1Kar je bilo od začetka, kar smo slišali, kar smo videli na svoje oči, kar smo gledali in so tipale naše roke, o Besedi življenja
1[Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra, ary ny vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana
2(in življenje se je razodelo, in videli smo in pričamo in oznanjujemo vam večno življenje, ki je bilo pri Očetu in se je razodelo nam);
2(fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay), -
3kar smo videli in slišali, oznanjamo vam, da imate tudi vi deleštvo z nami; deleštvo naše pa je z Očetom in Sinom njegovim Jezusom Kristusom.
3izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany.
4In to pišemo, da bode veselje vaše popolno.
4Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. [ Na: fifalianareo]
5In to je oznanilo, ki smo ga slišali od njega in ga vam oznanjamo: da je Bog luč, in teme v njem ni nobene.
5Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
6Ako pravimo, da imamo deleštvo ž njim, pa živimo v temi, lažemo in ne delamo resnice;
6Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
7če pa živimo v luči, kakor je on v luči, imamo deleštvo [Ali: družbo, zvezo.] med seboj in kri Jezusa Kristusa, Sina njegovega, nas očiščuje slehernega greha.
7Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.
8Ako pravimo, da nimamo greha, sami sebe slepimo, in resnice ni v nas.
8Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
9Če pripoznavamo grehe svoje, je zvest in pravičen, da nam odpusti grehe in nas očisti sleherne krivice.Ako pravimo, da nismo grešili, ga delamo za lažnika, in besede njegove ni v nas.
9Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.
10Ako pravimo, da nismo grešili, ga delamo za lažnika, in besede njegove ni v nas.
10Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.