Romani: New Testament

Malagasy

Psalms

122

1[Fifaliana ny amin'i Jerosalema sy fangatahan-tsoa ho azy] Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2Ny tongotray efa mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
3Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
4Any no iakaran'ny firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran'i Jehovah.
5Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.
6Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
7Fiadanana anie ho ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao
8Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.
9Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.