Romani: New Testament

Malagasy

Psalms

114

1[Ny horohoron'ny tany aman-danitra tamin'ny nanavotan'Andriamanitra ny olony tany Egypta] Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak'i Jakoba avy tany amin'ny firenena hafa fiteny,
2Joda no fitoerany masina, Isiraely no fanjakany.
3Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.
4Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
5Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao?
6Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak'ondry?
7Mihorohoroa eo anatrehan'ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.
8Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.