Slovenian

Malagasy

1 Chronicles

14

1In Hiram, kralj v Tiru, je poslal poslance k Davidu in cedrovega lesa in zidarje in tesarje, da mu zgrade hišo.
1[Ny lapa nataon'i Davida, sy ny anaran'ny zanany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
2In David je zaznal, da ga je GOSPOD potrdil za kralja nad Izraelom, kajti kraljestvo njegovo je bilo visoko povišano zaradi ljudstva njegovega Izraela.
2Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
3In David si je vzel še več žen v Jeruzalemu; in David je rodil še več sinov in hčer.
3Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
4In ta so imena otrok, ki jih je imel v Jeruzalemu: Samua, Sobab, Natan in Salomon,
4Ary izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
5Ibhar, Elisua, Elpelet,
5sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
6Noga, Nefeg, Jafija,
6sy Noga sy Nafega sy Jafia
7Elisama, Beeliada in Elifelet.
7sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
8Ko so pa Filistejci slišali, da je bil David pomaziljen za kralja nad vsem Izraelom, pridejo vsi Filistejci gori iskat Davida. In ko je David zvedel za to, jim je šel naproti.
8[Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
9Filistejci so pa prišli in se razgrnili po dolini Refaimov.
9Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
10In David je vprašal Boga, rekoč: Ali naj grem gori zoper Filistejce? In mi jih li hočeš dati v roko? In GOSPOD mu veli: Pojdi gori, kajti dam ti jih v roko!
10Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
11Oni pa so prišli v Baalperazim, in David jih porazi ondi. In David reče: GOSPOD je raztrgal sovražnike moje po moji roki, kakor vode pretrgajo jez. Zato so dali ime tistemu kraju Baalperazim.
11Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]
12Popustili so pa svoje bogove tamkaj. In David ukaže, in sežgali so jih v ognju.
12Dia nilaozan'ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo.
13In Filistejci so zopet pridrli in se razgrnili po dolini.
13Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
14David pa zopet vpraša Boga, in Bog mu reče: Ne hodi gori za njimi, kreni od njih in pojdi nadnje od strani murvovih dreves.
14Dia nanontany tamin'Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
15In ko začuješ šumenje iz vrhov murvovih dreves, kakor da prihaja vojska, tedaj pojdi ven v boj: zakaj Bog gre pred teboj, da udari vojsko Filistejcev.
15Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny Filistina.
16In David je storil, kakor mu je bil zapovedal Bog, in pobijali so vojsko Filistejcev od Gibeona do Gezerja.In Davidovo ime se je razglasilo po vseh deželah, in GOSPOD je spravil v strah pred njim vse narode
16Ary dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.
17In Davidovo ime se je razglasilo po vseh deželah, in GOSPOD je spravil v strah pred njim vse narode
17Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.