1O časih pa in urah, bratje, ni treba, da se vam piše;
1Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
2zakaj sami veste natanko, da pride dan Gospodov tako kakor tat po noči.
2satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.
3Ko pravijo: Mir in varnost, tedaj jih mahoma doleti poguba, kakor porodne bolečine nosečo; in ušli ne bodo.
3Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
4Vi pa, bratje, niste v temi, da vas ta dan zagrabi kakor tat;
4Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
5kajti vi vsi ste luči sinovi in sinovi dneva; nismo od noči, ne od teme.
5Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.
6Zatorej ne spimo kakor drugi, marveč čujmo in trezni bodimo!
6Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena. [ Gr. hiari-tory]
7Zakaj speči spe po noči in tisti, ki se upijanjajo, se upijanjajo po noči.
7Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.
8Mi pa, ker smo od dneva, bodimo trezni, oblečeni z oklepom vere in ljubezni ter za čelado imajoč upanje zveličanja.
8Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
9Kajti Bog nas ni odločil za jezo, ampak da dosežemo zveličanje po Gospodu našem Jezusu Kristusu,
9Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
10ki je umrl za nas, da ž njim vred živimo, naj čujemo ali spimo.
10Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
11Zato se opominjajte med seboj in služite drug drugemu v napredek, kakor tudi delate.
11Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
12Prosimo pa vas, bratje, pripoznajte nje, ki se trudijo med vami in so vam predpostavljeni v Gospodu in vas svare,
12[Fananarana sy fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,
13in jih visoko čislajte v ljubezni zavoljo njih dela. Živite v miru med seboj!
13ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
14Opominjamo pa vas, bratje, svarite neredne, prigovarjajte malodušnim, podpirajte slabotne, potrpežljivi bodite z vsemi.
14Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.
15Glejte, da ne vrne kdo komu hudega za hudo, temuč vedno hodite za dobrim med seboj in do vseh.
15Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
16Vselej se veselite;
16Mifalia mandrakariva.
17neprestano molite;
17Mivavaha, ka aza mitsahatra.
18hvaležni bodite v vsem: kajti to je volja Božja v Kristusu Jezusu za vas.
18Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.
19Duha ne gasite;
19Aza mamono ny Fanahy.
20prorokovanj ne zaničujte.
20Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
21Vse pa izkusite; kar je dobrega, ohranite.
21Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
22Vsakršnega hudega se zdržujte.
22Fadio ny fanao ratsy rehetra.
23On pa, Bog miru, naj vas posveti popolnoma, in popoln naj se vam ohrani duh in duša in telo, da bo brez graje o prihodu Gospoda našega Jezusa Kristusa.
23Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.
24Zvest je, ki vas kliče, ki bo to tudi storil.
24Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
25Bratje, molite za nas!
25Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
26Pozdravite vse brate v svetem poljubu!
26Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.
27Rotim vas pri Gospodu, da se naj ta list bere vsem svetim bratom.Milost Gospoda našega Jezusa Kristusa z vami!
27Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy rehetra ity epistily ity. [ Na: (rahalahy masina)]Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
28Milost Gospoda našega Jezusa Kristusa z vami!
28Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.