Romani: New Testament

Malagasy

Psalms

130

1[Fitarainana ataon'izay latsaka amin'ny fahoriana lalina] Fihirana fiakarana. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô, [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.
3Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
4Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
5Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
6Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina.
7Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.
8Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.