Slovenian

Malagasy

Acts

9

1Savel pa, še vedno dihteč pretenje in morjenje zoper učence Gospodove, pristopi k velikemu duhovniku
1[Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy
2in izprosi od njega pisem v Damask do shodnic, če najde kake pristaše tega pota, bodisi može ali žene, da jih zvezane pripelje v Jeruzalem.
2ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy. [Gr: lalana]
3Na poti pa, ko se je že bližal Damasku, se zgodi, da ga nagloma obsije svetloba z neba.
3Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy;
4In pade na zemljo in zasliši glas, da mu pravi: Savel, Savel, kaj me preganjaš?
4dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
5On pa reče: Kdo si, Gospod? A Gospod reče: Jaz sem Jezus, ki ga ti preganjaš.
5Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
6Ali vstani in pojdi v mesto, in tam se ti pove, kaj ti je treba storiti.
6fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
7Možje pa, ki so ž njim šli, se ustavijo in strmé, ko glas sicer slišijo, pa nikogar ne vidijo.
7Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
8In Savel vstane s tal; ko pa odpre oči, ne vidi ničesar. Tedaj ga primejo za roko in pripeljejo v Damask.
8Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
9In tri dni ni videl, in ni jedel, ne pil.
9Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
10Bil je pa neki učenec v Damasku, po imenu Ananija; in Gospod mu veli v prikazni: Ananija! On pa reče: Tu sem, Gospod.
10Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
11A Gospod njemu: Vstani in pojdi v ulico, ki se imenuje Ravna, in vprašaj v hiši Judovi po nekem Taršanu, ki se imenuje Savel. Kajti glej, moli,
11Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;
12in je videl v prikazni moža, po imenu Ananija, da vstopi in položi nanj roke, da bi izpregledal.
12ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
13Ananija pa odgovori: Gospod, slišal sem od mnogih o tem možu, koliko hudega je storil svetim tvojim v Jeruzalemu.
13Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
14In tu ima oblast od velikih duhovnikov zvezati vse, ki kličejo ime tvoje.
14Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
15Gospod pa mu veli: Pojdi; zakaj posoda izvoljena mi je on, da ponese ime moje pred pogane in kralje in sinove Izraelove.
15Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely;
16Jaz namreč mu pokažem, koliko mora trpeti za moje ime.
16fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
17In Ananija odide in pride v hišo, ter položivši nanj roke, reče: Savel, brat! Gospod me je poslal, Jezus, ki se ti je prikazal na poti, po kateri si šel, da izpregledaš in se napolniš svetega Duha.
17Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
18In precej padejo z oči njegovih kakor luskine, in takoj izpregleda. In vstane ter se da krstiti.
18Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
19In vzame jedi in se pokrepča. In bil je nekaj dni z učenci, ki so bili v Damasku.
19ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy.
20In precej je po shodnicah oznanjeval Jezusa, da je on Sin Božji.
20Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra.
21In zavzemali so se vsi, ki so ga slišali, in so govorili: Ni li ta tisti, ki je zatiral v Jeruzalemu te, ki so klicali to ime? in sem je bil prišel zato, da jih zvezane popelje k višjim duhovnikom!
21Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
22Savel pa je čimdalje prihajal močnejši in begal Jude, ki so bili v Damasku, trdno dokazujoč, da je ta Kristus.
22Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy. [ Gr. Ity]
23Ko je pa minilo dosti dni, se posvetujejo Judje, kako ga bodo umorili;
23Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
24ali Savel zve za njih zalezovanje. Stražijo pa tudi pri vratih noč in dan, da bi ga umorili;
24nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman'alina hamonoany azy.
25toda učenci njegovi ga vzemo po noči in ga spuste čez zid po vrvi v košu.
25Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.
26Ko pa pride v Jeruzalem, se je poskušal pridružiti učencem; ali vsi so se ga bali, ker niso verjeli, da je učenec.
26Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
27Barnaba pa ga vzame in pripelje k apostolom in jim razloži, kako je bil na poti videl Gospoda in da je v Damasku srčno govoril v imenu Jezusovem.
27Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
28In bival je ž njimi, hodeč v Jeruzalemu ven in noter in srčno govoreč v imenu Gospodovem.
28Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,
29Govoril je pa tudi in se prepiral z grškimi Judi; a oni so ga nameravali umoriti.
29sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.
30Ko pa zvedo to bratje, ga odpeljejo doli v Cezarejo in ga pošljejo v Tars.
30Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
31Tako je zdaj cerkev po vsej Judeji in Galileji in Samariji imela mir in je napredovala; in ker je hodila v strahu Gospodovem in v tolažbi svetega Duha, se je razmnoževala.
31Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.
32Zgodi se pa, ko je Peter obiskoval vse, da pride tudi k svetim, ki so prebivali v Lidi.
32[Ny nandehanan'i Petera nitety tany, sy ny nananganany an'i Dorkasy tamin'ny maty] Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona masina nonina tany Lyda koa.
33In tu najde nekega človeka, po imenu Eneja, ki je že osem let ležal v postelji, ker je bil mrtvouden.
33Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
34In Peter mu veli: Eneja, Jezus Kristus te ozdravlja; vstani in postelji si sam! In precej vstane.
34Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.
35In videli so ga vsi, ki so prebivali v Lidi in Saronu, in so se izpreobrnili h Gospodu.
35Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
36A v Jopi je bila neka učenka, po imenu Tabita (ki se imenuje, če raztolmačiš: Srna); ta je bila polna dobrih del in miloščin, ki jih je delila.
36Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany. [ Dorkasy = Gazela; izahao 2 Sam. 2,18]
37Zgodi se pa tiste dni, da zboli in umrje; in omivši jo, jo polože v gornjo izbo.
37Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.
38Ker je pa Lida blizu Jope in so učenci slišali, da je Peter tam, pošljejo k njemu dva moža, proseč, naj ne odlaša priti k njim.
38Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
39Peter pa vstane in gre ž njima. In ko pride, ga peljejo v gornjo izbo; in vse vdove ga obstopijo, jokajoč in kažoč suknje in oblačila, ki jim jih je delala Srna, dokler je bila ž njimi.
39Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
40Peter pa izžene vse ven ter poklekne in moli; nato se obrne k truplu in reče: Tabita, vstani! In ona odpre oči, in ko ugleda Petra, sede.
40Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina.
41In podavši ji roko, jo vzdigne; in pokliče svete in vdove ter jim jo pokaže živo.
41Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
42In to se razglasi po vsej Jopi, in veliko jih je sprejelo vero v Gospoda.Zgodi se pa, da je dosti dni prebil v Jopi pri nekem Simonu strojarju.
42Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
43Zgodi se pa, da je dosti dni prebil v Jopi pri nekem Simonu strojarju.
43Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.