1Pavel, apostol Kristusa Jezusa po volji Božji, in Timotej, brat, cerkvi Božji, ki je v Korintu, z vsemi svetimi, ki bivajo po vsej Ahaji:
1[Fiarahabana sy fisaorana nataon'i Paoly noho ny nampiononan'Andriamanitra azy. Ny amin'ny nahasampona an'i Paoly tsy hankany Makedonia, sy hafatra ny amin'ny handraisana ilay efa nesorina, ary fisaoran'i Paoly an'Andriamanitra noho ny nitahiany ny tori-teniny] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia:
2Milost vam in mir od Boga Očeta našega in Gospoda Jezusa Kristusa!
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3Hvaljen bodi Bog in Oče Gospoda našega Jezusa Kristusa, Oče usmiljenosti in Bog vsake tolažbe,
3Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,
4ki nas tolaži v vsaki stiski, da moremo i mi tolažiti tiste, ki so v kakršnikoli stiski s to tolažbo, s katero nas same tolaži Bog.
4Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
5Kajti kakor je obilno trpljenje Kristusovo pri nas, tako je po Kristusu obilna tolažba naša.
5Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.
6Če smo pa stiskani, je to za vašo tolažbo in rešitev; če pa uživamo tolažbo, je to za vašo tolažbo, ki naj vas podpira v prenašanju istega trpljenja, ki ga tudi mi trpimo.
6Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.
7In upanje naše je trdno za vas, ker vemo, da kakor ste deležniki trpljenja, tako ste tudi tolažbe.
7Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.
8Kajti nočemo, da bi ne vedeli, bratje, za stisko našo, ki se nam je dogodila v Aziji, da smo bili hudo preobteženi, nad svojo moč, tako da smo obupali tudi nad življenjem;
8Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;
9da, sami v sebi smo izrekli smrtno obsodbo, – naj bi ne stavili upanja svojega na sebi, ampak na Bogu, ki obuja mrtve;
9eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.
10ki nas je take smrti otel in otimlje, v katerega upamo, da bo še dalje otimal;
10Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
11če pripomagate tudi vi nam z molitvijo, da bi se za dar, ki nam je dodeljen po molitvah mnogih, mnogi zahvaljevali zaradi nas.
11satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.
12Kajti hvala naša je ta: pričevanje vesti naše, da smo živeli v svetosti in čistosti Božji, ne v meseni modrosti, temuč v milosti Božji na svetu, posebno pa pri vas.
12Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
13Kajti nič drugega vam ne pišemo, nego kar berete in kar morate tudi priznati; upam pa, da boste to do konca priznavali,
13Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza,
14kakor ste tudi priznali nas, vsaj nekoliko, da smo hvala vaša, kakor tudi vi naša v dan Gospoda našega Jezusa.
14toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin'ny andron'i Jesosy Tompontsika.
15In s tem zaupanjem sem hotel k vam priti poprej, da bi prejeli dvojno dobroto,
15Ary tamin'izao fahatokiana izao dia nikasa hankatỳ aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany),
16in od vas potovati v Macedonijo in zopet iz Macedonije priti k vam in od vas spremljen biti v Judejo.
16ary hankany Makedonia aho, raha avy atỳ aminareo, ary dia vao hiverina ho atỳ aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.
17Ko sem torej to hotel, sem li lahkomiselno ravnal? ali kar sklepam, sklepam po mesu, da bi bilo pri meni hkratu ‚da, da‘ in ‚ne, ne‘?
17Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?
18Ali zvest je Bog, da beseda naša do vas ni bila ‚da‘ in ‚ne‘.
18Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;
19Kajti Božji Sin Jezus Kristus, ki smo ga med vami oznanili jaz in Silvan in Timotej, ni bil ‚da‘ in ‚ne‘, temuč v njem je bilo ‚da‘.
19fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.
20Zakaj kolikorkoli je obljub Božjih, v njem so ‚da‘, zato tudi po njem ‚Amen‘ Bogu na slavo po nas.
20Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.
21Ta pa, ki nas utrjuje z vami vred v Kristusa in nas je pomazilil, je Bog,
21Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,
22ki nas je tudi zapečatil in dal zastavo Duha v srca naša.
22Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
23A jaz kličem za pričo Boga na svojo dušo, da iz prizanašanja do vas še nisem prišel v Korint.Ne da gospodujemo v veri vaši, temuč sodelavci smo za radost vašo; kajti z vero stojite.
23Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.
24Ne da gospodujemo v veri vaši, temuč sodelavci smo za radost vašo; kajti z vero stojite.
24Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.