna na om na ding ka honna lamsakta hi chiin.
2Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
3Huan, kumpipa aki heia, Israel kikhawmte tengteng a vualjawla; Israel kikhawmte tenteng ading dedup uhi.
3Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
4Huan, aman, TOUPA Israelte Pathian, a kapa David kianga amah kam mahmah a,
4ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
5Aigupta gam a kipan ka mi Israelte ka pi khiak ni akipan in Israelte nam lak a koi khua mah ka min omna diing in lamna diing in ka tel ngei naikei a; ka mi Israelte tunga heutu diing mi kuamah ka tel ngei naisam kei;
5Hatramin'ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran'ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;
6Ahihhangin, ka min om na diingin Jerusalem kana tel taa, ka mi Israelte heutu diingin David kana telta ahi, chia nagen pa, amah khut mahmah a hon pichingsakpa phat in om hen.
6fa nifidy an'i Jerosalema Aho hitoeran'ny anarako, ary nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
7Kapa David in Israelte Pathian, TOUPA min diinga in lam a ngaihtuah sek a
7Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
8Himahleh TOUPAN kapa David kiangah, ka min diinga in lam na ngaihtuah sek a, hichi bang lungsim na naput na hih hoih hi; himahleh nang jaw in na lam kei diing;
8Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
9Na tapa, na khala hong pawt diingin ka min diingin in a hon lam zou diing, a nachi ta hi.
9Kanefa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.
10Huan, TOUPAN a thugen atangtungsak taa: TOUPA chiamsa bang ngein kapa David mun ka hon luah a, Israel lal tutphah ah ka hong tu a, Israel pathian TOUPA min ding in kahon lamta ahi.
10Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
11Huai laiah Israel suan te kiang a nakhun, TOUPA thukhun a bawm ka koihta ahi, a chi a.
11Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny Zanak'isiraely.
12Huan TOUPA maitam bul ah Israel kikhawmte tengteng muh in a ding a, a baan a zak a,
12Ary Solomona nitsangana teo anoloan'ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany
13(Solomon in dal dohkan a saulam tong nga, a zatlam tong nga, a san lam tong thum a bawl biakin huang laitak a tun tungah a tuang a, Israel kikhawm te tengteng ma ah a khuk din a, vanlam nga in a ban a jaka: )
13fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra
14Aw, TOUPA, Israelte pathian lei leh van ah nang mah bang mahmah Pathian a om kei uh, a lungtang tengteng ua na lampi tawnmi a sikha te tunga thukhun tangtung saka hehpihna kem,
14ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,
15Na sikha kapa David kiang a, na thu chiam na tangtung saka; ahi, na kama na gen san na khut in na loh ching saktaa: tuni in.
15sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain'ny vavanao izany, dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
16Huchiin aw TOUPA, Israelte pathian, na sikha kapa David kianga, Na suante na om banga omsam ding a omdan ua a pilvan peuhmah uleh, ka mit muh a isrealte laltutphah a tuding na tasam kei ding, chi a na na chiamsa tangtung sakin.
16Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankatò ny lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
17Huchiin TOUPA, Israelte Pathian, na sikha David kiang a, na thugen lohchingsak mahmah in
17Koa ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona amina aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida mpanomponao.
18Ahihhangin, pathian leiah mihing lakah om petmah dia hia? Ngain, van, vante van ah leng nata keia, hiai ka inlam ah takei sem natel ni chia!
18Andriamanitra va dia honina amin'ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
19Himahleh, aw TOUPA ka pathian na sikha in nang a hon sapna leh a thumna ngaihkhiaksak in, na sikha thumna leh ngetna hon limsak in.
19Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao,
20Hiai mun lam ngaa na sikha a thumna ngaikhia a, Huai laiah kamin a om ding, na chih na mun mahmah, inlam ah sun leh jan a namit suan gige theih na dingin.
20mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
21Huan, na sikha leh nami Israel ten hiai munlam nga a thum chiang un a ngetna te uh ana ngaihkhia sak jelin, ahi, na tenna mun vanah na na ngaikhia inla, huan na ngaikhia in, ngaidam in.
21Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka.
22Mi kuapeuh in a innvengte tungah thil hih khial in, kichiamsak hong kiphamoh taleh, hiai in a na maitam ma ah hong kichiamhenla;
22Raha misy olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity izy,
23Nang vanah nangaikhia inla, gamtang inla, mi gilou a gitlouh mana, mohtangsakin, mi diktat a diktak mana dik tangsakin, na sikha te vaihawm sakin.
23dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
24Na mi Israelten na tung a thil a hih khelh jiak ua melma te laka ana vuallelh ua, nang lam a hong ngat nawn ua, namin a gup ua, hiai in a thum a thil na kianga a hong nget uleh;
24Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin'ity trano ity izy,
25Nang vanah na ngaihkhiaksak inla, nami Israelte khelhna ngaidam inla, amau leh api leh pute uh napiak gamah pi nawn in.
25dia mihainoa any an-danitra, Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao azy sy ny razany izy.
26Na tungah thil ahih khelh jiak ua vana hong bina, vuah a hong zuk louh a, hiai munlam nga a a thum ua na min a gup uh leh, amau na hih gim jiaka a khelhna uh a kisik uleh;
26Raha mihantona ny andro, ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ary mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria ampahorinao,
27Nang vanah na ngaikhia inla, apaina ding uh lampi hoih kawkmuh in na sikha te leh nami Israelte khelhna ngaidam in namite a goutan ding ua na piak nagam ah vuah hon zusak in.
27dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.
28Ka gam ua kialte a hong kiak a, hi te ahong len a, keuna hiam, muatna hiam, khaukhup hiam, lung hiam a hong om a, a melmate un a khuate uh a hong um ua, hi bang peuh, natna bang peuh a hong tun leh ahi vei uhiam, a lungkham na uh hiam thei peuhmah in;
28Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
29Hiai inlam ngaa banjak a mimal hiam, Israel mipi hon in hiam thumna leh ngetna a hon tut uh:
29izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy,
30Na omna van ah na ngaikhia inla, ngaidam inla, mi chih a omdan bang chiat un lohchingsakin, a lungtang uh lah nathei ngala: (nang mah kia lah mihing tate lungtang theipa nahi ngala: )
30dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona,)
31Kapi leh pute uh napiak gama omsung teng ua nalampi tawn thei ding a nang laudan a hong siamna ding un.
31mba hatahorany Anao sy handehanany amin'ny lalanao amin'izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.
32Huan, na mi Israelte hilou, nam dang mi, namin thupi tak leh na khut hattak leh na banzak jiaka gam gamla taka kipana hongpai, hiai in lam nga a a hong thum hun chiang un:
32Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
33Nang na omna van ah nangaikhia inla, namdang te leng nang hon sapdan uh dungzui in atung uah hih in, huchiin nami Israelte bangmah in khovel a namchih in nam a thei ding ua, nang laudan ahong siamding ua, hiai ka inlam in namin apu chih a thei ding uhi.
33dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.
34Namiten a melma te uh na sawlna lamlam a a sual ua na khopi tel leh namin adia in kana lam lam nga a na kiangah a thum uleh:
34Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka aminao manandrify ity tanana izay nofidinao ity sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao izy,
35Nang a thumna uh leh a ngetna uh vanah na ngaikhia inla, a thu uah pi jelin.
35dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
36Na tung a ahong khelh ua, (kuamah lah khial lou a omngal keia) a tungua na hehna, melma khut ah na piak a, gam gamla pi ah hiam, naideuh ah hiam sala a pi unleng,
36Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tany na ho lavitra na ho akaiky izy,
37Sal a api nagam ua aki ngaihtuah khiak ua, akisik ua, I nakhialta, diklou tak leh gitlouh huai tak in thil ina hihta, chia a tanna gam ua ngetna hon tut ua: a
37ary mahatsiaro any amin'ny tany nitondrana azy ho babo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy,
38Sal a amau api na ua, atanna gam ua a lungtang tak uleh a lungsim taktak ua nanglam a hong ngat ua, api leh pute uh gamlam leh na khopi tel leh namin dia ka inlam lam nga na kiangah a thum uleh:
38ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy ao amin'ny tany nitondrana azy ho babo ary mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao,
39A thumna uh leh a ngetna uh nang na omna vanah na ngaikhia inla, a thu uah pi jel inla, natung a nana khialta namite ngaidam in.
39dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa nanota taminao.
40Aw ka pathian, hehpihtak in namit hong hakinla, hiai muna thumna ah na bil hon doh in.
40Ankehitriny, ry Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, an aoka ny sofinao hihaino ny vavaka atao amin'ity fitoerana ity.
41Aw, TOUPA pathian, na omna mun ah paitou in nang leh na hatna bawm toh, aw, TOUPA pathian, na siampute hotdamna in van inla, na mi siangthou te hoihna in nuamsa sak in.Aw TOUPA pathian, na thau nilhpa mel leh ngatsak kenla, na sikha David thil hoih hih te thei gige in, a chi a.
41Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin'ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô. ary aoka ny olonao masina hifaly amin'ny soa.Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao.
42Aw TOUPA pathian, na thau nilhpa mel leh ngatsak kenla, na sikha David thil hoih hih te thei gige in, a chi a.
42Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao.