Paite

Malagasy

Numbers

1

1Aigupta gam akipan a hongpawt uh kum nih kum, kha nihna, ni khat niin Sinai gamdai ah kihoupihna puanin ah TOUPAN Mosi a houpiha,
1[Ny nandaminana ny firenen'Isiraely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:
2Israel saunte a omkhawm tengteng, a chi chiin, a inkuankuanin, a min uh kizomdan bangjelin pasal tengteng sim vekin;
2Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,
3Kum sawmnih akipan tunglam Israel laka galkap thei chiang peuhmah nang leh Aronin a pawlpawlin na sim vek ding uhi.
3dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.
4Huan, na kiangah nam chih laka khat, inkuana lupen jel a om ding uh ahi.
4Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
5Huan, hiaite na kianga om dingte min ahi: Reuben nama Sedeur tapa Elizur,
5Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;
6Simeon nama Zurisaddai tapa Selumiel.
6ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;
7Juda nama Amminadab tapa Nahson.
7ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;
8Isakar nama Zuar tapa Nethanel.
8ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;
9Zebulun nama Helon tapa Eliab.
9ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;
10Joseph tate, Ephraim nama Ammihud tapa Elisama: Manasseh nama Pedahzur tapa Gamaliel.
10ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;
11Benjamin nama Gideoni tapa Abidan.
11ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;
12Dan nama Ammisaddai tapa Ahiezer.
12ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;
13Aser nama Okran tapa Pagiel.
13ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana;
14Gad nama Deuel tapa Eliasaph.
14ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;
15Naphtali nama Enan tapa Ahira.
15ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.
16Hiaite mipite tel, a pi leh pute uh nama lupen Israel inkuana lupente ahi uh, chiin.
16Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.
17Huchiin Mosi leh Aronin huai mi a min uh a lohte uh a pi ua:
17Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,
18Mipi tengteng kha nihna, ni khat niin a sam khawm vek ua; a chichiin, a inkuan kuanin, a min uh kizomdan bangjelin kum sawmnih akipan tunglam teng a pipute uh min a taklang uhi.
18dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
19TOUPAN Mosi thu a piak bangin Sinai gamdai ah a simta hi.
19Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.
20Israel tapa upapen, Reuben tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh kizomdan bangjelin pasal kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei teng a sim ua;
20Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
21Reuben nam, a simte uh sing li leh sang guk leh za nga ahi uhi.
21izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.
22Simeon tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh kizomdan bangjelin pasal kum sawmnih akipan tunglam galkap thei teng a sim ua;
22Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika
23Simeon nam, a simte uh sing nga leh sang kua leh za thum ahi uh.
23izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.
24Gad tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh kizomdan bangjelin pasal kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei teng a sim ua;
24Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
25Gad nama, a simte uh sing li leh sang nga leh za guk leh sawmnga ahi uh.
25izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.
26Juda tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh kizomdan bangjelin kum sawmnih akipan tunglam, galkap thie teng a sim ua;
26Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
27Juda nama, a simte uh sing sagih leh sang li leh za guk ahi uh.
27izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
28Isakar tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh kizom dan bang jelin kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei teng a sim ua;
28Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
29Isakar nama, a simte uh sing nga leh sang li leh za li ahi uh.
29izay voalamina avy tamin'ny firenen'Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.
30Zebulun tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh kizom dan bang jelin kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei teng a sim ua;
30Ary tamin'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
31Zebulun nama, a simte uh sing nga leh sang sagih leh za li ahi uh.
31izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.
32Joseph tate laka Ephraim tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh tamdan bang jelin kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei teng a sim ua;
32Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
33Ephraim nama, a simte uh sing li leh za nga ahi uh.
33izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Efraima dia diman-jato amby efatra alina;
34Manase tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh tamdan bang jelin kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei teng a sim ua;
34ary tamin'ny taranak'i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
35Manase nama, a simte uh, sing thum leh sang nih leh za nih ahi uh.
35izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
36Benjamin tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh tamdan bang jelin kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei teng a sim ua;
36Ary tamin'ny taranak'i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
37Benjamin nama, a simte uh, sing thum leh sang nga leh za li ahi uh.
37izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
38Dan tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh tamdan bang jelin kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei teng a sim ua;
38Ary tamin'ny taranak'i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
39Dan nama, a simte uh, sing guk leh sang nih leh za sagih ahi uh.
39izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.
40Aser tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh tamdan bang jelin kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei teng a sim ua;
40Ary tamin'ny taranak'i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika
41Aser nama, a simte uh, sing li leh sang khat leh za nga ahi uh.
41izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina.
42Naphtali tate suante a chichiin, a inkuankuanin, a min uh tamdan bang jelin kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei teng a sim ua;
42Ary tamin'ny taranak'i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
43Naphtali nama, a simte uh, sing nga leh sang thum leh za li ahi uh.
43izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
44Huaite ahi uh, Mosi leh Aronin Israel lupen sawm leh nih, inkuana lupente toh a simte.
44Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
45Huchiin Israel suan a inkuankuan ua kum sawmnih akipan tunglam, galkap thei chiang teng, Israel gamate sim ahi uh;
45Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,
46A simte teng uh nuai guk leh sang thum leh za nga leh sawmnga ahi uh.
46dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
47Levite pipute jaw a simtel kei uh.
47[Ny amin'ny raharahan'ny Levita] Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.
48TOUPAN Mosi a houpiha,
48Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
49Levi chi jaw na simtel ding ahi keia, Israel mite lakah na simtel ding ahi sam kei:
49Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely;
50Levite jaw theihsakna biakbuk kemmite leh van tengteng kemmite dia seh jawk ding ahi: biakbuka van tengteng a zong jel ding ua, a kem ding ua, tua biakbuk a kimvelin a omkhum ding uh.
50fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
51Huan, biakbuk malama a pai chiangin Leviten a phel ding ua; huan, biakbuk kaih ding chiangin Levite mahin a kai nawn ding uh; nam dang a hongkigolh peuhmah hihlup ding ahi.
51Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
52Huan, Israel suanten amau mun chiat ah, a pawlpawlin a tamdan uh dungjui jelin a puaninte uh a kai ding uh.
52Dia hitoby ny Zanak'Isiraely, samy eo amin'ny tobiny avy, ary samy eo amin'ny fanevany ary, araka ny antokony.
53Leviten Israel suante khawmpi tunga hehna a omlouhna dingin theihsakna biakbuk kimvelah a akai ding uhi; Leviten theihsakna biakbuk a kep ding uh ahi, chia thu a nagentak jiakin,Huchibangin Israel suanten ahih uh; TOUPAN Mosi thu a piak tengteng bangin, huchibangin a hih uh.
53Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin'ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin'ny Vavolombelona.Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.
54Huchibangin Israel suanten ahih uh; TOUPAN Mosi thu a piak tengteng bangin, huchibangin a hih uh.
54Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.