Slovenian

Malagasy

1 Samuel

6

1In skrinja GOSPODOVA je bila v kraju Filistejcev sedem mesecev.
1Ary ny fiaran'i Jehovah dia tany amin'ny tanin'ny Filistina fito volana.
2In Filistejci pokličejo svoje duhovnike in vedeže in reko: Kaj naj storimo s skrinjo GOSPODOVO? Poučite nas, s čim naj jo pošljemo v njen kraj?
2Ary ny Filistina nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika amin'ny fiaran'i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any amin'ny fitoerany.
3Oni odgovore: Ako hočete vrniti skrinjo Boga Izraelovega, ne pošljite je prazne, temuč vsekakor mu dajte daritev za krivdo; tedaj ozdravite in spoznate, zakaj se roka njegova ni umeknila od vas.
3Ary hoy ireo: Raha aterinareo ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo koa izay tsy ialan'ny tànany aminareo.
4In vprašajo: Kaj bodi za krivdo daritev, ki mu jo naj damo? Oni reko: Pet zlatih tvorov in pet zlatih miši, po številu knezov filistejskih; zakaj ista nadloga je bila nad vami vsemi in nad vašimi knezi.
4Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan'ireo andrianan'ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.
5Naredite torej podobe tvorov svojih in podobe miši, ki so deželo vašo kazile, in dajte čast Bogu Izraelovemu; morda olajša roko svojo nad vami in nad vašim bogom in nad vašo zemljo.
5Koa manaova sarin'ny vainareo sy sarin'ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo Izy.
6Zakaj pa zakrkujete srce svoje, kakor so si ga Egipčani in Faraon zakrknili? Ko je Bog izkazal med njimi moč svojo, niso li pustili ljudstva, da je odšlo?
6Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian'ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa?
7Sedaj pa si pripravite nov voz in vzemite dve doječi kravi, ki še nista nosili jarma, in vprezite kravi v voz, njiju teleti pa, ko pojdeta za njima, odpeljite domov.
7Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin'ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy.
8In vzemite skrinjo GOSPODOVO in jo postavite na voz, zlate dragotine pa, ki mu jih daste v daritev za krivdo, denite v skrinjico ob njeni strani, in pošljite jo tja, da odide.
8Ary alao ny fiaran'i Jehovah, ka apetraho eo ambonin'ny sariety, dia ataovy ao anaty vata kely eo anilany ny fanaka volamena haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka ampandehano izany.
9In glejte: če pojde po poti gori, proti svoji meji, k Betsemesu, je On nam storil vse tisto zlo veliko; ako pa ne, bomo vedeli, da nas ni njegova roka udarila, temuč po naključbi se nam je zgodilo.
9Ary izahao, ka raha miakatra amin'ny lalana mankany amin'ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin'izay hanjo antsika.
10In možje so storili tako; in vzamejo dve doječi kravi in ju vprežejo v voz, njiju teleti pa zaklenejo doma.
10Dia nataon'ny olona izany, ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin'ny sariety ireo, fa ny zanany narindriny tao an-trano.
11In skrinjo GOSPODOVO nalože na voz, tudi skrinjico z zlatimi mišmi in podobami svojih tvorov.
11Dia napetrany teo ambonin'ny sariety ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely ary ny totozy volamena sy ny sarin'ny vay.
12In kravi sta krenili naravnost proti Betsemesu, po cesti, in sta šli in mukali in se nista umeknili ne na desno, ne na levo. In knezi Filistejcev so šli za njimi do meje Betsemesa.
12Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin'ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin'ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary ireo andrianan'ny Filistina nanaraka azy hatramin'ny fari-tanin'i Beti-semesy.
13Betsemeščani pa so ravno želi pšenico v dolini. In ko povzdignejo oči, ugledajo skrinjo in se razvesele, da jo vidijo.
13Ary ny Beti-semesita nijinja ny vary tritika teny an-dohasaha; ary nanopy ny masony izy ka nahita ny fiara, dia faly raha nahita izany.
14Voz pa pride na njivo Jozueta Betsemeščana in se tam ustavi. In bil je ondi velik kamen; in razsekajo les od voza in darujejo kravi v žgalno daritev GOSPODU.
14Ary ny sariety tonga teo an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato lehibe teo; dia namaky ny hazon'ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
15Leviti pa so vzdignili skrinjo GOSPODOVO in skrinjico, ki je bila pri njej in v kateri so bile tiste zlate dragotine, in ju postavili na tisti veliki kamen; in ljudje iz Betsemesa so ta dan darovali žgalščine in klalščine GOSPODU.
15Ary ny Levita nampidina ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran'ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin'ny vato lehibe; ary tamin'izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'i Jehovah.
16In ko je to videlo petero knezov filistejskih, se vrnejo v Ekron še tisti dan.
16Ary raha hitan'ireo andriana dimy tamin'ny Filistina izany, dia niverina nankany Ekrona androtrizay ihany izy.
17To pa so zlati tvori, ki so jih dali Filistejci v dar za krivdo GOSPODU: za Asdod eden, za Gazo eden, za Askelon eden, za Gat eden, za Ekron eden.
17Ary izao no sary volamenan'ny vay naterin'ny Filistina ho fanati-panonerana ho an'i Jehovah: an'i Asdoda iray, an'i Gaza iray, an'i Askelona iray, an'i Gata iray, an'i Ekrona iray;
18In zlatih miši so dali po številu vseh mest Filistejcev, podložnih peterim knezom, za ograjena mesta in za vasi po deželi. In priča je tisti veliki kamen, na katerem so postavili skrinjo GOSPODOVO, do današnjega dne na njivi Jozueta Betsemeščana.
18ary ny totozy volamena dia araka ny isan'ny tanàna rehetra an'ny Filistina, izay an'ireo andriana dimy, an'ny tanàna mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka hatramin'ny vato lehibe izay nametrahany ny fiaran'i Jehovah; ary mbola any an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita mandraka androany izany.
19Udaril pa je nekatere betsemeške može, ker so gledali v skrinjo GOSPODOVO; udaril je namreč izmed ljudstva sedemdeset mož iz petdesettisoč mož. In žalovalo je ljudstvo, ker je bil GOSPOD napravil tako velik pomor v ljudstvu.
19Ary Jehovah namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren'ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian'i Jehovah, ka be dia be no maty.
20In betsemeški ljudje so dejali: Kdo more stati pred GOSPODOM, tem svetim Bogom? In h komu naj gre od nas?In pošljejo sle prebivalcem v Kirjat-jearimu in sporoče: Filistejci so nazaj pripeljali skrinjo GOSPODOVO; pridite doli, vzemite jo gori k sebi!
20Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan'izao Jehovah Andriamanitra masina izao? Ary ho amin'iza no hiakarany, rehefa miala amintsika?Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.
21In pošljejo sle prebivalcem v Kirjat-jearimu in sporoče: Filistejci so nazaj pripeljali skrinjo GOSPODOVO; pridite doli, vzemite jo gori k sebi!
21Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.