1Zifovci pa pridejo k Savlu v Gibeo in reko: Ali se ne skriva David na hribu Hahili, ki je pred puščavo?
1[Ny nilazan'ny Zifita tamin'i Saoly fanindroany izay hahazoany an'i Davida, sy ny tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly] Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
2Tedaj se vzdigne Savel in gre doli v Zifsko puščavo in ž njim tri tisoč izbranih mož iz Izraela, da iščejo Davida v puščavi pri Zifu.
2Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr'i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely hanaraka azy hitady an'i Davida any an-efitr'i Zifa.
3In Savel se je ušatoril na hribu Hahili, ki je pred puščavo, ob poti. Ali David je ostal v puščavi, in ko vidi, da je Savel prišel za njim v puščavo,
3Ary nitoby tao amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
4pošlje oglednike in zve, da je Savel že gotovo prišel.
4Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
5In David vstane ter pride na mesto, kjer je Savel razpel šatore, in si ogleda kraj, kjer je ležal Savel in Abner, sin Nerov, poveljnik vojske njegove; in Savel je ležal sredi tabora za vozovi in moštvo je imelo šatore okrog njega.
5Dia niainga Davida ka tonga teo amin'ny nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay nandrian'i Saoly sy Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin'ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
6Tedaj izpregovori David in reče Ahimeleku Hetejcu in Abisaju, sinu Zervijinemu, bratu Joabovemu: Kdo pojde z menoj doli k Savlu v tabor? In Abisaj reče: Jaz pojdem s teboj.
6Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
7Prideta torej David in Abisaj k ljudstvu po noči. In glej, Savel je ležal speč sredi tabora za vozovi in sulica njegova je bila zabodena v zemljo pri glavi njegovi, Abner in ljudstvo pa je ležalo kroginkrog njega.
7Ary tonga tao amin'ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin'ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo anilan'ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
8Tedaj reče Abisaj Davidu: Bog ti je danes izdal sovražnika tvojega v roko. Sedaj pa naj ga, prosim, zabodem s sulico v zemljo z enim mahljajem, da v drugič ne bo treba.
8Ary hoy Abisay tamin'i Davida: Efa voahidin'Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin'ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
9A David reče Abisaju: Ne umori ga! Kajti kdo bi smel iztegniti roko zoper maziljenca GOSPODOVEGA, pa ostati brez kazni?
9Fa hoy Davida tamin'i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
10Še reče David: Kakor res GOSPOD živi, ako se ne zgodi, da ga GOSPOD udari ali pride dan njegov, da umrje, ali da pojde v boj in pogine,
10Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
11mene GOSPOD obvaruj, da ne iztegnem roke na maziljenca GOSPODOVEGA! Sedaj pa vzemi, prosim, sulico, ki je pri glavi njegovi, in vrč vode, pa pojdiva!
11Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan'ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
12Tako vzame David sulico in vrč vode od glave Savlove, in odideta; in nihče ju ne vidi, niti opazi, tudi se nihče ne prebudi, temuč so vsi spali, zakaj prišlo je nanje trdno spanje od GOSPODA.
12Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky ny torimaso izy.
13Ko pa preide David na nasprotno stran, stopi na vrh hriba oddaleč, da je bila precejšnja razdalja med njimi;
13Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan'izy roa tonta);
14in David zavpije proti ljudstvu in proti Abnerju, sinu Nerovemu, rekoč: Ne odgovoriš li, Abner? Tedaj odgovori Abner in reče: Kdo si ti, ki vpiješ proti kralju?
14ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka?
15In David reče Abnerju: Ali nisi mož? in kdo je tebi enak v Izraelu? Zakaj torej nisi stražil gospoda svojega, kralja? Prišel je namreč nekdo iz ljudstva noter, da umori kralja, gospoda tvojega!
15Ary hoy Davida tamin'i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin'ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin'ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao.
16To pa ni lepo, kar si storil. Kakor res GOSPOD živi, smrt ste zaslužili, ker niste stražili gospoda svojega, maziljenca GOSPODOVEGA. Sedaj pa, poglej, kje je kraljeva sulica in vrč vode, ki ju je imel pri glavi?
16Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr'i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon'ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohany?
17V tem spozna Savel glas Davidov in reče: Ni li tvoj glas, sin moj David? In David odvrne: Moj glas, o gospod moj, kralj!
17Ary fantatr'i Saoly ny feon'i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko.
18Dalje reče: Zakaj tako preganja gospod moj hlapca svojega? Ker kaj sem storil? in kaj je hudega v roki moji?
18Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin'ny tanako?
19Sedaj pa poslušaj, prosim, gospod moj, kralj, besede hlapca svojega. Ako te GOSPOD draži zoper mene, naj se pomiri z daritvijo; ako pa to provzročajo otroci človeški, naj bodo prokleti pred GOSPODOM, ker so me spodili ta čas, da ne bi imel deleštva v dediščini GOSPODOVI, rekoč: Pojdi, služi drugim bogovom!
19Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin'ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak'olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin'ny lova nomen'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
20Sedaj torej, naj se ne prelije moja kri na zemljo, daleč od obličja GOSPODOVEGA; zakaj kralj Izraelov je šel iskat bolho edino, kakor če kdo lovi jerebico po planinah.
20Koa aza avela ho latsaka amin'ny tany lavitra an'i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.
21Tedaj reče Savel: Grešil sem. Vrni se, sin moj David, zakaj ne storim ti več nobene žali, ker je drago bilo danes življenje moje v tvojih očeh; glej, nespametno sem ravnal in prehudo se motil.
21Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.
22David odgovori in reče: Glej, tu je sulica kraljeva, naj pride eden mladeničev sem ter jo odnese.
22Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon'ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy.
23GOSPOD pa povrne vsakemu po pravičnosti in zvestobi njegovi; zakaj GOSPOD te je danes dal meni v roko, toda nisem hotel iztegniti roke zoper maziljenca GOSPODOVEGA.
23Ny lehilahy izay nanoloran'i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho.
24In glej, kakor je bilo danes dragoceno življenje tvoje v mojih očeh, tako bo življenje moje dragoceno v očeh GOSPODOVIH, in on me otme iz vsake stiske.Nato reče Savel Davidu: Blagoslovljen bodi, sin moj David! Ti izvršiš veliko in gotovo zmagaš. In David je šel svojim potom, Savel pa se je vrnil v svoj kraj.
24Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan'i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin'ny fahoriana rehetra.Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.
25Nato reče Savel Davidu: Blagoslovljen bodi, sin moj David! Ti izvršiš veliko in gotovo zmagaš. In David je šel svojim potom, Savel pa se je vrnil v svoj kraj.
25Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.