Romani: New Testament

Malagasy

Psalms

67

1[Fanirian'ny olo-marina mba hanaiky an'Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
2Mba ho fantatra etỳ ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.
3Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
4Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao;
5Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
6Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
7Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.