1Tedaj vzame Samuel oljeníco in mu izlije olje na glavo ter ga poljubi in reče: Te li ni GOSPOD pomazilil, da bodi vojvoda dediščini njegovi?
1Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
2Ko pojdeš od mene danes, srečaš dva moža pri Rahelinem grobu, v Benjaminovi pokrajini, ob Zelzahu; in ona ti porečeta: Našle so se oslice, ki si jih šel iskat; in glej, oče tvoj je pustil iz misli oslice in skrbi za vaju, govoreč: Kaj naj počnem za sina svojega?
2Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako?
3In ko pojdeš odondod dalje, prideš k hrastu Taboru, in ondi te srečajo trije možje, gredoči gori k Bogu v Betel: eden nese tri kozliče, drugi tri hlebe kruha, tretji meh vina.
3Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara; [Na: siny hoditra]
4Pa te pozdravijo in ti dado dva hleba kruha, ki ju sprejmi iz njih roke.
4ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany.
5Potem prideš na hrib Božji, kjer stoje straže Filistejcev, in ko stopiš ondi v mesto, srečaš družbo prorokov, gredočih doli z višave, in pred njimi bodo psalmove brenklje in bobnice in piščal in harfa, in bodo prorokovali.
5Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
6In duh GOSPODOV pride z močjo nadte, in prorokoval boš ž njimi, in izpremenjen boš v drugega moža.
6Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.
7In ko se ti dogode ta znamenja, stóri, kar ti pod roko pride, kajti Bog je s teboj.
7Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.
8In pridi pred menoj doli v Gilgal, in glej, pridem tja k tebi, da darujem žgalne in mirovne daritve. Sedem dni počakaj, da pridem k tebi in ti naznanim, kar ti je storiti.
8Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.
9In bilo je, ko je obrnil hrbet in šel od Samuela, da mu je Bog izpremenil srce; in vsa tista znamenja so se dogodila ta dan.
9Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo.
10Kajti ko prideta tja k hribu, glej, družba prorokov ga sreča, in duh Božji pride z močjo nad njega, da je prorokoval med njimi.
10Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
11Ko ga pa vidijo tisti, ki so ga poprej poznali, da prorokuje s proroki, reko vsi drug drugemu: Kaj se je prigodilo sinu Kisovemu? Je li Savel tudi med proroki?
11Ary nony hitan'izay rehetra nahalala azy hatramin'ny taloha fa, indro, maminany eo amin'ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin'ny zanak'i Kisy izao? Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
12In nekdo ondotnih odgovori in reče: In kdo je njih oče? Odtod je prišlo v pregovor: Je li tudi Savel med proroki?
12Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain'ireny? Ary izany no nisehoan'ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?
13In neha prorokovati in pride na višavo.
13Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin'ny fitoerana avo.
14Savlov stric pa reče njemu in njegovemu hlapcu: Kam sta bila šla? Odgovori: Oslice iskat, in ko sva videla, da jih ni, sva šla k Samuelu.
14Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly taminy sy tamin'ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin'i Samoela izahay.
15Nato de Savlov stric: Povej mi, prosim, kaj vama je povedal Samuel?
15Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain'i Samoela taminao.
16Savel odgovori stricu svojemu: Povedal je nama za gotovo, da so se oslice našle. Ali zastran kraljestva, o katerem je govoril Samuel, mu ničesar ne pove.
16Dia hoy Saoly tamin'ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain'i Samoela ny amin'ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.
17Samuel pa skliče ljudstvo h GOSPODU v Micpo,
17Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin'i Jehovah
18in ogovori sinove Izraelove: Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Jaz sem pripeljal Izraela iz Egipta in vas otel iz pesti Egipčanov in iz oblasti vseh kraljestev, ki so vas tlačila.
18ka nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.
19A vi ste danes zavrgli svojega Boga, ki vas je sam rešil iz vseh nesreč in nadlog vaših, in ste mu rekli: Postavi nam kralja! Sedaj pa pristopite pred GOSPODA po rodovih svojih in po tisočih svojih!
19Nefa ianareo kosa efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
20In ko je Samuel velel pristopiti vsem rodovom Izraelovim, je bil zadet rod Benjaminov.
20Dia nampanatona ny firenen'Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no voafidy.
21In veli pristopiti Benjaminovemu rodu po njih rodovinah, in zadeta je bila rodovina Matri, in zadet je bil Savel, sin Kisov. In ga so iskali, pa ga niso našli.
21Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.
22Zato vprašajo GOSPODA še dalje: Pride li še ta mož semkaj? GOSPOD odgovori: Glej, skril se je med prtljago.
22Dia nanontany tamin'i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin'ny entana izy.
23In tečejo tja ter ga pripeljejo. In ko stopi med ljudstvo, je bil za glavo višji nego kdorkoli iz ljudstva.
23Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
24In Samuel reče vsemu ljudstvu: Vidite ga, ki si ga je izvolil GOSPOD? Saj mu ni enakega med vsem ljudstvom! Tedaj zauka vse ljudstvo in reče: Živel kralj!
24Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.
25Nato oznani Samuel ljudstvu pravice kraljestva in jih zapiše v knjigo in jo položi pred GOSPODA. In odpusti Samuel vse ljudstvo, vsakega v hišo njegovo.
25Ary Samoela nilaza tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy.
26Tudi Savel je šel v hišo svojo v Gibei, in ž njim so šli vojščaki, katerih src se je Bog dotaknil.Belijalovi sinovi pa reko: Ta naj bi nam pomagal? In so ga zaničevali, in mu niso prinesli darov. Ali on se je delal, kakor da bi ne bil slišal.
26Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony.Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
27Belijalovi sinovi pa reko: Ta naj bi nam pomagal? In so ga zaničevali, in mu niso prinesli darov. Ali on se je delal, kakor da bi ne bil slišal.
27Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.