Slovenian

Malagasy

2 Samuel

1

1Zgodi se pa po smrti Savlovi, ko se je bil David vrnil od poboja Amalekovcev in je bival dva dni v Ziklagu,
1[Ny nataon'i Davida, rehefa nahare ny nahafatesan'i Saoly, sy ny hira fisaonana nentiny nisaona azy] Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.
2glej, tretjega dne pride mož iz tabora Savlove vojske z raztrganimi oblačili in s prstjo na glavi. In ko dospe k Davidu, pade na tla in se pokloni.
2Ary tamin'ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin'ny miaramilan'i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin'i Davida izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nitsaoka.
3In David mu reče: Odkod prihajaš? On mu reče: Iz tabora Izraelovega sem ubežal.
3Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin'ny tobin'ny Isiraely aho.
4David ga vpraša: Kako se je godilo? Povej mi, prosim. On odgovori: Ljudstvo je bežalo iz boja in je tudi dosti ljudstva padlo in poginilo, tudi Savel in njegov sin Jonatan sta mrtva.
4Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin'ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.
5In David reče mladeniču, ki mu je to pravil: Kako veš, da sta mrtva Savel in njegov sin Jonatan?
5Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany.
6Mladenič, ki mu je to pravil, reče: Po naključbi sem prišel na goro Gilboo, in glej, Savel se je bil naslonil na sulico svojo, in glej, vozovi in jezdeci so hiteli za njim.
6Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin'ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
7In ko se ozre, me ugleda in me pokliče. In jaz odvrnem: Tu sem!
7Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
8On pa mi reče: Kdo si ti? Rečem mu: Amalekovec sem.
8Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
9Nato mi veli: Stopi k meni in me usmrti, kajti groza se me je lotila, ker še je duša docela v meni!
9Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
10In stopil sem k njemu in ga usmrtil, ker sem vedel, da ne more živeti po svojem padcu. In vzel sem venec, ki ga je imel na glavi, in zapestnico z roke njegove, in sem ju zdaj prinesel tebi, gospodu svojemu!
10Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ka nentiko etỳ amin'ny tompoko izany.[Heb. lavo]
11Tedaj prime David za oblačila svoja in jih raztrga, enako tudi vsi možje, ki so bili pri njem;
11Dia noraisin'i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
12in so žalovali in jokali in se postili do večera po Savlu in po Jonatanu, sinu njegovem, in zavoljo ljudstva GOSPODOVEGA in hiše Izraelove, ker so bili padli po meču.
12Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
13In David reče mladeniču, ki mu je to naznanil: Odkod si? Odgovori: Sin sem tujca, Amalekovca.
13Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho.
14In David mu reče: Kako, da se nisi bal položiti roke svoje na maziljenca GOSPODOVEGA, da ga pogubiš?
14Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr'i Jehovah?
15In pokliče David enega mladeničev svojih in veli: Stopi sem in ga umori! In ga je udaril, da je umrl.
15Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.
16In David mu reče: Kri tvoja bodi na glavi tvoji! Zakaj tvoja usta so zoper tebe pričala, rekoč: Jaz sem usmrtil maziljenca GOSPODOVEGA.
16ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah.
17In David je pel to žalostinko nad Savlom in Jonatanom, sinom njegovim,
17Ary Davida nisaona an'i Saoly sy Jonatana zanany tamin'izao hira fisaonana izao
18in je velel, da se nauče sinovi Judovi pesem „o loku“; glej, zapisana je v knjigi Jašarjevi:
18(ary nasainy nampianarina ny taranak'i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara izany): [Jasara = Ilay mahitsy]
19Slava tvoja, o Izrael, je bila ubita na višinah tvojih! Kako so padli junaki!
19Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin'ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery! [Na: gazelanao, dia anaram-biby haingan-tongotra]
20Ne pravite tega v Gatu, ne oznanjujte po ulicah v Askelonu, da se ne vesele hčere Filistejcev, da ne vriskajo radostno neobrezancev hčere!
20Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben'i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin'ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin'ny tsy mifora.
21O gore Gilboe, da ne bi bilo rose ali dežja na vas, ne njiv, s katerih bi se prinašale daritve! Ker ondi je bil junakom ščit s sramoto odvržen, ščit Savlov, kakor bi ne bil z oljem maziljen.
21Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan'ny mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo.[Na: nanariana][Na: toy ny an'izay]
22Brez krvi pobitih, brez tolstine junakov se ni vračal lok Jonatanov, in meč Savlov ni prišel nikoli prazen nazaj.
22Ny tsipìkan'i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny tavin'ny mahery; ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana.
23Savel in Jonatan, ljubezniva in draga sta bila v življenju, tudi v smrti nista ločena; bila sta hitrejša nego orli, močnejša nego levi.
23Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin'ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.
24Hčere Izraelove, plakajte po Savlu, ki vas je mično oblačil v škrlat in je deval dragotine zlate na obleke vaše!
24Ry zanakavavin'Isiraely, mitomania an'i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.
25Kako so padli junaki sredi boja! Jonatan je bil ubit na višinah tvojih.
25Endrey! lavo teo amin'ny ady ny mahery voalefona teo amin'ny havoananao Jonatana.
26Žal mi je tebe, brat moj Jonatan; drag si mi bil jako! Divna mi je bila ljubezen tvoja, bolj nego žená ljubezen.Kako so padli junaki in je poginilo vojno orožje!
26Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan'ny vehivavy.Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!
27Kako so padli junaki in je poginilo vojno orožje!
27Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!