Slovenian

Malagasy

2 Chronicles

9

1Ko pa je slišala kraljica v Sabi Salomonov sloves, je prišla z ugankami izkušat Salomona v Jeruzalem s silno velikim spremstvom in z velblodi, ki so nesli dišav in zlata jako mnogo in dragega kamenja. In ko je dospela k Salomonu, je govorila ž njim o vsem, kar ji je bilo na srcu.
1[Sy namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin'i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao am-pony.
2In Salomon ji je razložil vse, kar ga je vprašala; in ni bilo stvari, ki bi bila skrita Salomonu, da bi ji ne bil povedal.
2Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'i Solomona, fa nambarany azy avokoa.
3Ko pa je čula kraljica iz Sabe modrost Salomonovo in videla hišo, ki jo je zgradil,
3Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny trano izay nataony
4in jed na mizi njegovi in bivališče hlapcev njegovih in strežbo služabnikov njegovih in njih obleko, njegove točaje in njih obleko in stopnice njegove, po katerih je hodil v hišo GOSPODOVO, ji je od strmenja sapa zastala.
4sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
5In reče kralju: Resnična je bila beseda, ki sem jo slišala v deželi svoji o tvojih stvareh in o tvoji modrosti!
5Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao.
6Toda nisem hotela verjeti njih besedam, dokler nisem prišla in tega videla s svojimi očmi. In glej, ne polovice mi niso povedali o velikosti tvoje modrosti: vsega več je pri tebi nego v govorici, ki sem jo slišala.
6Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
7Blagor tvojim ljudem in blagor tem tvojim hlapcem, ki vedno stoje pred teboj in poslušajo modrost tvojo!
7Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!
8Hvaljen bodi GOSPOD, Bog tvoj, ki ti je bil blagovoljen, da te je posadil na prestol svoj za kralja GOSPODU, Bogu tvojemu! Kajti Bog tvoj ljubi Izraela in ga hoče vzdržati na vekomaj, zato te je postavil za kralja nad njimi, da izvršuješ sodbo in pravičnost.
8Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an'i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan'Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
9In dala je kralju sto in dvajset talentov zlata in veliko množino dišav in dragih kamenov; ni bilo več takih dišav kakor tiste, ki jih je dala kraljica iz Sabe Salomonu.
9Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona mpanjaka.
10Pa tudi hlapci Huramovi in hlapci Salomonovi, ki so peljali zlato iz Ofirja, so pripeljali sandalovine in dragih kamenov.
10Ary ny mpanompon'i Hirama koa sy ny mpanompon'i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.
11In kralj je dal narediti iz sandalovega lesa stopnice za hišo GOSPODOVO in za hišo kraljevo, tudi harfe in psalmove citre pevcem; kaj takega ni bilo poprej videti v deželi Judovi.
11Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka ambaratonga mankamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin'ny tanin'ny Joda.
12In kralj Salomon je dal kraljici iz Sabe vse, kar je želela in kar je prosila, razen tega, kar je bila sama prinesla kralju. In vrnila se je ter odšla v deželo svojo, ona in njeni hlapci.
12Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin'ny nentiny ho an'ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
13Teža zlata pa, ki je prišlo Salomonu na leto, je bila šeststo šestdeset in šest talentov,
13[Ny varotra nataon'i Solomona mbamin'ny hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
14razen tega, kar so prinesli popotniki in trgovci; tudi vsi kralji arabski in deželni namestniki so prinašali zlata in srebra Salomonu.
14afa-tsy izay nentin'ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona.
15In kralj Salomon je naredil dvesto ščitov iz tolkljanega zlata: šeststo seklov tolkljanega zlata je porabil za en ščit;
15Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.
16in tristo malih ščitov iz tolkljanega zlata, po tristo seklov zlata je šlo na en ščit. In kralj jih je zložil v hiši libanonskega gozda.
16Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona lreo.
17In kralj je napravil velik prestol iz slonovih kosti in ga je prevlekel s čistim zlatom.
17Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara.
18Imel je pa prestol šest stopnic, s podnožjem zlatim, priklenjenih k sebi, in dve naslonili na obeh straneh pri sedežu in dva leva, stoječa ob naslonilih.
18Nisy ambaratonga enina amin'ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin'ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana;
19In dvanajst levov je stalo na tej in na oni strani ob šesterih stopnicah; kaj takega ni bilo videti v nobenem kraljestvu.
19ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.
20Pa tudi vse posode, iz katerih je pil kralj Salomon, so bile zlate, in vsa oprava v hiši libanonskega gozda je bila iz čistega zlata; srebra niso nič čislali v dnevih Salomonovih.
20Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.
21Zakaj kralj je imel ladje, ki so vozile v Tarsis s hlapci Huramovimi; po enkrat v treh letih so dospevale tarske ladje, nesoč zlata in srebra, slonovih kosti, opic in pavov.
21Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.[pavo]
22In kralj Salomon je nadkriljeval vse kralje na zemlji v bogastvu in v modrosti.
22Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.
23In vsi kralji zemlje so hrepeneli po obličju Salomonovem, da bi slišali modrost njegovo, ki mu jo je dal Bog v srce.
23Ary ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.
24In prinašali so mu vsak darilo svoje: posode srebrne in posode zlate, oblačila, orožje in dišave, konje, mezge, vsako leto, kar je bilo pristojno.
24Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
25In Salomon je imel štiri tisoč stanov za konje in vozove ter dvanajst tisoč konjikov, ki jih je razstavil po voznih mestih in pri kralju v Jeruzalemu.
25Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran-kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
26In vladal je vsem kraljem od velereke do dežele Filistejcev in do meje Egipta.
26Ary nanjaka tamin'ny mpanjaka rehetra hatramin'ny Ony ka hatramin'ny tanin'ny Filistina ary hatramin'ny sisin'i Egypta izy.[Eofrata]
27In kralj je storil, da je bilo v Jeruzalemu srebra kakor kamenja, in ceder je omislil toliko, da jih je bilo kakor smokovega drevja, ki raste v ravnini.
27Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka. [Heb. Sefela]
28In konje so vodili Salomonu iz Egipta in iz vseh dežel.
28Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin'ny tany rehetra koa Solomona.
29A druge zgodbe Salomonove, prve in poslednje, niso li zapisane v zgodovini Natana proroka in v prorokovanju Ahija Silonskega in v prikaznih Ida vidca o Jeroboamu, sinu Nebatovem?
29Ary ny tantaran'i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany. tsy efa voasoratra va izany ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany sy amin'ny faminanian'i Ahia Silonita sy amin'ny fahitan'Ido mpahita ny amin'i Jeroboama, zanak'i Nebata?
30In Salomon je vladal v Jeruzalemu nad vsem Izraelom štirideset let.In Salomon je legel k očetom svojim in je bil pokopan v mestu Davida, očeta svojega; in Roboam, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
30Ary Solomona nanjaka efa-polo taona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema.Ary Solomona lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.
31In Salomon je legel k očetom svojim in je bil pokopan v mestu Davida, očeta svojega; in Roboam, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
31Ary Solomona lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.