1Juda Kumpipa Zedekia kum sawmna, huai bel Nebukadnezzar kum sawmlehgiatna Jeremia kianga TOUPA thu hongtung:
1[Ny nividianan'i Jeremia tany ho vavolombelon'ny finoany fa mbola hampodina ny Isiraely] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara.
2Huailaiin Babulon kumpipa sepaih honin Jerusalem a um ua; huan, jawlnei Jeremia Juda kumpipa in ngakmi huang sungah a tang ahi.
2Fa tamin'izany no nanaovan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan'ny trano fiambenana, izay teo amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda.
3Juda kumpipa Zedekiain, Bangdinga, TOUPAN hichiin a chi: Ngaiin, hia khopi Babulon kumpipa khut ah ka pe dinga a la ding:
3Fa Zedekia, mpanjakan'ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;
4Juda kumpipa Zedekia leng Kaldai mite khut akipan a pawt kei ding, Babulon kumpipa khuta matsakin a om zo dinga, kimaituahin a kihoupih ding ua, a mit ngeiin a mela mu ding;
4ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan'ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;
5huan, Zedekia bel Babulon gamah a pi dinga, amah ka veh mateng huailaiah a om nilouh ding: Kaldaite dou mahle uchin na lohching kei ding uh, chih TOUPA thu pawt ahi, chih gen na hia? Chiin a tangsak ahi.
5ary ho any Babylona no hitondrana an'i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin'ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.
6Huan, Jeremiain, TOUPA thu ka kiangah a hongtunga:
6Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
7Ngaiin, na pangak Shallum tapa Hanamel Anathoth Khuaa ka lou nanga dingin leiin: goukhawm thei na hih jiakin non leisak ding ahi, chiin na kiangah ka hongpai ding, chiin
7Indro Hanamela, zanak'i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.
8Huchiin ka pangak tapa hanamel Anathoth khuaa ka lou honleisak tanla, goukhawm thei na hih jiakin na tat ding ahi, nanga dingin lei maiin, a chi a. Huchiin hiai TOUPA thu ahi chih ka theitaa.
8Ary Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan'ny trano fiambenana araka ny tenin'i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin'ny tanin'ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin'i Jehovah izany.
9Huan, ka pangak tapa Hanamel Anathoth khuaa lou ka leitaa, dangka ka buksaka, a dangkasik shekel sawmsagih tak ahi.
9Ary novidiko tamin'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin'ny folo.
10Huan, lai ka gelha, ka hilha, theihpihmi ka sama, dangka pen bukna ah ka khaia.
10Ary nosoratako tamin'ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin'ny mizana ny vola.
11Huan, kileina lai kilei dan leh a omdan gelhna bilh leh bilh louhte ka laa.
11Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa;
12Huan, ka pangak tapa Hanamel mitmuhin leh theihpihmi leinaa min tuang teite mitmuhin leh ngakmi huang sunga Juda tu tengteng maah Mahseia tapa Nera tapa Beruk ka piaa.
12dia natolotro an'i Baroka, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, teo imason'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, sy teo anatrehan'ny vavolombelona izay nanao sonia tamin'ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia teo anatrehan'ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan'ny trano fiambenana.
13Huan Baruk bel a ma uah thu ka piaa, Israel Pathian sepaihte TOUPAN hichiin a chi:
13Ary nandidy an'i Baroka teo anatrehan'ireo aho nanao hoe:
14Hiai lai, leina lai, bilh louhte la inla, leibel ah koih inla, a om sawt theihna dingin,
14Izao no lazain'i Jenovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin'ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin'ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.
15Israel Pathian sepaihte TOUPAN hichiin a chi ngala: hiai gamah inte, loute, grep huante miten a honlei nawn ding uh, chiin.
15Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin'ity tany ity.
16Huan, Neria tapa Baruk kiangah leina lai ka piak nungin TOUPA kiangah ka thuma,
16Ary rehefa voatolotra an'i Baroka, zanak'i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia nivavaka tamin'i Jehovah aho hoe:
17Aw TOUPA PATHIAN, ngaiin, na thilhihtheihna thupi leh na khut jakin lei leh van na bawltaa;
17Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
18Nanga din thilhih haksa lua a im het kei hi: sang tampite kiang a hehpihna musak sekpa leh pate thulimlouhna a nung ua a tate un tunga thukpa: Pathian thipi leh thilhihthei: a min sepaihte TOUPA:
18Mamindra fo amin'ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany,
19Thilgel siam tak, thilhihthei tak, mihing tate imdan tengteng mu chianpa:
19lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany,
20Mi chiha omdan u leh a thilhih uh bangbanga thukpa: Aigupta gama chiamtehnate leh thillamdang hihpa, tuni tana Israel leh midang laka hih toujelpa, tuni tana Israel leh midang laka hih toujelapa, tuni bang mahmah min kibalpa,
20dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao.
21Na mi Israelte, Aigupta gam akipan chiamtehnate, thil lamdangte, khut hat leh ban zak leh thil mulkimhuai thupi taka pipa,
21Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Hianao tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe,
22Hiai khuaiju leh nawituia luang gam a pipute uh kianga kichiama piak chiama pepa:
22ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin'ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely.
23A honglut ua, a luah vek ua, himahleh na paukam a taksang kei ua, na dan lah a zui sam kei uh; hih dinga na piak himhim a hih kei ua, huaijiakin hiai thil hoihlou tengteng a tunguah na tungsak hi.
23Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin'izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
24En dih, khopi lakna ding lei vupte a hongomta ve: namsau te, kial te, hipi te jiakin khopi leng a simmi Kaldaite khut ah piak a hita: na gensa a hontungta: endih, na muta hi.
24Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin'ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan'ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan'ny masonao izany.
25Ahia lah, Aw TOUPA PATHIAN, nang ka kiangah, Lou dangkain leiin la, thutheimite samin: khopi bel Kaldaite khuta piak a hita, na chi, a chi a.
25Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana aza ny tanàna.
26Huan TOUPA thu Jeremia kiangah a hongtunga,
26Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
27Ngai in, kei TOUPA sa nei tengteng Pathian ka hi, kei dingin haksa lua a om ahia? Chiin.
27Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
28Huaijiakin TOUPAN hichiin a chi: Ngaiin hiai khopi Kaldaite khut ah leh Babulon kumpipa Nebukadnezzar khut ah ka pe dinga, a la ding:
28Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ka ho afany.
29Huan, hiai khopi simmi Kaldaite a hongpai ding ua, hiai khopi a hal ding ua, a kang ding, honhehsak dinga Baal kianga gimlim latna, pathian dangte kianga dawnding lat butkhiakna intuing nei in tengteng toh.
29Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin'ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an'andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.
30Israel tate leh Juda taten a tuailai chik ua kipanin ka mitmuhin thil hoihlou ngen a hih ngal ua: Israel taten a khut nasepte uh a honhehsak phet uhi, chih TOUPA thu pawt ahi.
30Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak'Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin'ny asan'ny tànany, hoy Jehovah.
31Hiaia khopi alam tung ua kipan tutanin honhehsaktu leh honthangpaisaktu ahi nilouh ngala: ka maa kipana ka hihman vengveng na dingin: Israel tate leh Juda tate honhehsak dinga a thil hoihlou hih sate uh tengteng jiakin,
31Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin'ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,
32Amau, a kumpipate uh, a heutute uh, a siampute uh, a jawlneite uh, Juda mite Jerusalem luahmite tengteng toh.
32noho ny ratsy rehetra nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin'ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.
33Kei lam hongnga louin a dek sah uh a honngat ua, tawlnga lou hialin sinsakta mah leng, sinsakna lasawn dingin a ngeingaih ngal kei uh.
33Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy - eny, nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.
34Ka min tuanna in hinthanghuai dingin a kihhuainate uh a koih jaw uhi.
34Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;
35Huan, Ben-Hinnom guama Baal biakna mun sangte a lamkhia ua, a tanute uh, a tapate uh Molek kianga meia a paihna ding un, Judate thil gilou hihsak dinga hiai kihhuai a hih uh ka thupiak ahi het kei hi, ka lungsim ah leng a lut ngeikei hi.
35ary nanorina ny fitoerana avon'i Bala, izay ao amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izy mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
36Huaijiakin tuin jaw TOUPA Israel Pathianin, hiai khopi, namsau te, kial te, hipitein Babulon kumpipa khut ah piak ahita na chih nak uh, thuah hichiin ahi:
36Koa noho izany dia izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:
37Ngai dih, ka hehna te, ka lunghihlouhna te, ka thangpaihna thupi mahmah tea amau ka delh manna gam tengteng akipan ka pi khawm dinga, hiai mun ah ka hontun dinga, bittak in ka omsak ta ding.
37Indro izy hangoniko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin'ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin'ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;
38Huan, ka mite ahi ding ua, kei a Pathian uh ka hi ding.
38ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
39Khantawna a honlau den theihna ding un lungtang kibang leh omdan kibang ka bawlsak ding: amau leh a nung ua a tate uh hoihna dingin.
39Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;
40Huan, a kiang uah khantawn thukhun ka bawl dinga, amau lehngatsan louin, a honlauna ka hih gige ding; a hontuam san louhna ding un a lengtangte uah honlauna uh ka koih ding.
40dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin'ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.
41Ahi, a hoihna uh hih ka kipahlam ahi dinga, ka lingtang tengtengin hiai gamah ka phut ngeingei ding.
41Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin'ity tany ity tokoa amin'ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.
42TOUPAN hichiin a chi ahi: Hiai mite tunga thil hoihlou thupi mahmah ka tut bang takin amau kianga thil hoih ka chiam tengtengte ka tungsak ngeingei ding.
42Fa izao no lazain'i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin'ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.[Heb. nolazaiko]
43Gam segawp, Kaldaite khuta piaksa, mi leh sa om nawn lou, na chih gam uah loute a kilei nawn ding uhi.Benjamin gamahte, Jerusalem khopi kim mun ahte, Juda gam khopi ahte leh sim lam khopi ahte miten dangkam loua lei ding ua, leina lai a gelh ding ua, a bilh ding ua, theihpihmite a sam ding uhi: a omdan uh ka hei sin ngala, chih TOUPA thu pawt ahi.
43Ary mbola hisy fividianana saha eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana.Eny, saha no hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda sy amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna ny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin'ny tanàna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy Jehovah.[Heb. Sefela]
44Benjamin gamahte, Jerusalem khopi kim mun ahte, Juda gam khopi ahte leh sim lam khopi ahte miten dangkam loua lei ding ua, leina lai a gelh ding ua, a bilh ding ua, theihpihmite a sam ding uhi: a omdan uh ka hei sin ngala, chih TOUPA thu pawt ahi.
44Eny, saha no hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda sy amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna ny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin'ny tanàna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy Jehovah.[Heb. Sefela]