Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

17

1In zakraljeval je Josafat, sin njegov, na mestu njegovem in se je ojačil zoper Izraela.
1[Ny niandohan'ny nanjakan'i Josafata, sy ny fahazotoany hampandroso ny fivavahana tamin'i Jehovah, ary ny nanambinana azy] Ary Josafata, zanak'i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin'ny Isiraely izy.
2Kajti namestil je vojaštvo po vseh utrjenih mestih Judovih in postavil posadke po deželi Judovi in po mestih Efraimovih, ki jih je bil pridobil Asa, oče njegov.
2Ary namponina miaramila tamin'ny tanàna mimanda rehetra eran'i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin'ny tany Joda sy tany amin'izay tanànan'ny Efraima efa azon'i Asa rainy.
3In GOSPOD je bil z Josafatom, kajti hodil je po prvih potih Davidovih in ni maral za Baale.
3Ary Jehovah nomba an'i Josafata, satria nandeha tamin'ny nalehan'i Davida rainy izy, dia ilay tamin'ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;
4Temuč iskal je Boga očeta svojega, živeč po zapovedih njegovih, in ni delal kakor Izrael.
4fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon'ny Isiraely.
5Zato je utrdil GOSPOD kraljestvo v roki njegovi; in ves Juda mu je prinašal darila, in imel je obilo bogastva in časti.
5Koa dia nampitoerin'i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an'i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.
6In ko se mu je srce ohrabrilo na potih GOSPODOVIH, je poslej odpravil višave in Ašere z Judovega.
6Ary ny fony nihanatoky tamin'ny lalan'i Jehovah. dia noravany tsy ho eo amin'ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.
7In v tretjem letu kraljevanja svojega pošlje poglavarje: Benhaila, Obadija, Zeharija, Netanela in Mikaja, da bi učili v mestih Judovih,
7Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin'ny tanànan'ny Joda,
8in ž njimi levite: Semaja, Netanija, Zebadija, Asahela, Semiramota, Jonatana, Adonija, Tobija, Tobadonija, levite, in ž njimi Elisama in Jorama, duhovnika.
8Ary nisy Levita koa niaraka tamin'ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin'i Elisama sy Jorama, mpisorona.
9In učili so po Judovem, imajoč s seboj knjigo zakona GOSPODOVEGA, in hodili so okrog po vseh mestih Judovih in učili ljudstvo.
9Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, dia nitety ny tanànan'ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin'ny olona.
10In strah od GOSPODA je obšel vsa kraljestva dežel, ki so bile okoli Jude, da se niso bojevali zoper Josafata.
10Ary ny tahotra an'i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin'ny tany manodidina an'i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin'i Josafata ireo.
11In nekateri Filistejcev so prinašali darila Josafatu in srebro v davek; tudi Arabci so mu pripeljali drobnice, sedem tisoč sedemsto ovnov in sedem tisoč sedemsto kozlov.
11Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an'i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman'osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
12Tako je Josafat rastel in bil čimdalje večji, in sezidal je na Judovem gradove in mesta za skladišča.
12Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
13In je imel velike priprave v mestih Judovih in vojščake, vrle junake v Jeruzalemu.
13Ary nanana fananana betsaka tao amin'ny tanànan'ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.
14In to je njih razvrstitev po njih očetovskih družinah: v Judi so bili poveljniki čez tisoč: Adna poveljnik in ž njim je bilo hrabrih junakov tristo tisoč;
14Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin'ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;
15in poleg njega je bil Johanan poveljnik in ž njim jih je bilo dvesto in osemdeset tisoč;
15ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;
16in poleg njega je bil Amasija, sin Zihrijev, ki se je radovoljno daroval GOSPODU, in ž njim je bilo dvesto tisoč vrlih junakov.
16ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry, ilay nanolotena ho an'i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.
17V Benjaminu pa: Eliada, hraber junak, in ž njim dvesto tisoč oboroženih z lokom in ščitom;
17Ary tamin'ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;
18in poleg njega je bil Jozabad in ž njim sto in osemdeset tisoč, z orožjem pripravljenih na boj.Ti so vsi stregli kralju, razen tistih, ki jih je bil kralj namestil v utrjenih mestih po vsem Judovem.
18ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.Ireo no mpitoetra tamin'ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin'ny mpanjaka tany amin'ny tanàna mimanda eran'i Joda rehetra.
19Ti so vsi stregli kralju, razen tistih, ki jih je bil kralj namestil v utrjenih mestih po vsem Judovem.
19Ireo no mpitoetra tamin'ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin'ny mpanjaka tany amin'ny tanàna mimanda eran'i Joda rehetra.