Slovenian

Malagasy

2 John

1

1Starejšina izvoljeni gospe in otrokom njenim, ki jih jaz ljubim v resnici, in ne jaz sam, ampak tudi vsi, ki so spoznali resnico,
1[Anatra ny amin'ny faharetana amin'ny marina, sy ny tsy handraisana ny mpampianatra sandoka] Izaho loholona mamangy an'itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin'ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa) [ Gr. Ny presbytera] [ Na: an'i Kyria]
2zaradi resnice, ki ostaja v nas in z nami bode vekomaj.
2noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay:
3Z nami bode milost, usmiljenje, mir od Boga Očeta in od Jezusa Kristusa, Sinu Očetovega, v resnici in ljubezni.
3ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana.
4Zelo sem se veselil, ker sem našel nekatere izmed otrok tvojih, ki žive v resnici, kakor smo zapoved prejeli od Očeta.
4Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin'ny Ray.
5In sedaj te prosim, gospa, ne kakor da bi ti pisal novo zapoved, temuč katero smo imeli od začetka, da se ljubimo med seboj.
5Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. [ Na: ry Kyria]
6In to je ljubezen, da živimo po zapovedih njegovih. To je zapoved, kakor ste slišali od začetka, da v njej živite.
6Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.
7Kajti mnogi sleparji so prišli na svet, ki ne pripoznavajo Jezusa Kristusa, da je prišel v mesu. Ta je slepar in antikrist.
7Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.
8Pazite nase, da ne izgubite, kar ste pridelali, temuč prejmete popolno plačilo.
8Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.
9Kdorkoli prestopa in ne ostaja v nauku Kristusovem, nima Boga; kdor ostaja v nauku, ta ima i Očeta i Sina.
9Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.
10Če kdo prihaja k vam in ne prinaša tega nauka, ne sprejemajte ga v hišo in ne pozdravljajte ga;
10Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;
11kajti kdor ga pozdravlja, se udeležuje hudobnih del njegovih.
11fa izay miarahaba azy dia miombona amin'ny ratsy ataony.
12Mnogo sem vam imel pisati, a nisem hotel na papir in s črnilom; ali upam priti k vam in iz ust do ust govoriti, da bode veselje vaše popolno.Pozdravljajo te otroci sestre tvoje izvoljene.
12Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.
13Pozdravljajo te otroci sestre tvoje izvoljene.
13Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.