1Saron pak ka hia, phaijang lilipak.
1Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany sy lilia eny an-dohasaha.[Na: any Sarôna]
2Ling laka lili pak bangin, huchibangin tanute lakah ka it a om hi.
2Toy ny lilia eo amin'ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin'ny zazavavy.
3Gamlak singte laka apul kung bangin, huchibangin tapate lakah ka ngaihnou a om hi. Nakpia kipahna toh a lim nuaiah ka tua, a gah tuh ka chepin a khum hi.
3Toy ny hazo poma amin'ny hazo any an'ala, dia toy izany ny malalako eo amin'ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin'ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
4Annek khawmna inah a honpia, ka tunga a puanlap itna ahi.
4Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
5Grepgimin honkhou unla, apul theiin honnem un: jawlngaiin ka chi a na ngala.
5Hatanjaho amin'ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin'ny poma aho, fa mararim-pitia.
6A khut veilam ka lu nuaiah a om, a khut taklamin a honpom.
6Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
7Zuktal leh gama zukpite ka hon ngen hi, Aw Jerusalem tanute, ka it hihbuai kei unla, phawng kei un, a lungkim matan.
7Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
8Ka ngaihnou aw! ngai un, a hong hi, mual tungahte a tawma, tang tungahte a diang hi.
8[Tenin'ny ampakarina, raha nitoetra irery izy] Injay, ny feon'ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin'ny havoana.
9Ka ngaihnou jaw zuktal hiam sakhi tuaiilai bang ahi: Ngaiin, ka kulhbang nung lam uah a dinga, tohlette ah a ena, a nannate ah amah a kimu sak.
9Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin'ny makarakara.[Anaram-biby haingan-tongotra][Heb. ivelan'ny rindrinay]
10Ka ngaihnouin thu a gena, ka kiangah Thou in, ka it, ka kilawmnou, hongpai mangin, a chi a.
10Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
11Ngaiin, phalbi lah a beita ngala, vuah a theutaa, a paimang ta hi;
11Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
12Lei tungah pakte hongkilanga; vasate lasak hun a hongtunga, i gam uah khumin aw a kizata hi;
12Miposaka eo amin'ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin'ny tanintsika ny feon'ny domohina.
13Theipi kungin a gah hingte a min saka, grepguite a pak lun uh, a gimlimte uh a suaksak uhi. Thou ve, ka it, ka kilawmnou hongpai mangin.
13Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary![aviavimbazaha]
14Suangpi heng khawng, mun sang munbu khawnga om, Aw ka vakhu, na mel honmusak inla, na aw lah a khm a, na mel lah a hoih ngala.
14E, ry voromailalako ao amin'ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin'ny fialokalofana amin'ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
15Sehalte, grephuan hihsia, sehal neute honmatsak ve; ka grephuan uh lah a paklun ngala.
15Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
16Ka ngaihnou kei ahi, kei amah a ka hi: lili pak lakah a gan a vaka.Ni a nongnema, limliapte a man matan, ka ngaihnou aw, kihei inla Bether mual tunga zuktal hiam sakhi tuailai bangin omin.
16Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin'ny lilia.Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao. [Heb. mandositra ny aloka][Anaram-biby haingan-tongotra][Na: tendrombohitra manelanelana]
17Ni a nongnema, limliapte a man matan, ka ngaihnou aw, kihei inla Bether mual tunga zuktal hiam sakhi tuailai bangin omin.
17Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao. [Heb. mandositra ny aloka][Anaram-biby haingan-tongotra][Na: tendrombohitra manelanelana]