Romani: New Testament

Malagasy

Psalms

3

1[Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony] Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
2Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.
3Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
4Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.
5Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.
6Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
7Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao]
8An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao]