Slovenian

Malagasy

2 Kings

23

1Nato pošlje kralj in zbere k sebi vse starejšine Judove in jeruzalemske.
1[Ny fahazotoan'i Josia handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana, sy ny nahafatesany] Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra.
2In kralj gre gori v hišo GOSPODOVO in vsi možje Judovi in prebivalci jeruzalemski ž njim, tudi duhovniki in proroki in vse ljudstvo, mali in veliki; in čita, da vsi slišijo, vse besede knjige zaveze, ki se je našla v hiši GOSPODOVI.
2Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
3In kralj se ustopi ob stebru in stori zavezo pred GOSPODOM, da bo hodil za GOSPODOM in izpolnjeval zapovedi njegove in pričevanja njegova in postave njegove iz vsega srca in iz vse duše, da ostanejo veljavne te zaveze besede, ki so zapisane v tej knjigi. In vse ljudstvo je stopilo v to zavezo.
3Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
4In kralj zapove Hilkiju, velikemu duhovniku, in duhovnikom druge vrste in varuhom pri vratih, naj pomečejo iz templja GOSPODOVEGA vse priprave, ki so jih naredili Baalu in Ašeri in vsej vojski nebeški; in sežgal jih je zunaj Jeruzalema na Kidronskih poljanah, in njih prah so odnesli v Betel.
4Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an'i Bala sy Astarta ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra hiala amin'ny tempolin'i Jehovah; ka nodorany tany ivelan'i Jerosalema teny amin'ny saha amoron'i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
5In odpravil je malikovalske svečenike, ki jih je bil kralj Judov postavil, da žgo kadilo na višavah po mestih Judovih in v okolišu Jeruzalema; tudi tiste, ki so žgali kadilo Baalu, solncu in mesecu, ozvezdjem in vsej vojski nebeški.
5Ary natsahany koa ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy, izay notendren'ny mpanjakan'ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin'ny fitoerana avo tany amin'ny tanànan'ny Joda sy tamin'ny manodidina an'i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an'i Bala, dia ny masoandro, ary ho an'ny volana sy ny kintana amin'ny Zodiaka ary ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra.[Heb. Mazotoa; izahao Joba xxxviii. 32]
6Velel je tudi odnesti Ašero iz hiše GOSPODOVE ven za Jeruzalem k potoku Kidronu, in jo je sežgal pri potoku Kidronu in zmel v prah, in prah je raztresel po grobovih nizkega ljudstva.
6Ary ny Aseraha navoakany hiala amin'ny tranon'i Jehovah ho any ivelan'i Jerosalema, ao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin'ny fasam-bahoaka.
7In razdrl je nečistosti posvečene hiše, ki so bile pri hiši GOSPODOVI in so v njih ženske tkale Ašeri ogrinjala.
7Ary noravany ny tranon'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia ireo nanenoman'ny vehivavy lay ho an'i Astarta.
8Velel je tudi duhovnikom iti iz mest Judovih in je oskrunil višave, kjer so bili duhovniki žgali kadilo, od Gebe do Bersebe. In podrl je višave pri vratih, ki so bile pri vhodu v vrata Jozueta, mestnega poglavarja, po levi strani, koder se gre v mesto.
8Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin'ny tanànan'ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan'ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin'ny vavahady, dia ilay teo anoloan'ny vavahadin'i Josoa, komandin'ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin'ny vavahadin'ny tanana.
9Ali duhovniki višav niso smeli pristopiti gori k oltarju GOSPODOVEMU v Jeruzalemu, jedli so samo opresnike med svojimi brati.
9Fa ny mpisorona tamin'ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin'ny rahalahiny ihany izy.
10In oskrunil je Tofet, ki je v dolini Hinomovih sinov, da bi nihče več ne peljal sina svojega ali hčere svoje skozi ogenj, darujoč ju Molohu.
10Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka intsony.
11Odpravil je tudi konje, ki so jih bili kralji Judovi postavili solncu, proti vhodu v hišo GOSPODOVO, poleg hrama dvornika Natanmeleka, ki je bival v Parvarimu, in solnčne vozove je sežgal z ognjem.
11Ary ny soavaly izay nohamasinin'ireo mpanjakan'ny Joda ho an'ny masoandro ka nataony teo amin'ny fidirana ho ao an-tranon'i Jehovah, teo akaikin'ny efi-tranon'i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin'ny masoandro nodorany tamin'ny afo.[Heb. ionoka][Tokony ho anaran-trano madinika sasany teo an-kianjan'ny tempoly]
12Oltarje pa, ki so bili na strehi gornje izbe Ahazove in so jih napravili kralji Judovi, in oltarje, katere je naredil Manasej na obeh dvoriščih hiše GOSPODOVE, je zrušil kralj in pometal odondod, in njih prah je stresel v potok Kidron.
12Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin'ny tranon'i Ahaza, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Joda, sy ny alitara izay nataon'i Manase tao anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah, dia noravan'ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
13In višave pred Jeruzalemom, ki so bile na desni strani Gore pogube in jih je bil Salomon, kralj Izraelov, zgradil Astoreti, grdobi Sidoncev, in Kamosu, grdobi Moabcev, in Milkomu, gnusobi sinov Amonovih, je oskrunil kralj.
13Ary nolotoin'ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan'i Jerosalema, teo amin'ny ankavanan'ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, ho an'i Astarta, fa havetavetan'ny Sidoniana, sy ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, ary ho an'i Milkoma, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.
14In strl je stebre s podobami in posekal Ašere, njih mesta pa je napolnil s človeškimi kostmi.
14Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan'olona ny nitoerany.
15Enako je tudi porušil oltar v Betelu in višavo, ki jo je napravil Jeroboam, sin Nebatov, ki je napotil Izraela v greh, tisti oltar in višavo je porušil; in sežgal je višavo in jo strl v prah, sežgal tudi Ašero.
15Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
16In Josija se ozre in zagleda grobe, ki so bili ondi v gori, in pošlje in vzame kosti iz grobov ter jih sežge na oltarju in ga oskruni po besedi GOSPODOVI, katero je zaklical mož Božji, napovedujoč te reči.
16Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin'ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin'i Jehovah, izay notorin'ilay lehilahin'Andriamanitra.[Izahao 1 Mpanjaka xiii. 2]
17Nato vpraša: Kakšno je tu nadgrobno znamenje, ki ga vidim? In mestni možje mu reko: Grob je moža Božjega, ki je prišel z Judovega in zaklical te reči, ki si jih storil, zoper oltar betelski.
17Dia hoy izy: Tsangam-baton'iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin'ny alitara eto Betela izao.
18In veli: Naj leži, nihče ne gani njegovih kosti! Tako so ostale nedotaknjene kosti njegove in kosti proroka, ki je bil prišel iz Samarije.
18Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan'ilay mpaminany avy tany Samaria.
19Tudi vse hiše višav, kar jih je bilo po mestih samarijskiln, katere so napravili kralji Izraelovi, da dražijo GOSPODA, je Josija odpravil in ž njimi storil prav tako, kakor je bil storil v Betelu.
19Ary ny trano rehetra tamin'ny fitoerana avo, izay teny amin'ny tanànan'i Samaria, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan'i Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela.
20In daroval je vse duhovnike višav, ki so bili ondi, na oltarjih in je žgal človeške kosti na njih. Potem se vrne v Jeruzalem.
20Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin'ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin'ny alitara, sady nandoro taolan'olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
21Tedaj zapove kralj vsemu ljudstvu, rekoč: Praznujte pasho GOSPODU, Bogu svojemu, kakor je pisano v tej knjigi zaveze.
21Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ity fanekena ity.
22Gotovo se ni praznovala taka pasha od dni sodnikov, ki so sodili Izraela, pa tudi ne v dnevih kraljev Judovih in kraljev Izraelovih;
22Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin'ny andron'ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin'ny andro rehetra nanjakan'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda;
23temuč v osemnajstem letu kralja Josija se je praznovala ta pasha GOSPODU v Jeruzalemu.
23fa tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an'i Jehovah tany Jerosalema.
24Vrhutega je Josija iztrebil tudi rotilce mrtvih in čarodejnike in hišne bogove, malike in vse grdobe, kar se jih je zalotilo v deželi Judovi in v Jeruzalemu, da uveljavi besede postave, pisane v knjigi, ki jo je našel duhovnik Hilkija v hiši GOSPODOVI.
24Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin'ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin'i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin'ny lalàna voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Hilkia mpisorona tao an-tranon'i Jehovah.
25In ni ga bilo njemu podobnega kralja pred njim, ki bi se bil preobrnil h GOSPODU iz vsega srca in iz vse duše in iz vse moči svoje, po vsej postavi Mojzesovi, tudi za njim ni vstal nobeden njemu enak.
25Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin'i Jehovah tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn'i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
26Vendar se GOSPOD ni odvrnil od togote velike jeze svoje, v kateri se je vnel srd njegov zoper Judo, zaradi vsega draženja, s katerim ga je bil dražil Manasej.
26Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin'ny firehetan'ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin'ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran'i Manase Azy.
27In GOSPOD je rekel: Odpravim tudi Judo izpred obličja svojega, kakor sem odpravil Izraela, in zavržem mesto to, ki sem si ga izvolil, Jeruzalem, tudi hišo, za katero sem rekel: Ime moje bode ondi.
27Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
28Kar je pa več praviti o Josiju in vse, kar je storil, ni li zapisano v knjigi letopisov kraljev Judovih?
28Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
29V dnevih njegovih je šel gori Faraon Neko, kralj egiptovski, zoper kralja asirskega na reko Evfrat; njemu je šel Josija nasproti; Neko pa ga je umoril v Megidu, ko ga je bil videl.
29Tamin'ny andro nanjakan'i Josia no niakaran'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, hankany amoron'ny ony Eofrata hiady amin'ny mpanjakan'i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin'i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
30In hlapci njegovi so ga mrtvega odpeljali iz Megida in ga pripeljali v Jeruzalem ter pokopali v grobu njegovem. In ljudstvo dežele je vzelo Joahaza, sina Josijevega, in so ga pomazilili ter postavili za kralja namesto očeta njegovega.
30Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin'ny fasany. Ary nalain'ny vahoaka Joahaza, zanak'i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
31Triindvajset let je bilo Joahazu, ko je zakraljeval, in vladal je tri mesece v Jeruzalemu. Materi njegovi je bilo ime Hamutala, hči Jeremijeva, iz Libne.
31[Ny nanjakan'i Joahaza sy Joiakima ary Joiakina] Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
32In delal je, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, po vsem, kar so delali očetje njegovi.
32Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'ny razany.
33In Faraon Neko ga je dejal v spone v Ribli, v hamatski pokrajini, da ne bi več kraljeval v Jeruzalemu; in naložil je deželi globo: sto talentov srebra in talent zlata.
33Ary nafatotr'i Farao-neko tao Ribla any amin'ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
34In Faraon Neko je postavil Eljakima, sina Josijevega, za kralja namesto Josija, očeta njegovega, in premenil mu je ime v Jojakima. Joahaza pa je vzel s seboj; in ta je prišel v Egipt in je tam umrl.
34Ary Farao-neko nanendry an'i Eliakima, zanak'i Josia, ho mpanjaka hisolo an'i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
35In Jojakim je dal srebro in zlato Faraonu; toda naložil je doklade deželi, da bi dala tisti denar po Faraonovem povelju: izterjal je srebra in zlata od ljudstva v deželi, od vsakega po cenitvi njegovi, da plača Faraonu Neku.
35Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen'i Joiakima an'i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin'i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an'i Farao-neko.
36Jojakim je bil petindvajset let star, ko je zakraljeval, in vladal je enajst let v Jeruzalemu. In materi njegovi je bilo ime Zebida, hči Pedajeva iz Rume.In delal je, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, po vsem, kar so bili delali očetje njegovi.
36Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin'i Pedaia, avy any Romaha.Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay nataon'ny razany.
37In delal je, kar je bilo hudo v očeh GOSPODOVIH, po vsem, kar so bili delali očetje njegovi.
37Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay nataon'ny razany.