Paite

Malagasy

Deuteronomy

19

1TOUPA na Pathian un a gam uh nou a honpiak nam TOUPAN a hihmana na luah ua, a khua khawng ua, a in khawng ua na om chiang un;
1[Ny amin'ny tanàna handosiran'izay mahafaty olona tsy nahy] Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
2TOUPA na Pathian un luah dinga nou a honpiak na gam uah nou adingin khaw thum na sep ding uhi.
2dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.
3Mithat taphot a tai lutna ding un, TOUPAN a honluah sak ding gam seh thum na suah ding ua, na gamgite uh na bawl ding ua, lampite na bawl ding uhi.
3Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran'ny mahafaty olona rehetra ao.
4Huan, mithatte huailaia tailut a bit theite bel hiaite ahi uhi; min a insakinkhang tumalama huatna leng nei khol loua that kha peuhmahte;
4Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha
5Mi a insakinkhang toh singphuk dinga gamlaka kuana singphuk dinga a heipia sata, heipi tang tolin a insakinkhang denglum khate bang, huaite lakah khua khatah a tai dinga, a bit ding:
5toy ny olona izay miaraka amin'ny namany ho any an'ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
6Sisan phu lamiin a hehna apai laia mithatmi a delha, lampi a sau jiaka delhphain a vasat lum kha ding hi: tumalam a huatna na nei khol lou a hih jiakin si tak lah ahi ngal kei hi.
6fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
7Huaijiakin, Kho thum nou adingin na sep ding uhi, chiin thu ka hon pia ahi.
7Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.
8Huan, TOUPA na Pathian un na pi leh pute uh kianga a nakichiam banga na pi leh pute uh piak a nachiam gam a honpiaka;
8Ary raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin'ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao
9TOUPA na Pathian uh it ding leh a lampi jui gige dinga a thupiak tengteng, tua ka honthupiak na pom ua, na gam uh a hihlet leh hiai kho thumte sim louin nou adingin kho thum dang na behlap nawn ding ua:
9(raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin'ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;
10TOUPAN luah dinga a honpiak na gamsung uah poi khoihlou sisan suah a om louha, na tung ua sisan a om louhna dingin.
10mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin'ny rà ianao.
11Himahleh min a insakinkhang a huata, a tana, a suala, si khop hiala a vuaka, huai khote laka khata a tai leh;
11Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo,
12A kho upate un mi sawl uhenla, huai akipan va pi uhenla, hihlup dingin sisanphuala mi khutah pe khia uhen.
12ny loholona amin'ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan'ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.
13Na hehpih ding uh ahi keia, nou dia hoih dingin Israel gam akipan poi khoihlou sisan suahna na hihmang ding uh ahi.
13Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny heloka ny amin'ny rà marina, mba hahita soa ianao.
14TOUPA na Pathian un luah dinga a honpiak gam, na luah ding uh gama a maa a naphuhsa uh na insakinkhang uh gamgi na suan ding uh ahi kei.
14[Ny amin'ny tsi-famindrana fari-tany, sy ny amin'ny vavolombelona] Aza mamindra ny fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana teo amin'ny zara-taninao, izay azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
15Mi a thulimlouhna hiam, a khelhna himhim hiam theihpih khat a hun kei dinga; theihpih nih kam hiam, theihpih thum kam hiama thu hihkip ding ahi.
15Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin'izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
16Theihpih diklouin mi thil diklou hih ahi chi dinga, dem dinga a kisak leh;
16Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
17A kiselna uah a nih un TOUPA maah huai huna siampute leh vaihawmte maah a ding ding uhi;
17dia hitsangana eo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan'ny mpisorona sy ny mpitsara amin'izany andro izany;
18Huan, vaihawmten ngentel takin thu a dong ding ua, huan, ngaiin, thu theihpihmi thutheihpih juau thei a hiha, a unau juaua ngoh a hihleh;
18ary raha hadinin'ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,
19A unau tunga hih a natup bangin a tungah na hih ding uh; huchibangin na lak ua thil hoih lou na hihmang dinguh ahi.
19dia araka izay nokasainy hatao amin'ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
20A omlaiten a za ding ua, a lau ding ua, tunung chiangin huchibang thil hoih lou mawngmawng na lak uah a hih nawnta kei ding uhi. sNa hehpih ding uh ahi keia; hinna tangin hinna, mit tangin mit, ha tangin ha, khut tangin khut, khe tangin khe ahi ding.
20Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra.
21Na hehpih ding uh ahi keia; hinna tangin hinna, mit tangin mit, ha tangin ha, khut tangin khut, khe tangin khe ahi ding.
21Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra.