Slovenian

Malagasy

1 Samuel

12

1Samuel pa reče vsemu ljudstvu: Glej, poslušal sem glas vaš v vsem, kar ste mi govorili, in postavil sem vam kralja.
1[Ny anatra nataon'i Samoela tamin'ny Isiraely noho ny nangatahany mpanjaka] Ary hoy Samoela tamin'ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin'izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.
2Sedaj pa, glejte, kralj vaš vam hodi na čelu; a jaz sem se postaral in osivel, in glejte, sinova moja sta pri vas; in jaz sem pred vami živel od svoje mladosti do današnjega dne.
2Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
3Glejte, tu sem! Izpričajte zoper mene pred GOSPODOM in pred maziljencem njegovim: komu sem vzel vola? ali komu sem vzel osla? ali sem komu krivico delal ali silo? iz čigave roke sem vzel darilo in si dal zagrniti oči zaradi njega? Vse vam hočem povrniti.
3Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan'i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no nalaiko? na borikin'iza no nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
4Odgovore: Nisi nam storil krivice, ne sile, tudi nisi iz nikogar roke kaj vzel.
4Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan'olona na dia iray akory aza.
5On reče: GOSPOD je priča zoper vas in njegov maziljenec je priča današnji dan, da niste ničesar našli v roki moji. In reko: Priča je!
5Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
6In Samuel reče ljudstvu: GOSPOD je priča, ki je postavil Mojzesa in Arona in ki je peljal očete vaše iz Egiptovske dežele.
6Ary hoy Samoela tamin'ny olona: Jehovah no nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
7Sedaj pa postojte tu; da se z vami pravdam pred GOSPODOM za vsa pravična dela GOSPODOVA, ki jih je storil vam in očetom vašim.
7Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan'i Jehovah aho ny amin'ny asa marina rehetra izay nataon'i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
8Ko je Jakob prišel v Egipt, so vaši očetje vpili h GOSPODU, in GOSPOD je poslal Mojzesa in Arona; ta sta odvedla očete vaše iz Egipta, in dal jim je prebivališče v tem kraju.
8Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin'i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an'i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin'ity tany ity.
9Ali ko so pozabili GOSPODA, Boga svojega, jih je prodal v roko Siseru, poveljniku vojske v Hazorju, in v roko Filistejcem in v roko kralju Moabcev, in bojevali so se zoper nje.
9Nefa raha nanadino an'i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan'i Sisera, komandin'ny miaramilan'i Hazora, sy ho eo an-tànan'ny Filistina ary ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Moaba, ka niadian'ireo izy.
10Oni pa so vpili h GOSPODU in dejali: Grešili smo, ker smo zapustili GOSPODA in smo služili Baalom in Astarotam; sedaj pa nas otmi iz sovražnikov naših roke, in bomo ti služili.
10Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an'i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
11In GOSPOD je poslal Jerub-baala in Bedana in Jefta in Samuela in vas je otel iz roke sovražnikov vaših kroginkrog, in prebivali ste brez skrbi.
11Ary Jehovah efa naniraka an'i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.[Na: (Baraka)]
12Ko pa ste videli, da je pridrl nad vas Nahas, kralj Amonovih sinov, ste mi rekli: Nikar, ampak kralj naj gospoduje nad nami, ko vam je vendar bil kralj GOSPOD, vaš Bog.
12Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan'ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
13Sedaj pa glejte kralja, ki ste si ga izvolili in si ga izprosili; kajti, glejte, GOSPOD je postavil kralja nad vami.
13Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo.
14Ako se boste bali GOSPODA in njemu služili in glas njegov poslušali in se ne boste upirali povelju GOSPODOVEMU, a boste hodili vi in kralj vaš za GOSPODOM, Bogom svojim, blagor vam.
14Enga anie ka hatahotra an'i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
15Ako pa ne boste poslušali glasu GOSPODOVEGA, temuč se boste upirali povelju GOSPODOVEMU, bode roka GOSPODOVA zoper vas, kakor je bila zoper očete vaše.
15Fa raha tsy mihaino ny tenin'i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan'i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
16Sedaj pa postojte tu in glejte to reč veliko, ki jo stori GOSPOD pred vašimi očmi.
16Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon'i Jehovah eto imasonareo izao:
17Ni li zdaj pšenična žetev? Jaz pa hočem klicati GOSPODA, naj spusti grmenje in dež, da spoznate in vidite, kolikšno je zlo, ki ste ga storili pred očmi GOSPODOVIMI, proseč si kralja.
17Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an'i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason'i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
18Nato kliče Samuel h GOSPODU, in GOSPOD pošlje grmenje in dež tisti dan; in vse ljudstvo se je silno balo GOSPODA in Samuela.
18Ary Samoela niantso an'i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela indrindra.
19In vse ljudstvo reče Samuelu: Prosi GOSPODA, Boga svojega, za nas hlapce svoje, da ne umrjemo; zakaj vsem grehom svojim smo pridejali še to zlo, da smo si prosili kralja.
19Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin'i Samoela: Mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrao ho an'ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin'ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
20Samuel pa reče ljudstvu: Ne bojte se! Res ste vse to zlo storili, ali vendar ne odstopite, da ne bi šli za GOSPODOM, ampak služite GOSPODU iz vsega srca.
20Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an'i Jehovah; fa manompoa Azy amin'ny fonareo rehetra.
21Ne odstopite, da bi šli za ničevimi maliki, kajti ne morejo vam koristiti, ne vas rešiti, zakaj ničevosti so.
21Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.
22Zakaj GOSPOD ne zapusti ljudstva svojega zaradi velikega imena svojega, ker je blagovolil GOSPOD vas storiti sebi za ljudstvo.
22Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak'i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
23Tudi jaz – Bog ne daj, da bi se tako pregrešil GOSPODU, da neham moliti za vas, temuč učiti vas hočem dobro in pravo pot.
23Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin'i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
24Bojte se le GOSPODA in v resnici mu služite iz vsega srca svojega, kajti vidite, kakšne velike reči je storil za vas.Ako pa boste vendarle hudo delali, poginete vi in kralj vaš.
24Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
25Ako pa boste vendarle hudo delali, poginete vi in kralj vaš.
25Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.