1[Ny amin'ny tokony ho toetry ny mpanjaka] Ny tenin'i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.[Na: Ny teny ho an'][Na: Lemoela, mpanjakan'i Masa, dia ilay]
2Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
3Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an'izay manimba mpanjaka.[Heb. lalanao][Na: izay zavatra]
4Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
5Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
6Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy;
7Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
8Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty ny rariny;
9Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
10[Fankalazana ny vehivavy izay sady tsara no mazoto] Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. [Na: mahay][Na: perla]
11Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
12Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany.
13Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany.
14Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny.
15Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny.
16Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
17Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
18Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
19Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
20Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra.
21Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa.
22Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
23Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona.
24Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto.[Heb. Kananita]
25Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
26Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany.
27Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana.
28Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
29Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.[Na: nahavory harena]
30Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.
31Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.