Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

7

1In ko je Salomon izmolil, švigne ogenj z neba in požre žgalno in klalno daritev. In slava GOSPODOVA je napolnila hišo.
1Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.
2In duhovniki niso mogli stopiti v hišo GOSPODOVO, ker je slava GOSPODOVA napolnila hišo.
2Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah, satria feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranony.
3In vsi sinovi Izraelovi so gledali, ko je prišel ogenj doli in je bila slava GOSPODOVA nad hišo; in pripognili so se z obrazom do tal, na tlak, in so molili in zahvaljevali GOSPODA, ker je dobrotljiv, ker vekomaj traja milost njegova.
3Ary nony hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitr'i Jehovah teo ambonin'ny trano, dia niankohoka tamin'ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an'i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.
4In kralj in vse ljudstvo so darovali klalne daritve pred GOSPODOM.
4Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan'i Jehovah.
5In kralj Salomon je daroval dvaindvajset tisoč goved in stoindvajset tisoč glav drobnice. Tako so posvetili hišo Božjo kralj in vse ljudstvo.
5Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'Andriamanitra.
6In stali so duhovniki in stregli po svoji službi, tudi leviti z glasbenim orodjem GOSPODOVIM, ki ga je bil napravil kralj David, da zahvaljujejo GOSPODA, ker vekomaj traja milost njegova, s psalmi Davidovimi v roki; in duhovniki so trobili na trobente njim nasproti, in ves Izrael je stal.
6Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon'i Jehovah, izay nataon'i Davida mpanjaka hiderana an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain'i Davida nidera an'Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo.
7In kralj Salomon je posvetil sredo dvorišča, ki je bilo pred hišo GOSPODOVO; zakaj tam je daroval žgalne daritve in tolstino mirovnih daritev, ker bronasti oltar, ki ga je bil Salomon napravil, je bil premajhen, da bi sprejel žgalne in mirovne daritve in tolstino.
7Ary Solomona nanamasina ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon'i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora.
8In tisti čas je praznoval Salomon praznik sedem dni in ves Izrael ž njim, silno velik zbor, ki se je sešel od vhoda v Hamat do Egiptovskega potoka.
8Ary tamin'izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.
9In osmi dan so imeli slovesno zborovanje; kajti praznovali so posvečevanje oltarja sedem dni, praznik pa tudi sedem dni.
9Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.
10In triindvajseti dan sedmega meseca je razpustil ljudstvo v njih šatore veselo in dobre volje zaradi dobrot, ki jih je izkazal GOSPOD Davidu in Salomonu in Izraelu, ljudstvu svojemu.
10Ary nony tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.
11Tako je dokončal Salomon hišo GOSPODOVO in hišo kraljevo; in vse, kar je prišlo Salomonu v srce, da napravi v hiši GOSPODOVI in v lastni hiši, je uspešno dovršil.
11[Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana, ary samy nataon'i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-dapany.
12In GOSPOD se prikaže Salomonu po noči in mu reče: Uslišal sem molitev tvojo in sebi izvolil to mesto za daritveno hišo.
12Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.
13Kadar zaprem nebo, da ne bo dežja, ali če zapovem kobilicam, da pojedo deželo, ali če pošljem kugo med ljudstvo svoje:
13Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko,
14ako se bo ljudstvo moje, ki je imenovano po mojem imenu, ponižalo in molilo in iskalo obličje moje ter se odvrnilo od hudobnih poti svojih: tedaj uslišim iz nebes in odpustim njih greh in ozdravim njih deželo.
14raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
15Sedaj bodo oči moje odprte in ušesa moja bodo pazila na molitev, ki se opravlja na tem mestu.
15Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin'ity fitoerana ity;
16Kajti sedaj sem izvolil in posvetil to hišo, da bodi moje ime tukaj vekomaj, in moje oči in srce moje naj bodo vselej tu.
16fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran'ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva.
17Ti pa, če boš hodil pred menoj, kakor je hodil David, oče tvoj, da storiš po vsem, kar sem ti zapovedal, in boš držal postave in sodbe moje:
17Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
18tedaj utrdim stol kraljestva tvojega, kakor sem se zavezal Davidu, očetu tvojemu, rekoč: Ne bo ti zmanjkalo moža, ki bo vladal Izraelu.
18dia hampitoeriko ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpanapaka amin'ny Isiraely ianao.
19Ako se pa boste odvrnili in zapustili postave in zapovedi moje, ki sem vam jih predložil, in pojdete služit drugim bogovom ter jih boste molili:
19Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany
20tedaj jih izkoreninim iz svoje dežele, ki sem jo jim dal, in hišo to, ki sem jo posvetil za svoje ime, zavržem izpred obličja svojega in jo dam v pregovor in v zabavljico med vsemi ljudstvi.
20dia hongotako amin'ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an'ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin'ny firenena rehetra. [Heb. azy]
21In ob tej hiši, ki je bila tako visoka, bo vsak strmel, kdor pojde mimo, in dejal: Zakaj je GOSPOD tako storil tej deželi in tej hiši?In poreko: Ker so zapustili GOSPODA, očetov svojih Boga, ki jih je izpeljal iz dežele Egiptovske, in so se oklenili drugih bogov ter jih molili in jim služili: zato je pripravil nadnje vso to nesrečo.
21Ary na dia avo aza ity trano ity, dia ho fitalanjonan'izay rehetra mandalo azy ka hatao hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.
22In poreko: Ker so zapustili GOSPODA, očetov svojih Boga, ki jih je izpeljal iz dežele Egiptovske, in so se oklenili drugih bogov ter jih molili in jim služili: zato je pripravil nadnje vso to nesrečo.
22Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.