1Huan, Jeriko zawn Jordan gei, Moab phai ah TOUPA'N Mosi a houpih a,
1[Ny hanomezana tanàna ho an'ny Levita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
2Israel suante thupia inla, a gam uah Levite omna ding khuate bawlsak uhen; huan, a gante uh tatna ding in kho dainawl kim khawng Levite na piak ding ahi.
2Mandidia ny Zanak'Isiraely mba hanome tanàna ao amin'ny zara-taniny avy honenan'ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
3Khuate a omna ding uh ahi ding a, a kimte khawng bel bawng leh a gante uh, a gan vulh tengteng uh a ding ahi ding.
3Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra.
4Huan, dainawl Levite na piak ding kho kulh a kipan tong sangkhat a sau ahi ding ahi.
4Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny tanàna ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.
5Huan, kulh polam a kipan in na teh ding a, suah lam pang ah tong sangnih, mal lam pang ah tong sangnih, khua lai tak a om in. Hiai amau dainawl tuam ahi ding.
5Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna ianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
6Huan, Levite na piak ding khuate tualthatte taina ding kihumbitna khopi guk ahi ding a; huaite lou kho sawmli leh kho nih na piak lai ding ahi.
6Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran'izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
7Levite na piak ding khua tengteng kho sawmli leh kho giat ahi ding: dainawl toh na piak ding ahi.
7Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin'ny tany manodidina azy.
8Israel suante luah khua na piakdan ding, a tam deuh a kipan in pe tam ding a, a tawm deuh a kipan in na pe tawm ding a, michih in a luah uh gam tamdan dungzui a khua Levite a piak ding ahi, chi in
8Ary ny amin'ny tanàna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
9Huan, TOUPA'N Mosi a houpih a,
9[Ny hifidianana tanàna handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10Israel suante houpih inla, a kiang uah,
10Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka tonga any amin'ny tany Kanana,
11Jordan lui na galkah ua Kanan gam na lut chiang un kihumbitna khua ding khua na seh ding uh ahi, tualthat kha mi taina ding in.
11dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy.
12Huai khuate phula mi a kipan na kihumbitna khua uh ahi ding; omkhawmte ma a vaihawm sak ding a a din ma a tualthatmi a sih louhna ding in.
12Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.
13Huchi in, nou a ding a kihumbitna ding na sehte uh khopi guk ahi ding.
13Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
14Jordan galah khopi thum na sep ding ua, Kanan gamah khopi thum na sep ding ua, kihumbitna khopite ahi ding uh.
14Ny tanàna telo dia homenareo etỳ an-dafin'i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin'ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
15Israel suante leh nam dang leh a kiang ua tengte di'n hiai khopi guk kihumbitna ahi ding; huai lai ah kuapeuh mi that kha a tai ding uhi.
15Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
16Himahleh sik zang a mi a sual a, a sih leh tualthat ahi a: tualthat bel hihlup ngeingei ding ahi.
16Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
17Huan, si khop a suang a mi a den a a sih leh tualthat ahi a, tualthat bel hihlup ngeingei ding ahi.
17Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
18Huan, si khop a mi sing a a sat a, a sih leh tualthat ahi a, tualthat bel hihlup ngeingei ding ahi.
18Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
19Sisan phula mi'n tualthat mi a that pah mai ding: a muh peuh chiang in a hihlum ding ahi.
19Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
20Huan, mi a huat ziak a a sawm ek hiam, na guk tan a a den hiam a a sih in hiam,
20Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin'ny fanotrehana, ka mahafaty,
21Kiselna ziak a tuplup hiam a hihleh, a hihlum mi pen hihlup ngei ding ahi.
21na mamely amin'ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
22A hihhang in kisel ziak hi khol lou a sawm guih hiam, huan, tang hi khol lou a, mi a om uh chih leng theilou a,
22Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin'inona na amin'inona, nefa tsy amin'ny fanotrehana,
23A melma leng hi lou a, a poikhoih tum leng hi tuan lou a suang hiam a den a, mi a na sih a, a hih leh:
23na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,
24Omkhawmte'n hiai vaihawmna dan bang in a hihlum mi leh sisan phula mi vai a hawm sak ding uh ahi:
24dia hotsarain'ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany.
25Huan, omkhawmte'n tualthat mi sisan phula mi lak a kipan a honkhe ding ua, omkhawmte'n a taina, kihumbitna khua ah a omsak nawn ding ua, sathau siangthou nilh siampu lian a sih mateng huailai ah a om ding hi.
25Ary hovonjen'ny fiangonana ho afaka amin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.
26Himahleh chiklai peuh in tualthat mi a tai na, a kihumbitna kho gamgi po lam a pai a;
26Fa raha mivoaka ho eo ivelan'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra ilay nahafaty olona
27Sisan phula mi in a kihumbitna kho po lam a a muh a sisan phula mi in a thah leh sisan ah moh a tang kei ding;
27ka hitan'ny mpamaly rà eo ivelan'ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà amin'izany,
28Siampu lian a sih mateng a kihumbitna khua om gige ding a hihziak in; siampu a sih nung in bel tualthat mi a omna gam a pai nawn ding ahi.
28satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin'ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
29Hiai thilte na suante uh tan a na omna peuh ua na vaihawm dan ding uh ahi.
29Ary izany zavatra izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby eny amin'izay rehetra onenanareo.
30Kuapeuh in mi a thah leh tualthat mi pen theihpihte kam a kipan thupawt a hihlup ding ahi: himahleh theihpih khat zaw mi hihlupna ding in a hun kei.
30Ny amin'izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
31Huan, tualthat mi zaw na tat ding uh ahi kei, sihna khop dia moh ahi a, hihlup ngei ding ahi zaw.
31Ary ianareo tsy handray avotry ny ain'ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.
32Huan, siampu sih ma in, a kihumbitna khua a tai, a gam a om nawn ding a tatna na lak ding uh ahi kei.
32Ary ianareo tsy handray avotra ho an'izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin'ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
33Huchi in na omna gam uh na hih thanghuai kei ding ua, sisan in gam a hih thanghuai leh sisan suahna gam hih thanghuai silna di'n a suahmi sisan kia lou lah zat theih ahi ngal kei a.Na omna gam uh, ka omna na hih thanghuai ding uh ahi kei; kei TOUPA lah Israel suante lak ah ka om ngal a, chi in, chi in.
33Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin'ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin'ny ran'izay nandatsaka azy ihany.Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely.
34Na omna gam uh, ka omna na hih thanghuai ding uh ahi kei; kei TOUPA lah Israel suante lak ah ka om ngal a, chi in, chi in.
34Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely.