Paite

Malagasy

2 Samuel

6

1Huan, David in Israel mite lak a mitel ngen singthum a kaikhawm nawn a.
1[Ny namindrana ny fiaran'i Jehovah nankany Jerosalema] Ary novorin'i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina.
2Huan, David a thou a, Juda gam a Baale khua a kipan in, cherubte tung a tuang sepaihte TOUPA min a put sak uh Pathian bawm latou ding in a kiang mi om tengteng toh a kuanta uh.
2Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima.[Na: izay nantsoina tamin']
3Huan, Pathian bawm bel kangtalai thak ah a koih ua, tang a Abinadab in a kipan a lakhia ua: Abinadab tapa Uza leh Ahio ten kangtalai thak a hawl uh.
3Ary nataony teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.[Na: Gibea]
4Huan, tang a Abinadab in a kipan Pathian bawm nangawn toh a lakhia ua; Ahio Pathian bawm malam ah a pai.
4Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara.
5Huan, David leh Israel mi tengteng in TOUPA ma ah thil gingthei chi tuamtuam meilah sing a bawl leh kaihgingte, pekgingte, khuangtate, pengkul bineite, dakkhutbette a tum ua.
5Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
6Huan, Nakon a phual tan a tun un Uza in Pathian bawm a sawk a, a len a; bawng a hoihoi ziak in.
6Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara.
7Huan, Uza tungah TOUPA a hong heh guih a, a thilhih diklouh ziak in Pathian in huailai ah a hihlum a, Pathian bawm kiang ah a sita.
7Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy.
8Huan, TOUPA Uza tung a a puahzak ziak in David a heh a, huai mun Perez-uza a sa a, tutan ahi lailai hi.
8Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran'izany tany izany mandraka androany.[Na: nalahelo][Perez-oza = Famelezana an'i Oza]
9Huan, huai ni in David in TOUPA a kihta a; Bangchi in TOUPA bawm ka kiang a hong tung theita dia? a chi a.
9Ary Davida natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran'i Jehovah?
10Huchi in David in TOUPA bawm David khua a amah kiang ah a suan nuamta kei hi; David in Git mi Obed-edom in lam ah a koih zota hi.
10Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita.
11Huan, TOUPA bawm Git mi Obed-edom in ah kha thum a om a; huchi in Obed-edom leh a inkuante tengteng TOUPAN a vualzawl hi.
11Ary nipetraka telo volana tao an-tranon'i Obed-edoma Gatita ny fiaran'i Jehovah; ka dia notahin'i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra.
12Huan, kumpipa David bel, Pathian bawm ziak in, Obed-edom inkuan leh a neihlehlam tengteng TOUPAN a vualzawl, chi in a hilh ua. Huchi in David in Pathian bawm Obed-edom in a kipan, David khua ah kipaktak in a vala ta hi.
12Ary nambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida.
13Huan, hichi ahi a, TOUPA bawm zawng mite kal guk a paitak un bawngtal leh gan vakthau in a kithoih ua.
13Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'i Jehovah, dia namono omby sy zanak'omby mifahy izy hatao fanatitra.
14Huan, David TOUPA ma ah a theihtawp in a lam a, David in puan malngat siampu puannak a silh a.
14Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
15Huchi in David leh Israel mi tengteng in kikou zuazua leh pengkul mut loiloi kawm in TOUPA bawm a latouta uhi.
15Ary Davida sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby sy ny feon'ny anjomara.
16Huan, hichi ahi a, TOUPA bawm David khua a a lutlai in, Saula tanu Mikal in tohlet a kipan in ana en a, TOUPA ma a David tawm leh lam a mu a, a sim muhsitta hi.
16Ary nony tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
17Huchi in TOUPA bawm a lalut ua, a koihna ding a David in a kaih, puanin sung a a mun ding ah a koihta uhi: huan, David in halmang thillatte leh lemna thillatte TOUPA ma ah a lan hi.
17Ary nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah.
18Huan, David in halmang thillat leh lemna thillatte a lat khit in sepaihte TOUPA min in mipite a vualzawl a.
18Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
19Huan, mipi tengteng in Israel pumpite a numei a pasal mi chih tanghou phel khat leh sabak khat leh grep gah phoukeu bawm khat a hawm chiat hi.
19Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.[Na: divay eran'ny kapoaka]
20Huchi in mi tengteng amau inlam chiat ah a paita uh. Huchi in David bel a inkuante vualzawl ding in a painawnta. Huan, Saula tanu Mikal pen David dawn ding in a hong pawt a, Tuni a Israel kumpipa thupi hina mai e, mi ginalou zumnadan theilou vuaktang a om bangmai in tuni in a sikha nungakte mitmuh in vuaktang in a om a! a nachi a.
20Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
21Huan, David in Mikal kiang ah, Na pa leh a inkuante tengteng sang a kei hontel, TOUPA mi Israelte tung a kumpipa ding a honseppa TOUPA ma ah ahi; TOUPA ma a lam dia kilawm ka hi him.
21Ary hoy kosa Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako.
22Hiaite sang in leng ka zumpih huai lai ding, keimah leng ka kisit lai giap ding; himahleh huai sikha nungak na gente pahtawi in ka om ding, a chi a.Huchi in Saula tanu Mikal in a sih pha in ta a neikei hi.
22Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.
23Huchi in Saula tanu Mikal in a sih pha in ta a neikei hi.
23Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.