Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

35

1In Josija je praznoval pasho GOSPODU v Jeruzalemu, in zaklali so velikonočno jagnje štirinajsti dan prvega meseca.
1Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an'i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany.
2In postavil je duhovnike na njih straže ter jih ohrabril za službo hiše GOSPODOVE.
2Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin'ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
3In dejal je levitom, ki so učili vsega Izraela, ki so bili sveti GOSPODU: Denite sveto skrinjo v hišo, ki jo je zgradil Salomon, sin Davidov, kralj Izraelov! Ni vam več v breme na rami, zato služite sedaj GOSPODU, Bogu svojemu, in ljudstvu njegovemu, Izraelu.
3Ary hoy izy tamin'ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;
4In pripravite se po svojih očetovskih hišah, po svojih oddelkih, kakor je predpisal David, kralj Izraelov, in kakor je predpisal Salomon, sin njegov.
4ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, sy araka ny voasoratr'i Solomona zanany koa.
5In stojte v svetišču po vrstah očetovskih hiš bratov svojih, sinov naroda, in sicer vsakikrat en oddelek očetovske hiše levitov.
5Ary mitsangàna eo amin'ny fitoerana masina araka ny fizaran'ny fianakavian'ny rahalahinareo amin'ny vahoaka sy araka ny fizaran'ny fianakavian'ny Levita.
6In zakoljite pasho in posvetite se in pripravite jo za brate svoje, da storite po besedi GOSPODOVI, dani po Mojzesu.
6Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an'ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Mosesy.
7In Josija je podaril sinom naroda drobnice, jagnjet in kozličev, trideset tisoč po številu, vse za daritve pashe vsem, ki so bili pričujoči, in tri tisoč goved; to je bilo od imetja kraljevega.
7Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen'i losia zanak'ondry sy zanak'osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka ireo.
8Njegovi knezi pa so podarili radovoljno ljudstvu, duhovnikom in levitom. Hilkija in Zeharija in Jehiel, poglavarji hiše Božje, so dali duhovnikom za daritve pashe dva tisoč in šeststo glav drobnice in tristo goved.
8Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an'ny olona sy ho an'ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra, nanome ondry aman'osy enin-jato amby roa arivo ho an'ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
9Konanija pa, Semaja in Netanel, njegova brata, in Hasabija in Jegiel in Jozabad, prvaki levitov, so podarili levitom za daritve pashe pet tisoč glav drobnice in petsto goved.
9Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome ondry aman'osy dimy arivo ho an'ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.
10In tako je bila služba pripravljena, in duhovniki so stali na mestu svojem, tudi leviti po svojih oddelkih, kakor je bil kralj ukazal.
10Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin'ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny didin'ny mpanjaka.
11In zaklali so pasho in duhovniki so škropili kri, prejemajoč jo iz njih roke, in leviti so devali daritve iz kože.
11Dia novonoin'ny olona ny Paska, ary natopin'ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran'ny Levita kosa.
12In denejo vstran žgalne daritve, da bi jih porazdelili vrstam očetovskih hiš, sinovom naroda, da jih darujejo GOSPODU, kakor je pisano v knjigi Mojzesovi. In enako store tudi z govedjo.
12Dia natokany ny fanatitra dorana homen'ny olona araka ny fizaran'ny fianakaviany, mba hateriny ho an'i Jehovah araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy. Ary toy izany koa tamin'ny omby.
13In pekli so pasho na ognju po predpisu; kar pa je bilo posvečeno, so kuhali v loncih, v kotlih in v ponvah, in hitro to delili vsem sinovom naroda.
13Ary ny Paska natsatsika tamin'ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin'ny olona rehetra izany.
14In potem so pripravili za sebe in za duhovnike; kajti duhovniki, sinovi Aronovi, so imeli opravek z darovanjem žgalščin in tolstine do noči, zato so leviti pripravili zase in za duhovnike, sinove Aronove.
14Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an'ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak'i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin'ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an'ny tenany sy ny mpisorona, taranak'i Arona.
15In pevci, sinovi Asafovi, so bili na svojem mestu, po zapovedi Davida in Asafa, Hemana in Jedutuna, kraljevega vidca, in vratarji so bili pri vseh vratih, ni jim bilo treba odhajati od svoje službe, ker so njih bratje, leviti, pripravili zanje.
15Ary ny mpihira, taranak'i Asafa, nitoetra teo amin'ny fitoerany, araka ny didin'i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan'ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin'ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin'ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
16Tako je bila tisti dan pripravljena vsa služba GOSPODU, da se praznuje pasha ter da se darujejo žgalne daritve na oltarju GOSPODOVEM, po zapovedi kralja Josija.
16Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an'i Jehovah amin'ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah araka ny tenin'i Josia mpanjaka.
17In praznovali so tisti čas sinovi Izraelovi, ki so bili navzočni, pasho in praznik opresnikov sedem dni.
17Ary ny Zanak'isiraely izay vory teo dia nitandrina ny paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
18In ni se praznovala pasha v Izraelu enaka tej od dni Samuela proroka, tudi noben kraljev Izraelovih ni priredil take pashe, kakor jo je Josija praznoval z duhovniki vred in z leviti in z vsemi Judovimi in z Izraelci, ki so bili pričujoči, in s prebivalci jeruzalemskimi.
18Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin'ny Isiraely na dia hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon'i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
19V osemnajstem letu kraljevanja Josijevega se je praznovala ta pasha.
19Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia no nitandremana izany Paska izany.
20Po vsem tem, ko je bil kralj Josija spravil v red tempelj, pride gori Neko, kralj egiptovski, da bi se bojeval zoper Karkemiš pri Evfratu; in Josija mu pride nasproti.
20Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin'i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan'i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron'i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.
21On pa mu pošlje poslance in sporoči: Kaj imam s teboj, kralj Judov? Ne grem zoper tebe ta dan, ampak zoper hišo, ki je v boju z menoj, in Bog mi je velel, da naj hitim. Nehaj se vtikati v boj z Bogom, ki je z menoj, da te ne pokonča.
21Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan'ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin'ny fahavaloko, sady nasain'Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an'Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
22A Josija ni hotel odvrniti obraza od njega, temuč preoblekel se je, da bi se bojeval ž njim, in ni poslušal besed Nekovih iz Božjih ust, pa je šel bojevat se na ravnini pri Megidu.
22Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin'i Neko, izay nampilazain'Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin'ny lohasahan'i Megido.
23In strelci so ustrelili kralja Josija, in kralj je velel hlapcem svojim: Peljite me stran, kajti hudo sem ranjen.
23Ary ny mpandefa tsipìka nahavoa an'i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.
24Hlapci njegovi ga torej preneso z voza in ga polože na drugi voz, ki ga je imel, ter ga pripeljejo v Jeruzalem; in umrl je, in bil je pokopan v grobovih očetov svojih. In ves Juda in Jeruzalem je žaloval po Josiju.
24Dia nesorin'ny mpanompony tamin'izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin'ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an'i Josia.
25In Jeremija je spesnil žalostinko za Josija, in vsi pevci in pevke so govorili o Josiju v svojih žalostinkah do tega dne, in vpeljali so jih v navado v Izraelu. In glej, zapisane so v žalostinkah Jeremijevih.
25Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an'i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an'i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin'ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny fihirana fisaonana izany.
26Kar je pa več praviti o Josiju, in njegova pobožna dela po vsem, kar je pisano v zakonu GOSPODOVEM,in dejanja njegova, prva in poslednja, glej, zapisana so v knjigi kraljev Izraelovih in Judovih.
26Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah,dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.
27in dejanja njegova, prva in poslednja, glej, zapisana so v knjigi kraljev Izraelovih in Judovih.
27dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.