Romani: New Testament

Malagasy

Psalms

128

1[Ny hatsaran'ny tokan-tranon'ny olona matahotra an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
3Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.
4Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.
5Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
6Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.