1Huan jawlneite, jawlnei Haggai leh, Zekaria Iddo tapain Juda leh Jerusalema om Judate kiangah a thu a gen khol ua; a kiang uah Israel Pathian miin thu a genkhol uhi.
1[Ny namporisihan'i Hagay sy Zakaria ny Jiosy handroso hanao na tempoly indray, sy ny naneken'i Dariosy, mpanjakan'i Persia, ny hanaovany azy] Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido, naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
2Huchiin Sialteil tapa Zerubbabel leh, Jozadak tapa Jesua a thou ua, Jerusalema om Pathian in a lam panta uh; huan amaute panpihin a kiang uah Pathian jawlneite a om uhi.
2Dia nitsangana Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin'Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
3Huchihlai mahin a kiang uah Tattenai, luipi khena ukpipa leh Sethar-bozenai leh, a kithuahpihte uh a hong ua, a kiang uah hichibangin, Hiai in lam ding leh hiai kulhbang zou dingin nou kuan thu a honpiaa? a chi ua.
3Ary tamin'izany andro izany ihany koa dia nankany amin'ireo Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin'ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
4Huchiin kou a kiang uah hichibangin ka chi ua, Hiai inlam mite min bang ahia? chiin.
4Ary izao koa no nataonay taminy Iza avy no anaran'izay lehilahy manao io trano io? [Na: (nataony)]
5Himahleh Juda upate tungah a Pathian uh mit a tu a, a thu Daria kianga a hongtuna, huai tungtang laikhaka dawnna a hongkil nawn masiah, amaute a khawlsak kei uhi.
5Nefa ny mason'Andriamaniny nitsinjo ny loholon'ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan'ny teny ho any amin'i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin'izany raharaha izany.
6Laikhak kopi Tattenai, luipi khena ukpipa leh, Setharbozenai leh, a kithuahpih Abharsa mite, luipi khena omten kumpipa Daria a khak ua:
6Ny tenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ho any amin'i Dariosy mpanjaka;
7A kiangah laikhak a khak ua, huaiah hichibanga gelh ahi; Daria kumpipa kiangah, chibaibukna kim.
7eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an'i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be.
8Kumpipan thei hen, Judia bialah ka pai ua, suang thupitea lam, Pathian thupi in ah, kulhbangte singte a kikoiha, hiai nasep thanopna toh a pai jela, a khut uah ma a sawm jel hi.
8Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin'ny tany Joda izahay ho any an-tranon'Andriamanitra lehibe, izay atao amin'ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin'ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
9Huan huai upate thu ka dong ua, hichibangin a kiang uah, Hiai lam ding leh hiai kulhbang zou dingin nou kuan thu a honpiaa? ka chi ua.
9Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io?
10Nang kianga tel mahmah gen thei dingin, aminte uh leng ka dong ua, huchia amau makaipena om mite min ka gelh khiak theihna ding un.
10Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran'ny olona izay lohany;
11Huan hichibangin kou a hondawng uh, Van leh lei Pathian sikhate ka hi ua, hiai kum tampia nakilam sa, Israel kumpipa thupiin a lam leh a zohsa in ka lam uhi.
11ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon'Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin'ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
12Himahleh ka pipute un van Pathian a nasuk heh nung un, amaute Babulon kumpipa Nebukadnezzar, Kaldai mi khut ah a piaa, aman hiai in a hihsiaa, mite Babulon lamah a pimang hi.
12Fa noho ny nampahatezeran'ny razanay an'Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan'i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan'i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
13Himahleh Babulon kumpipa Kura kum khatna kumin, kumpipa Kurain hiai Pathian in lam dingin thupiak a bawl hi.
13Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon'Andriamanitra io.
14Huan dangkaeng leh dangka tuiumbelsuan Pathian ina te leng, Nebukadnezzarin Jerusalema om biakin akipana a lak khiaka, Babulon biakina a lak lutte, huaite kumpipa Kurain Babulon biakin akipan a lakhiaa, mi khat Sesbazzar, ukpipa dia a bawl kiangah huaite a pe khia;
14Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon'Andriamanitra, izay efa nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin'ny tempoly any Babylona, dia nalain'i Kyrosy mpanjaka tao amin'ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin'ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
15Huan aman a kiangah, Hiai tuiumbelsunate la inla, pai inla, Jerusalema om biakin ah koihin, a munah Pathian in am hi hen, a chi a.
15ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin'ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon'Andriamanitra hatsangana eo amin'ilay efa niorenany ihany.
16Huchihlaiin Sesbazzar a honga, Jerusalema om Pathian in suangphumte a koiha: huai hun akipan tutanin lamin a om ngitngeta, hinapiin lah zoh ahi kei hi.Huaijiakin, tuin kumpipan hoih a sak leh, Babulona om, kumpipa laigelhte koihchingna in sung kizong henla, Jerusalema hiai Pathian in lam ding kumpipa Kurain thupiak bawlna hiam a bawl aleh, hiai thu-ah kumpipan a kipahna kou honkhak hen, chiin.
16Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin'izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.
17Huaijiakin, tuin kumpipan hoih a sak leh, Babulona om, kumpipa laigelhte koihchingna in sung kizong henla, Jerusalema hiai Pathian in lam ding kumpipa Kurain thupiak bawlna hiam a bawl aleh, hiai thu-ah kumpipan a kipahna kou honkhak hen, chiin.
17Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.