Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

4

1In naredil je bronast oltar, dvajset komolcev dolg in dvajset komolcev širok in deset komolcev visok.
1Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.
2In naredil je ulito morje, deset komolcev od roba do roba, zaokroženo okoli, in pet komolcev visoko, in vrvica tridesetih komolcev ga je objemala naokoli.
2Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben'ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.[Heb. ranomasina]
3In pod njim so bile podobe volov, ki so ga obdajali kroginkrog, po deset na komolec, oklepajoč morje naokoli; dve vrsti volov je bilo, ulitih obenem z morjem.
3Ary teo ambanin'ny tavin-drano lehibe nisy sarin'omby manodidina azy, dia folo amin'ny iray hakiho manodidina. Roa andalana ny sarin'omby sady niara-natao an-idina tamin'ny tavin-drano. .[Heb. ranomasina]
4Stalo je na dvanajstih volih, trije so gledali proti severu, trije proti zahodu, trije proti jugu in trije proti vzhodu; in morje je ležalo na njih, in vsi njih zadnji konci so bili znotraj pod morjem.
4Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.[Heb. ranomasina]
5In debelost njegova je bila eno dlan, in njegov kraj je bil izdelan kakor okrajek keliha in kakor lilijevo cvetje, in je držalo tri tisoč batov.
5Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
6In naredil je deset umivalnikov, in pet jih je postavil na desno in pet na levo stran, da so v njih umivali; kar je bilo od žgalnih daritev, so izpirali v njih; morje pa je bilo, da so se v njem umivali duhovniki.
6Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin'ny ankavanana, ary ny dimy tamin'ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan'ny mpisorona.[Heb. ranomasina]
7Naredil je tudi deset zlatih svečnikov, kakor je bilo zanje predpisano, in postavil jih je v templju, pet po desni in pet po levi strani.
7Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia.
8In naredil je deset miz in jih postavil v templju, pet po desni in pet po levi strani. In naredil je sto zlatih čaš.
8Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
9In napravil je dvorišče za duhovnike in veliko dvorišče in duri na dvorišče in je okoval njih durnice z bronom.
9Ary nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin'ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.
10In morje je postavil na desno stran ob vzhodu, proti jugu.
10Ary ny tavin-drano lehibe nataony tamin'ny ankavanana, dia teo amin'ny atsimo-atsinana.[Heb. ranomasina]
11In Huram je naredil lonce in lopate in čaše. In dokončal je Huram delo, ki ga je delal kralju Salomonu pri hiši Božji:
11Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan'i Hirama ny asa izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'Andriamanitra:
12dva stebra in dva vrčasta glaviča vrhu stebrov, in dve mrežasti pletenini v prestrtje obema vrčastima glavičema na vrhu stebrov;
12dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon'ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,
13štiristo margaranovih jabolk za tisti dve pletenini, po dve vrsti jabolk na vsako pletenino, v prestrtje obema vrčastima glavičema, ki sta bila zgoraj na stebrih.
13ary ny sarin'ampongaben-danitra efa-jato ho amin'ny harato roa, sarin'ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy;
14In naredil je stojala in umivalnike na stojala,
14ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin'ny fitoerany;
15morje eno in dvanajst volov pod morjem;
15ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ambaniny. [Heb. ranomasina]
16in lonce in lopate in vilice. Vse te posode je izgotovil oče Huram kralju Salomonu za hišo GOSPODOVO iz zlikane bronovine.
16Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon'i Hiram-aby ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny varahina manganohano.[Na: Ikaky Hirama]
17V Jordanski dolini jih je dal kralj liti v ilovnati prsti, med Sukotom in Zeredo.
17Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.
18In Salomon je napravil vseh posod veliko množino; kajti teže bronovini niso mogli dognati.
18Toy izany no nanaovan'i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan'ny varahina.
19In Salomon je napravil vse tiste posode, ki so bile v hiši Božji, in zlati oltar in mize, na katerih so bili kruhi obličja,
19Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin'ny tranon'Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran'ny mofo aseho,
20in svečnike ž njih svetilnicami, ki naj bi gorele po predpisu pred govoriščem, iz čistega zlata,
20ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan'ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;
21in cvetličje in svetilnice in utrinjače iz zlata (bilo je popolno zlato),in usekalnike in čaše in torila in kadilnice iz čistega zlata; tudi vhod v hišo, njene notranje durnice k Najsvetejšemu in durnice ob templjevi hiši so bile iz zlata.
21ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin'ny trano, dia ny mankao amin'ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin'ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.
22in usekalnike in čaše in torila in kadilnice iz čistega zlata; tudi vhod v hišo, njene notranje durnice k Najsvetejšemu in durnice ob templjevi hiši so bile iz zlata.
22ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin'ny trano, dia ny mankao amin'ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin'ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.