Slovenian

Malagasy

1 Chronicles

21

1In Satan se je vzdignil zoper Izraela in izpodbodel Davida, da naj sešteje Izraela.
1[Ny nanisana ny vahoaka, sy ny aretina nanjo ny olona noho izany, ary ny fifonana nataon'i Davida] Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin'ny Isiraely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny Isiraely.
2In David veli Joabu in poglavarjem ljudstva: Pojdite, seštejte Izraelce od Bersebe do Dana, in prinesite mi poročilo, da vem njih število!
2Dia hoy Davida tamin'i Joaba sy tamin'ireo lehiben'ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
3In Joab reče: GOSPOD pridaj k ljudstvu svojemu stokrat toliko, kolikor jih je! Ali, GOSPOD moj, kralj, niso li vsi GOSPODA mojega hlapci? Čemu zahteva to gospod moj? Zakaj se naj to šteje v pregreho Izraelu?
3Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon'ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan'ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
4Vendar pa je obveljala beseda kraljeva zoper Joaba. Zatorej odide Joab in prehodi vse Izraelovo in se vrne v Jeruzalem.
4Nefa tsy azon'i Joaba nolavina ny tenin'ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.
5In dal je Joab število preštetega ljudstva Davidu; in bilo je vsega Izraela tisočkrat tisoč in sto tisoč mož, ki so izdirali meč; iz Jude pa štiristo in sedemdeset tisoč mož, ki so izdirali meč.
5Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.
6A Levija in Benjamina ni štel ž njimi vred, kajti beseda kraljeva se je mrzila Joabu.
6Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin'i Joaba ny tenin'ny mpanjaka.
7To povelje pa se je hudo videlo v očeh Božjih, in udaril je Izraela.
7Ary tsy sitrak'Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
8In David reče Bogu: Hudo sem grešil, da sem storil to; a sedaj, prosim, odpravi krivico hlapca svojega, kajti ravnal sem zelo nespametno!
8Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
9In GOSPOD je govoril Gadu, Davidovemu vidcu, rekoč:
9Ary hoy Jehovah tamin'i Gada mpahitan'i Davida:
10Pojdi in govóri Davidu in reci: Tako pravi GOSPOD: Troje ti ponujam, izberi si eno, da naj ti storim.
10Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
11Pride torej Gad k Davidu in mu reče: Tako pravi GOSPOD: Izberi si:
11Ary Gada nankany amin'i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Mifidia:
12bodisi tri leta lakote, ali da tri mesece bežiš pred nasprotniki svojimi, ko te dohiteva meč sovražnikov tvojih, ali pa tri dni meč GOSPODOV in kugo v deželi in angela GOSPODOVEGA, ki bo pogubljal po vseh mejah Izraelovih. Sedaj pa premisli, kakšen odgovor naj dam njemu, ki me je poslal.
12Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan'ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr'i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin'i Jehovah handringana eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin'Izay naniraka ahy.
13In David reče Gadu: V stiski sem veliki! Rajši padem, prosim, v roko GOSPODOVO, kajti veliko je usmiljenje njegovo; le nikar naj ne padem v roko človeško!
13Ary hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.
14Poslal je torej GOSPOD kugo nad Izraela, in pomrlo je iz Izraela sedemdeset tisoč mož.
14Dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.
15In Bog pošlje angela proti Jeruzalemu, da ga pogubi; in ko je pogubljal, je pogledal GOSPOD in žal mu je bilo hudega; in veli angelu, ki je pokončeval: Dosti je, odtegni zdaj roko svojo! In angel GOSPODOV je stal pri gumnu Ornana Jebusejca.
15Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anilan'ny famoloan'i Araona Jebosita.
16David pa povzdigne oči in vidi angela GOSPODOVEGA stoječega med zemljo in nebom in v roki njegovi potegnjen meč, naperjen proti Jeruzalemu. Tedaj padejo David in starejšine, oblečeni v raševino, na obraze svoje.
16Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an'i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon'ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.[Heb. lamba malailay]
17In David reče Bogu: Nisem li jaz velel, naj se sešteje ljudstvo? Jaz sem tisti, ki sem grešil in zelo krivično ravnal, te ovce pa, kaj so storili? Roka tvoja, prosim, o GOSPOD, Bog moj, bodi zoper mene in zoper očeta mojega hišo, nikar zoper tvoje ljudstvo, da ga tepe!
17Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin'ny areti-mandringana.
18Tedaj zapove angel GOSPODOV Gadu, da veli Davidu, naj gre gori in zgradi oltar GOSPODU na gumnu Ornana Jebusejca.
18Ary Gada nasain'Ilay Anjelin'i Jehovah hilaza amin'i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
19In David je šel gori po besedi Gadovi, ki jo je govoril v imenu GOSPODOVEM.
19Koa dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, izay nolazainy tamin'ny anaran'i Jehovah.
20Ornan pa se ozre in zagleda angela, in štirje sinovi njegovi, ki so bili pri njem, se skrijejo; Ornan je namreč mlatil pšenico.
20Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin'izay.
21In ko David pride do Ornana, se ta ozre in zagleda Davida in gre z gumna ter se Davidu prikloni z obrazom do tal.
21Ary nony tonga teo amin'i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida, ary dia niala avy teo amin'ny famoloana izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Davida.
22Tedaj reče David Ornanu: Prepústi mi kraj tega gumna, da na njem zgradim oltar GOSPODU, prepústi mi ga za polno ceno, da bi nehala kuga med ljudstvom.
22Ary hoy Davida tamin'i Araona: Mba omeo ahy amin'izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an'i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
23Ornan pa reče Davidu: Vzemi si ga, in stori naj ž njim gospod moj, kralj, kar se mu dobro vidi; glej, dam ti voli v žgalno daritev in mlatilnice za drva in pšenico v jedilno daritev: vse dam rad.
23Fa hoy Araona tamin'i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.
24A kralj David reče Ornanu: Nikar, ampak res hočem to kupiti od tebe za polno ceno, ker ne vzamem, kar je tvojega, za GOSPODA, in ne bom daroval žgalne daritve brez stroškov.
24Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.
25Dal je torej David Ornanu za tisti kraj šeststo zlatih seklov po teži.
25Dia nomen'i Davida sekely volamena lanjan'enin-jato Araona ho vidin'ny tany.
26In David je zgradil ondi oltar GOSPODU in je daroval žgalne in mirovne daritve in klical GOSPODA; on pa mu je odgovoril iz nebes po ognju na oltarju žgalnih daritev.
26Ary Davida nanorina alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an'i Jehovah izy ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
27In GOSPOD ukaže angelu, in angel vtakne meč zopet v nožnico svojo.
27Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin'ny tranony ny sabany.
28V tistem času, ko je David videl, da mu je GOSPOD odgovoril na gumnu Ornana Jebusejca, je daroval ondi.
28Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.
29Kajti šator GOSPODOV, ki ga je naredil Mojzes v puščavi, in oltar žgalnih daritev, sta bila tisti čas na višavi v Gibeonu.A David ni mogel predenj tja hoditi, da bi iskal Boga, tako je bil prestrašen zaradi meča angela GOSPODOVEGA.
29Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.
30A David ni mogel predenj tja hoditi, da bi iskal Boga, tako je bil prestrašen zaradi meča angela GOSPODOVEGA.
30nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.