Slovenian

Malagasy

1 Samuel

4

1In kar je rekel Samuel, je šlo po vsem Izraelu. In Izrael je šel v boj zoper Filistejce; in so se utaborili pri Eben-ezerju, Filistejci pa so se utaborili v Afeku.
1[Ny niadian'ny Isiraely tamin'ny Filistina, sy ny namaboana ny fiaran'i Jehovah] Ary tonga tany amin'ny Isiraely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady tamin'ny Filistina ka nitoby teo anilan'i Ebenezera; ary ny Filistina kosa nitoby tany Afeka.
2In Filistejci so se bojno uvrstili zoper Izraela; in ko se je vnela bitka, je bil Izrael poražen pred Filistejci, in pobili so jih iz bojnih vrst na polju okoli štiri tisoč mož.
2Dia nilahatra ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin'ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
3In ko se ljudstvo zbere v taboru, reko starejšine Izraelovi: Zakaj nas je GOSPOD danes udaril pred Filistejci? Vzemimo k sebi iz Sila GOSPODOVO skrinjo zaveze, da pride med nas in nas reši roke sovražnikov naših.
3Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon'ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan'ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika.
4In ljudstvo pošlje v Silo, in prineso odondod skrinjo zaveze GOSPODA nad vojskami, ki stoluje nad kerubi; in dva sinova Elijeva, Ofni in Pinehas, sta bila tam s skrinjo zaveze Božje.
4Dia naniraka nankany Silo ny olona haka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima; ary tao Silo, teo amin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra, izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
5In ko je prišla skrinja zaveze GOSPODOVE v tabor, je zaukal ves Izrael z močnim glasom, da je zemlja odmevala.
5Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.
6Ko pa Filistejci slišijo glas tega ukanja, vprašajo: Kaj pomeni glas takega močnega ukanja v taboru Hebrejcev? In zvedeli so, da je prišla skrinja GOSPODOVA v tabor.
6Ary rehefa ren'ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah.
7In Filistejci se zboje, kajti pravijo: Bog je prišel v tabor. In reko: Gorje nam! zakaj tega ni bilo včeraj in predvčerajšnjim.
7Dia raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao.
8Gorje nam! Kdo nas otme iz roke teh veličastnih bogov? To so bogovi, ki so udarili Egipt v puščavi z mnogoterimi šibami!
8Mahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin'ny kapoka rehetra tany an-efitra.
9Trdni bodite in moški se držite, o Filistejci, da vam ne bo služiti Hebrejcem, kako so oni služili vam; moški se držite in bojujte!
9Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.
10In bojevali so se Filistejci in Izrael je bil premagan, in vsak je bežal v šator svoj; in poboj je bil silno velik, ker je padlo iz Izraela trideset tisoč pešcev.
10Ary niady ny Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra tamin'ny Isiraely no niampatrampatra.
11In skrinja Božja je bila vzeta, in dva sinova Elijeva, Ofni in Pinehas, sta poginila.
11Dia lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, ary maty izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.
12In tekel je neki Benjaminec iz bojnih vrst, in pride še ta dan v Silo. In raztrgal si je oblačilo in glavo posipal s prstjo:
12Ary nisy lehilahy Benjamita anankiray nihazakazaka avy tany tamin'ny miaramila ka tonga tao Silo androtrizay ihany, ary triatra ny akanjony, sady nihosin-tany ny lohany.
13In ko pride, glej, Eli sedi na stolu pri poti in pazi: kajti srce mu je bilo v strahu zavoljo skrinje Božje. In ko mož pride v mesto in oznani novico, zavpije vse mesto.
13Ary raha tonga izy, indro, Ely nipetraka teo amin'ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny fiaran'Andriamanitra. Ary nony tonga tao an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
14Ko pa Eli sliši glas vpitja, vpraša: Kakšen je to glasan šum? In mož hitro pristopi in pove Eliju.
14Ary rehefa ren'i Ely ny feo midradradradra, dia hoy izy: Inona izao feo mitabataba izao? Ary ilay lehilahy nanatona faingana ka nilaza tamin'i Ely.
15Eli pa je bil osemindevetdeset let star, in oči so mu bile ugasnile, da ni mogel videti.
15Ary efa valo amby sivi-folo taona Ely tamin'izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy.
16In mož reče Eliju: Jaz sem prišel iz vojske, in sicer sem pobegnil iz bitke danes. On pa vpraša: Kako se je godilo, sin moj.
16Ary hoy ilay lehilahy tamin'i Ely: Izaho ilay avy tany an-tafika, ary androany ihany no nandosirako niala tamin'ny miaramila. Ary hoy izy: Nanao ahoana izay tany, anaka?
17In sporočnik odgovori in reče: Izrael je zbežal pred Filistejci, vrhutega je bil velik poboj med ljudstvom, tudi dva sinova tvoja, Ofni in Pinehas, sta mrtva, in skrinja Božja je vzeta!
17Dia namaly ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan'ny Filistina ny Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
18Ko pa je oni imenoval skrinjo Božjo, pade Eli s stola znak pri vratih in si zlomi šijnjak in umre; kajti bil je star in težak mož. In on je sodil Izraela štirideset let.
18Ary nony nilaza ny amin'ny fiaran'Andriamanitra izy, dia lavo nitsilany niala tamin'ny sezany teo anilan'ny vavahady Ely, ka folaka ny vozony, dia maty izy, satria efa antitra sady mavesatra. Ary efa nitsara ny Isiraely efa-polo taona izy.
19Njegova snaha pa, žena Pinehasova, je bila noseča in je imela skoraj roditi. In ko zasliši vest, da je skrinja Božja vzeta in da je mrtev njen tast in njen mož, se sključi in porodi, kajti bolečine so jo prijele.
19Ary ny vinantoni-vavy, vadin'i Finehasa, nanan'anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
20In ko se je bližala smrti, so rekle žene, ki so stale pri njej: Ne boj se, saj si rodila sina! A ona ni odgovorila ničesar in si srca ni utolažila;
20Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy.
21in dete je imenovala Ikabod [T. j. Ni več slave!], rekoč: Slava je šla strani od Izraela – ker je bila vzeta skrinja Božja in zaradi njenega tasta in njenega moža.In je dejala: Slava je šla strani od Izraela, ker je vzeta skrinja Božja.
21Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran'ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.[Ikaboda = Tsy misy voninahitra]Ary hoy izy: Afaka tamin'ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
22In je dejala: Slava je šla strani od Izraela, ker je vzeta skrinja Božja.
22Ary hoy izy: Afaka tamin'ny Isiraely ny voninahitra, fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.