Paite

Malagasy

2 Samuel

17

1Huan, Huailou leng Ahithophel in Absalom kiang ah, Mi singkhat leh sangnih ka telkhe ding a, huan, tuzan in David delh ding in ka kuan ding:
1Ary hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina ka hiainga hanenjika an'i Davida anio alina;
2A bahlai leh hatlouh laitak ka vapha non ding a, ka valau sak ding: huchi in a kiang a mi tengteng a taimang ding ua, huchi in kumpipa kia ka va that mai ding:
2ary ho tonga ao aminy aho amin'ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako;
3Huan, mipite na kiang ah ka hon pikik nawn vek ding; na mi zonpa tuh mi tengteng hong kik tobang ahi, huchi in mi tengteng kituak in a om ding uh, a chi a.
3dia haveriko ho etỳ aminao ny vahoaka rehetra miankina amin'io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan'ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra.
4Huchi in huai thu in Absalom leh Israel upate tengteng a kipak sak ngial hi.
4Ary sitrak'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely rehetra izany.
5Huchi in Absalom in, Ark mi Husai sam peuhmah phot unla, amah gendan i ngaikhe peuhmah ding uh, a chi a.
5Kanefa hoy Absaloma: Mba antsoy kosa Hosay Arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny.
6Huan, Husai Absalom kiang a hongtun in Absalom in, Ahithophel in hichi bang in a gen a, a gen bang a hih ding i ding uam? Hihlou ding hi leng nang hon gen himhim dih, chi in a na houpih a.
6Ary nony tonga teo amin'i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr'i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?
7Huan, Husai in Absalom kiang, Tutung a Ahithophel lemtheih a hoihkei, a chi a.
7Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon'i Ahitofela tamin'ity.
8Huan, Husai in, Na pa leh a mite na thei a, sepaih hang tak, mi hangsan tak, gam a vompi a nou laksak bangmai ahi ua: huan, na pa lah galdou mi ahi a, mipi lak ah a giak kholkei ding.
8Ary hoy kosa Hosay: Hianao mahalala ny rainao sy ny olony, fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy miara-mitoetra amin'ny vahoaka raha alina.
9Ngai in, tu in leng koilai leihawm hiam ah, koilai mun ah hiam a bu thek ahi ding: huan, hichi ahi ding a, a kisual tung ua mi khenkhat a puk ua leh a zapeuh in, Absalom zuite a that ek uh, a chi mai ding uh.
9Fa, indro, miery any an-davaka anankiray izy izao, na ao amin'ny fitoerana hafa; ka raha misy resiny amin'ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an'i Absaloma,
10Huchi in mi hangsan tak, humpinelkai lungsim bang pu mi hial leng a honglungke mahmah ding ua; Israel mi tengteng in lah na pa sepaih hang tak a hihdan leh a kiang a mi omte mi hangsan taktak a hihdan uh a thei vek ngal ua.
10ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon'ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.
11Kei hoihsak samdan, Israel mi tengteng Dan a kipan in Beerseba pha in tuipi a piaunel zah hial ding na kiang ah sam khawm vek le hang; huan, kidouna ah nang nangawn kuan lechin.
11Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, toy ny fasika amoron-dranomasina no hamarony; ka dia ny tenanao no hankany an-tafika.
12Huchi in koilai mun peuh ah i kituahnana ah lei a daitui kia bangmai in i boh ding ua; huan, amah leh a kiang a mi om tengteng khat lel leng i hawikei ding uh.
12Dia ho tonga ao aminy amin'izay fitoerana anankiray hahitana azy isika, ka dia hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin'ny tany, ka tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin'izay olona rehetra manaraka azy.
13Huailou leng, khua a alut leh Israel mi tengteng, khauhual tawi in huai khua ah i va hoh ding ua, suang neu chikchik leng omlou hial khop in lui ah i kai khe vek ding, a chi nawn ngal a.
13Fa raha miditra an-tanàna izy, dia hitondran'ny Isiraely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka dia hotarihintsika ho any amin'ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato kely iray aza hita ao.
14Huchi in Absalom leh Israel mi tengteng in, Ark mi Husai hoihsak Ahithophel hoihsak sang in a hoihzaw, a chi ua. TOUPA'N Absalom tung a thil hoihlou a tunsak theihna ding in TOUPA'N Ahithophel hoihsak hoih tak letkhe ding in a nasep khin him ahi.
14Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon'i Ahitofela ny nataon'i Hosay Arkita. Fa efa notendren'i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon'i Ahitofela, hampidiran'i Jehovah loza amin'i Absaloma.
15Huchi in Husai in siampu Zadok leh Abiathar kiang ah, Huchibang khachibang in Ahithophel in Absalom leh Israel upate hoih ding a ngaihtuah pih a; huan, ken huchibang khachibang in hoih ding ka ngaihtuah a.
15Dia hoy Hosay tamin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona: Izany ka izany no hevitra nomen'i Ahitofela an'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely; ary izao ka izao kosa no hevitra nomeko azy.
16Huaiziak in, tuzan in gamdai lui kainate a giak nawnlou in kan ngeingei in; huchilou in zaw kumpipa leh a kiang a om tengteng a hihmang vek kha ding uh, chi in David hilhsak zok un, a chi a.
16Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin'i Davida hoe: Aza mitoetra any amin'ny fitàna any amin'ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.[Na: tani-hay]
17Jonathan leh Ahimaaz bel En-rogel ah a om ua; sikhanu khat in amaute a va hilh zel hi; huan, amau kumpipa David a vahilh sawn zel uh: khopi a lut uh kuamah muhlouh ding ahi.
17Ary Jonatana sy Ahimaza nitoetra tao En-rogela; fa tsy sahy niseho tao an-tanàna izy; ary nisy ankizivavy anankiray nivoivoy nanambara taminy; dia lasa nandeha nanambara tany amin'i Davida mpanjaka kosa izy roa lahy.
18Himahleh naupang in a na mu a, Absalom a hilh a: huchi in a nih un a taimang pah ua, Bahurim a mi khat a intual a tuileh nei in ah a vahoh ua, tuileh ah a lutta uhi.
18Fa nisy zazalahy iray nahita azy ka nanambara tamin'i Absaloma; nefa lasa faingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon'olona tao Bahorima, izay nisy lavaka fantsakana tao an-tokotaniny, dia nidina tao izy roa lahy.
19Huan, numei in tuileh a sitna in a sin a, a tungah buh a phou a, kuamah theih theih ahikei hi.
19Ary nalain'ny vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan'ny lavaka fantsakana, ary dia nanahy koba teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala.
20Huan, Absalom sikhate in a numei kiang ah a vahoh ua; Ahimaaz leh Jonathan kaw om ahi ua? A chi ua. Huan, numei in a kiang uah, Lui a kanta ding uh, a na chi a. Huan, a va zong ua, a mukei ua, Jerusalem ah a kik nawn uh.
20Ary nony tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon'i Absaloma, dia nanao hoe: Aiza Ahimaza sy Jonatana teto? Fa hoy ravehivavy taminy: Tafita ny renirano kely izy izay. Ary nony efa nitady azy ireo ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.
21Huan, hichi ahi a, a pai tum khit nung un tuileh akipan a hongpawt ua, kumpipa David a vahilh ua; David kiang ah, Pawt khia unla, lui kan pah un, hichi in Ahithophel in hon tum, a chi ua.
21Ary nony efa lasa ireo, dia niakatra avy ao amin'ny lavaka fantsakana izy roa lahy, ka lasa nandeha izy, dia nanambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Miaingà, ka mità faingana ny rano; fa izany no hevitra nataon'i Ahitofela hamelezana anareo.
22Huchi in David leh a kiang a mi om tengteng a pawtkhia ua, Jordan lui a kan ua; khua a hongvak in Jordan lui kanlou khat lel leng a omkei uh.
22Dia niainga Davida sy ny olona nanaraka ,azy, ka nita an'i Jordana izy; ary nony maraina ny andro, dia tsy tafita an'i Jordana na dia olona iray aza.
23Huan, Ahithophel in a hoihsakdan a zuikei uh chih a theih in a sabengtung a van a, a pawt a, a kholam ah a pai a, a inkuante khosak dan ding a bawlsak sipsip a, a awklumta hi; huchi in, a si a, a pa han ah a vui uh.
23Ary nony hitan'i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin'ny fasan-drainy.
24Huchi in David in Mahanaim a vatung a. Huan, Absalom in, a kiang a Israel mi tengteng toh Jordan lui a kan ua.
24[Ny nandresena an'i Absaloma, sy ny nahafatesany] Ary Davida tonga tao Mahanaima. Ary Absaloma nita an'i Jordana, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay nanaraka azy.
25Huan, Absalom in Joab sik in Amasa sepaih heutu ding in a koih. Amasa bel, mi khat min Ithra, Israel mi, Joab nu sanggam Nahas tanu Abigail kithuahpihpa tapa ahi.
25Ary Amasa no notendren'i Absaloma ho komandin'ny miaramilany ho solon'i Joaba; ary Amasa dia zanak'ilay Isiraelita atao hoe Jitra, ilay nandry tamin'i Abigaila, zanakavavin'i Nahasy sady rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba.[Na: Ismaelita; izahao 1 Tan. ii. 17]
26Huan, Israel mite leh Absalom in Gilead gamah panmun a bawl ua.
26Ary ny Isiraely sy ny Absaloma nitoby tany amin'ny tany Gileada.
27Huan, hichi ahi a, David Mahanaim a tun in, Amon suan Raba khua a mi Nahas tapa Sobi te, Lodebar khua a mi Amiel tapa Makir te, Gegelom khua a Gilead mi Barzilai te'n,
27Ary nony tonga tao Mahanaima Davida, dia, indreo, tamy Soby, zanak'i Amona, sy Makira, zanak'i Amiela, avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita, avy any Rogelima,
28Lupnate, maiphiatkuangte, leibelte, huit buhte, barlibuhte, tangbuangte, be kankeute,Khuaizute, mokhonte, belamte, bawngnawikhalte, David leh a kiang a om mipite nek ding in a hontawi ua: Gamdai ah mipite a gilkial ua, a tawl ua, a dang uh a tak a chih ziak un.
28Avy mitondra fandriana sy bakoly sy vilany tany sy vary hordea sy koba sy lango sy tsaramaso sy voanemba ary voanemba voaendy [erva lenta]sy tantely sy rononomandry sy ondry ary zanak'omby ho an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-efitra ny vahoaka.[Na: rononomandrin'omby]
29Khuaizute, mokhonte, belamte, bawngnawikhalte, David leh a kiang a om mipite nek ding in a hontawi ua: Gamdai ah mipite a gilkial ua, a tawl ua, a dang uh a tak a chih ziak un.
29sy tantely sy rononomandry sy ondry ary zanak'omby ho an'i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-efitra ny vahoaka.[Na: rononomandrin'omby]