Slovenian

Malagasy

Acts

14

1Zgodi se pa v Ikoniji, da sta skupno šla v judovsko shodnico in sta tako govorila, da je vero sprejela velika množica Judov in Grkov.
1[Ny nitorian'i Paoly sy Barnabasy teny tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe, sy ny niverenany nankany Antiokia indray] Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa. [ Gr. Grika]
2Tisti Judje pa, ki niso verovali, naščujejo in nahujskajo duše poganov zoper brate.
2Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy.
3Ostala sta tam torej dosti časa, srčno govoreč v Gospodu, ki je pričeval za besedo milosti svoje in dajal, da so se znamenja in čudeži godili po njunih rokah.
3Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany
4Mestna množica se pa razdeli, in eni so bili za Jude, drugi pa za apostola.
4Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
5Ko so se pa vzdignili pogani in Judje s poglavarji svojimi, da bi ju sramotili in kamenali,
5Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny loholony,
6zvesta za to in pobegneta v likaonski mesti Listro in Derbo in v okolico;
6ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany manodidina, izy,
7in tu sta oznanjevala evangelij.
7dia nitory ny filazantsara tany.
8In v Listri je sedel neki mož, brez moči v nogah, hrom od materinega telesa, ki ni nikoli hodil.
8Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
9Ta posluša Pavla, ko govori; on pa vpre oči vanj in videč, da ima vero, da ozdravi,
9izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
10reče z močnim glasom: Stopi na noge svoje pokonci! In poskoči in začne hoditi.
10dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.
11Ko pa vidi ljudstvo, kar je Pavel storil, povzdignejo glas in kličejo likaonski: Bogova sta v človeški podobi prišla doli k nam.
11Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona!
12In imenovali so Barnaba Jupitra, a Pavla Merkurja, ker je bil on prvi govornik.
12Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra. [ Gr. Zeosy] [ Gr. Hermesy]
13In duhovnik Jupitra, ki je imel tempelj pred mestom, pripelje juncev in prinese vencev k vratom ter jima hoče z ljudstvom darovati.
13Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
14Ko pa to zaslišita apostola, Pavel in Barnaba, si raztrgata oblačila in skočita med ljudstvo, kričeč
14Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe:
15in govoreč: Možje! kaj to delate? Tudi midva sva človeka, z vami enake narave, in vam oznanjujeva blagovestje, da se od teh ničevih reči obrnete k živemu Bogu, ki je ustvaril nebo in zemljo in morje in vse, kar je v njih;
15Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
16ki je v preteklih časih pustil vse narode, da so hodili po svojih potih.
16Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin'ny lalana tiany haleha tamin'ny andro lasa.
17Vendar pa sebe ni pustil brez pričevanja s tem, da je delil dobrote, dajal vam z neba dež in rodovitne čase in napolnjeval srca vaša z jedjo in veseljem.
17Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana.
18In tako govoreč, sta le s težavo ustavila ljudstvo, da jima ni darovalo.
18Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
19Pride pa tja nekaj Judov iz Antiohije in Ikonije, ki pregovore ljudstvo, da kamenajo Pavla in ga izvlečejo iz mesta, misleč, da je umrl.
19Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
20Ko pa ga učenci obstopijo, vstane in pride v mesto. In drugi dan odide z Barnabom v Derbo.
20Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.
21In ko sta oznanila evangelij temu mestu in sta pridobila dosti učencev, sta se vrnila v Listro in Ikonijo in Antiohijo,
21Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
22potrjujoč duše učencev in jih opominjajoč, da naj vztrajajo v veri in da nam je treba po mnogih stiskah priti v kraljestvo Božje.
22nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
23In postavita [Ali: izvolita.] jim starejšine v vsaki cerkvi in jih v molitvi in s postom priporočita Gospodu, ki so bili vanj sprejeli vero.
23Ary rehefa nanendry loholona teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany. [ Na: nampananga-tanana nifidy] [ Gr. presbytera]
24In prehodita Pisidijo in prideta v Pamfilijo,
24Ary rehefa nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.
25in ko sta govorila besedo v Pergi, gresta doli v Atalijo;
25Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.
26in odtod se odpeljeta po morju v Antiohijo, odkoder sta bila izročena milosti Božji na delo, ki sta ga bila izvršila.
26Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy.
27Ko pa dojdeta tja in zbereta cerkev, sporočita, koliko reči je Bog ž njima storil in da je odprl poganom vrata vere.In prebila sta tu ne malo časa z učenci.
27Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa.Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.
28In prebila sta tu ne malo časa z učenci.
28Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.