1In zgodi se, ko je bilo utrjeno kraljestvo Roboamovo in se je on ojačil, da je zapustil postavo GOSPODOVO in ves Izrael ž njim.
1Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan'i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.
2In v petem letu kralja Roboama je prišel gori Sisak, kralj egiptovski, proti Jeruzalemu, zato ker so bili nezvesti GOSPODU,
2Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema, fa nivadika tamin'i Jehovah ny mponina tany,
3z dvanajststo vozovi in šestdeset tisoč konjiki in brezštevilnim moštvom, ki je prišlo ž njim iz Egipta: Lubimi, Sukimi in Etiopci.
3ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.
4In dobil je utrjena mesta, ki so bila Judova, in dospel je k Jeruzalemu.
4Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.
5Tedaj pride Semaja, prorok, k Roboamu in k poglavarjem Judovim, ki so se zaradi Sisaka zbrali v Jeruzalemu, in jim reče: Tako pravi GOSPOD: Vi ste zapustili mene, zato sem tudi jaz vas pustil v roke Sisakove.
5Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin'i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan'i Sisaka.
6Tedaj se ponižajo poglavarji Izraelovi in kralj in reko: Pravičen je GOSPOD.
6Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.
7In ko je videl GOSPOD, da so se ponižali, pride beseda GOSPODOVA k Semaju, govoreč: Ponižali so se, ne bom jih pokončal, temuč dam jim malo pomoči, in srd moj se ne bo razlil nad Jeruzalemom po roki Sisakovi.
7Ary nony hitan'i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin'i Semaia indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin'i Jerosalema avy amin'ny tànan'i Sisaka ny fahatezerako. [Na: fa hamonjeko ihany]
8Vendar pa mu morajo biti podložni, da spoznajo, kaj je meni služiti in kaj služiti zemeljskim kraljestvom.
8Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin'ny fanjakana hafa.
9Pride torej Sisak, kralj egiptovski, proti Jeruzalemu in vzame zaklade hiše GOSPODOVE in zaklade hiše kraljeve, pobere vse, vzame tudi zlate ščite, ki jih je napravil Salomon.
9Dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon'i Solomona.
10In kralj Roboam naredi namesto njih ščite iz brona in jih izroči poveljnikom stražarjev, ki so čuvali vrata kraljeve hiše.
10Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka.
11In kadarkoli je šel kralj v hišo GOSPODOVO, so prišli stražarji in jih nosili in potem jih zopet odnesli v stražnico.
11Ary na oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon'ny mpiambina indray.
12In ko se je ponižal, se je odvrnila od njega jeza GOSPODOVA, da ga ni docela pokončal. Tudi je bilo pri Judi še nekoliko dobrega.
12Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran'i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin'ny Joda.
13In okrepil se je Roboam zopet v Jeruzalemu in je kraljeval. Zakaj enainštirideset let je bilo Roboamu, ko je zakraljeval, in vladal je sedemnajst let v Jeruzalemu, v mestu, ki si ga je izvolil GOSPOD iz vseh rodov Izraelovih, da postavi ondi ime svoje. In materi njegovi je bilo ime Naama, Amonka.
13Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
14In delal je, kar je bilo hudo, ker ni pripravil srca svojega, da bi iskal GOSPODA.
14Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an'i Jehovah.
15A dejanja Roboamova, prva in poslednja, niso li zapisana v zgodbah Semaja proroka in Ida vidca med rodopisi? In boji so bili med Roboamom in Jeroboamom vse njiju dni.In Roboam je legel k očetom svojim in pokopali so ga v mestu Davidovem; in Abija, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
15Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin'ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
16In Roboam je legel k očetom svojim in pokopali so ga v mestu Davidovem; in Abija, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
16Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.