Slovenian

Malagasy

2 Kings

14

1V drugem letu Joasa, sina Joahazovega, kralja v Izraelu, je zakraljeval Amazija, sin Joasa, kralja Judovega.
1[Ny nanjakan'i Amazia tamin'ny Joda] Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda.
2Petindvajset let je bil star, ko je zakraljeval, in vladal je devetindvajset let v Jeruzalemu; in materi njegovi je bilo ime Joadina iz Jeruzalema.
2Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
3In delal je, kar je bilo prav v očeh GOSPODOVIH, a ne kakor David, oče njegov, ampak ravnal se je po vsem, kar je delal njegov oče Joas.
3Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon'i Joasy rainy ihany no nataony.
4Toda višave niso bile odpravljene, ljudstvo je še darovalo in žgalo kadilo na višavah.
4Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5In ko mu je bilo kraljestvo trdno v rokah, je umoril hlapca svoja, ki sta bila ubila kralja, očeta njegovega.
5Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
6Ali otrok morilcev ni usmrtil, po zapovedi GOSPODOVI, kakor je pisano v knjigi postave Mojzesove: Očetje naj se ne obsodijo v smrt za otroke, tudi ne otroci za očete; sleherni naj umrje za svoj greh.
6Fa ny zanak'ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona.
7On je pobil iz Edomcev v Solni dolini deset tisoč in pridobil je Selo v vojni in jo imenoval Jokteel, do današnjega dne.
7Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i Sela tamin'ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
8Potem pošlje Amazija sporočnikov k Joasu, sinu Joahaza, sina Jehujevega, kralju Izraelovemu, rekoč: Pridi, da si pogledava v lice!
8Tamin'izany Amazia dia naniraka olona tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
9Joas pa, kralj Izraelov, pošlje k Amaziju, kralju Judovemu, in sporoči: Osat, ki je bil na Libanonu, je poslal k libanonskemu cedru, rekoč: Daj svojo hčer sinu mojemu za ženo! V tem je šla mimo divja zver z Libanona in je poteptala osat.
9Fa Joasy mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
10Porazil si res Edoma, in tega se je srce tvoje prevzelo. Hvali se s tem in ostani doma! Zakaj siliš v nesrečo, da padeš ti in Juda s teboj?
10Efa namely an'i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
11Ali Amazija ni hotel poslušati. Tedaj je šel gori Joas, kralj Izraelov, in pogledala sta si v lice on in Amazija, kralj Judov, v Betsemesu, ki je na Judovem.
11Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
12In Juda je izgubil bitko pred Izraelom, in bežal je vsak v šator svoj.
12Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
13In Joas, kralj Izraelov, ujame Amazija, kralja Judovega, sina Joasa, sinu Ahazijevega, v Betsemesu, in ko pride v Jeruzalem, podere zidove jeruzalemske od Efraimovih vrat do Vogelnih vrat, štiristo komolcev.
13Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
14In vzame vse zlato in srebro in vse posode, kar se jih je našlo v hiši GOSPODOVI in v zakladih hiše kraljeve, tudi zastavljence, in se vrne v Samarijo.
14Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
15Druge zgodbe Joasove, kar je storil, in moč njegova in kako se je bojeval z Amazijem, kraljem Judovim, ni li zapisano v knjigi, letopisov kraljev Izraelovih?
15Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'ny heriny sy ny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
16In Joas je legel k očetom svojim, in pokopali so ga v Samariji s kralji Izraelovimi. In Jeroboam, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
16Ary Joasy lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
17Amazija pa, sin Joasov, kralj Judov, je živel še petnajst let po smrti Joasa, sina Joahazovega, kralja izraelskega.
17Ary ny andro niainan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahada, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
18Druge pa zgodbe Amazijeve niso li zapisane v knjigi letopisov kraljev Judovih?
18Ary ny tantaran'i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
19In napravili so zoper njega zaroto v Jeruzalemu; on pa je pobegnil v Lahis, in poslali so za njim v Lahis in ga tam ubili.
19Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
20In so ga prinesli na konjih in pokopali v Jeruzalemu z očeti njegovimi v mestu Davidovem.
20Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy.
21In vse ljudstvo Judovo vzame Azarija [Se imenuje Uzija.], ki je bil šestnajst let star, ter ga postavijo za kralja na mestu očeta njegovega Amazija.
21Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Azaria, izay vao enina ambin'ny folo taona tamin'izay, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
22On je zgradil Elat in ga je zopet prilastil Judi, potem ko je bil legel kralj k očetom svojim.
22Izy no hanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka.
23V petnajstem letu Amazija, sinu Joasa, kralja Judovega, je zakraljeval Jeroboam, sin Joasa, kralja Izraelovega, v Samariji in je vladal enoinštirideset let.
23[Ny nanjakan'i Jeroboama II tamin'ny Isiraely sy ny nampodiany ny voninahitry ny fanjakana ho tahaka ny teo] Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
24In delal je, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH; ni odstopil od vseh grehov Jeroboama, sinu Nebatovega, ki je ž njimi zapeljeval Izraela v greh.
24Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
25On je zopet pridobil Izraelu prejšnje meje od poti v Hamat do Morja v nižini, po besedi GOSPODA, Boga Izraelovega, ki jo je govoril po hlapcu svojem Jonu, sinu Amitajevem, proroku, ki je bil iz Gat-heferja.
25Izy no nampody ny sisin-tanin'ny Isiraely ka azony hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny ranomasin'ny tani-hay, araka ny tenin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak'i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera.[Heb. Arabà]
26Videl je namreč GOSPOD prebridko stisko Izraelovo, da je uničen suženj in tudi svobodni in da ni bilo pomočnika Izraelu.
26Fa efa hitan'i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian'ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
27In GOSPOD ni bil rekel, da izbriše ime Izraelovo izpod neba; in rešil jih je po roki Jeroboama, sina Joasovega.
27Fa tsy mba nolazain'i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy.
28Kar je pa več praviti o Jeroboamu in vse, kar je storil, in moč njegova, kako se je bojeval in kako je pridobil Damask in Hamat, ki sta bila nekdaj Judova, zopet Izraelu, ni li to zapisano v knjigi letopisov kraljev Izraelovih?In Jeroboam je legel k očetom svojim, h kraljem Izraelovim. In Zaharija, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
28Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa mbamin'izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'ny Joda fahiny, ho an'ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.
29In Jeroboam je legel k očetom svojim, h kraljem Izraelovim. In Zaharija, sin njegov, je zakraljeval na mestu njegovem.
29Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.