1[Fisaorana an'Andriamanitra noho ny nanafahany ny mpanompony saiky tra-doza] Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
3Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
4Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
5Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
6Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.
7Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
8Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.