Slovenian

Malagasy

1 Samuel

24

1In ko se Savel vrne od Filistejcev, mu sporoče, rekoč: Glej, David je v Engedijski puščavi.
1[Ny tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly, na dia azony tao an-johy aza] Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao amin'ny batery fiarovana tany En-jedy.
2Tedaj vzame Savel tri tisoč izbranih mož iz vsega Izraela in odrine iskat Davida po skalah divjih koz.
2Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr'i En-jedy.
3In pride k ovčjim stanom pri poti, in ondi je bila votlina, in Savel stopi vanjo na potrebo. David in možje njegovi pa so sedeli zadaj v votlini.
3Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony tany amin'ny vatolampin'ny osi-dia.
4In možje Davidovi mu reko: Glej, to je dan, o katerem ti je govoril GOSPOD: Glej, jaz ti dam sovražnika tvojega v roko, in storiš mu, kakor se ti bo zdelo prav. Tedaj vstane David in tiho odreže rob Savlovega plašča.
4Ary tonga teo amin'ny valan'ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin'ny zohy.
5Potem pa očita Davidu srce njegovo, ker je odrezal Savlu rob plašča,
5Ary hoy ny olon'i Davida taminy: Izao no andro nolazain'i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin'ny kapôtin'i Saoly.
6in reče možem svojim: GOSPOD me obvaruj, da ne storim te stvari gospodu svojemu, maziljencu GOSPODOVEMU, da bi iztegnil roko zoper njega; kajti on je maziljenec GOSPODOV!
6Nefa nony efa vita izany, dia namely an'i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin'ny kapôtin'i Saoly,
7Tako je David ukrotil može svoje s temi besedami in jim ni dovolil vzdigniti se zoper Savla. In Savel vstane iz votline in gre svojim potom.
7ka hoy izy tamin'ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko izay voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr'i Jehovah izy.
8Potem vstane tudi David in stopi iz votline in kliče za Savlom, rekoč: Gospod moj, kralj! In ko se ozre Savel, se nagne David z obličjem k tlom in se prikloni.
8Dia nampijanona ny mpanompony tamin'izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an'i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin'izay nalehany.
9In David reče Savlu: Zakaj poslušaš besede ljudi, ki pravijo, da išče David nesreče tvoje?
9Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an'i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin'ny tany Davida ka niankohoka.
10Glej, danes so videle oči tvoje, da te je GOSPOD dal v votlini meni v roko, in bilo mi je rečeno, naj te umorim; ali oko moje ti je zaneslo, in dejal sem: Ne iztegnem roke zoper gospoda svojega, kajti on je maziljenec GOSPODOV.
10Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan'olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao?
11Marveč glej, oče moj, glej rob plašča svojega v roki moji, da te res nisem hotel umoriti, ko sem odrezal rob plašča tvojega. Spoznaj in poglej, da nič hudega ni v roki moji, ne nobenega prestopka, in da nisem grešil zoper tebe, a ti mi strežeš po življenju, da bi mi ga vzel.
11Indro, hitan'ny masonao androany ny nanoloran'i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotr'i Jehovah izy.
12GOSPOD bo sodnik med menoj in teboj in me bo nad tabo maščeval, ali roka moja se te ne dotakne.
12Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin'ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin'ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin'ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
13Kakor pravi pregovor starih: Od krivičnih prihaja krivičnost; zato se te roka moja ne dotakne.
13Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao.
14Za kom se je gnal Izraelov kralj? Koga preganjaš? mrtvega psa? bolho edino?
14Araka ny lazain'ny ohabolan'ny ntaolo hoe: Avy amin'ny ratsy fanahy no ivoahan'ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
15GOSPOD torej bodi sodnik in razsódi med menoj in teboj in oglej in prevzemi pravdo mojo in me oprosti roke tvoje.
15Hitady an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
16In ko David konča govor svoj Savlu, reče Savel: Ni li to tvoj glas, sin moj David? In Savel povzdigne glas svoj ter joka.
16Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin'ny tananao.
17In reče Davidu: Pravičnejši si od mene: kajti ti si mi izkazal dobro, jaz pa sem ti povrnil hudo.
17Ary nony vita izany teny nataon'i Davida tamin'i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
18In ti si danes pokazal, da si mi dobroto storil: zakaj ko me je GOSPOD izdal tebi v roko, me vendar nisi umoril.
18ary hoy izy tamin'i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
19Saj če kdo zaloti sovražnika svojega, ali ga pusti mirnim potom? Zato ti GOSPOD poplačaj z dobrim, kar si mi storil ta dan.
19Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr'i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
20In sedaj, glej, vem, da bodeš gotovo kralj ter da bo kraljestvo Izraelovo trdno stalo v tvoji roki.
20Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
21Prisezi mi torej zdaj pri GOSPODU, da ne zatareš semena mojega po meni in da ne potrebiš imena mojega iz očeta mojega hiše.In David priseže Savlu. Tedaj odide Savel domov, David in možje njegovi pa se spravijo gori v trdnjavo.
21Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan'ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao.
22In David priseže Savlu. Tedaj odide Savel domov, David in možje njegovi pa se spravijo gori v trdnjavo.
22Koa mianiàna amiko amin'i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin'ny mpianakavin'ny raiko ny anarako.Ary Davida dia nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.
23Ary Davida dia nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.