1Besede Amosa, bivšega ovčarja v Tekoi, ki jih je v prikazni slišal za Izraela v dneh Uzija, kralja Judovega, in v dneh Jeroboama, sina Joasa, kralja Izraelovega, dve leti pred potresom.
1Ny tenin'i Amosa, izay isan'ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin'ny Isiraely tamin'ny andro nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andro nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, roa taona talohan'ny horohorontany.
2In je rekel: GOSPOD bo rjovel s Siona in grmel z glasom svojim iz Jeruzalema, in žalovali bodo pašniki pastirjev in vrh Karmela se bo posušil.
2[Ny loza hanjo ny firenena enina amin'ny jentilisa sy ny Joda, ary indrindra fa ny Isiraely] Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.
3Tako pravi GOSPOD: Zavoljo treh in zavoljo štirih pregreh, ki jih je kriv Damask, ne odvrnem šibe njegove: ker so mlatili Gileada z železnimi mlatilnicami,
3Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada; [Heb. tsy hahemotro]
4zato pošljem ogenj v hišo Hazaelovo, in požre gradove Ben-hadadove.
4Fa haterako afo ny tranon'i Hazaela, ka handevona ny tranoben'i Beni-hadada izany.
5In potarem zapahe v Damasku in iztrebim prebivalce iz doline Avenske in njega, ki drži žezlo, iz hiše edenske; in ljudstvo iz Sirije pojde v sužnost v Kir, pravi GOSPOD.
5Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. [Na: mpanapaka]
6Tako pravi GOSPOD: Zavoljo treh in zavoljo štirih pregreh, ki jih je kriva Gaza, ne odvrnem šibe njene: ker so peljali ljudstvo prav vse v ujetništvo, da jih izroče Edomu,
6Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
7zato pošljem ogenj v obzidje Gaze, in požre palače njene,
7Fa haterako afo ny mandan'i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;
8in iztrebim prebivalca iz Asdoda in njega, ki drži žezlo, iz Askelona; in obrnem roko svojo zoper Ekron, in pogine ostanek Filistejcev, pravi Gospod Jehova.
8Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an'i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy Jehovah Tompo
9Tako pravi GOSPOD: Zavoljo treh in zavoljo štirih pregreh, ki jih je kriv Tir, ne odvrnem šibe njegove: ker so izročili ujetnike Edomu in se niso spomnili bratovske zaveze,
9Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;[Heb. tsy hahemotro]
10zato pošljem Tiru ogenj v obzidje, in požre palače njegove.
10Fa haterako afo ny mandan'i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
11Tako pravi GOSPOD: Zavoljo treh in zavoljo štirih pregreh, ki jih je kriv Edom, ne odvrnem šibe njegove: ker je preganjal z mečem brata svojega in zadušil usmiljenje v sebi, in ker je v jezi svoji neprenehoma pobijal in srd svoj vedno razvnemal,
11Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; [Heb. tsy hahemotro]
12zato pošljem ogenj v Teman, in požre palače v Bozri.
12Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben'i Bozra izany
13Tako pravi GOSPOD: Zavoljo treh in zavoljo štirih pregreh, ki jih so krivi sinovi Amonovi, ne odvrnem šibe od njih: ker so razparali noseče v Gileadu, da razširijo meje svoje,
13Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'ny taranak'i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; [Heb. tsy hahemotro]
14zato zažgem ogenj v zidovju Rabe, in požre palače njene med bojnim vpitjem v dan bitke, v viharju ob dnevi nevihte;in njih kralj pojde v ujetništvo, on in knezi njegovi skupaj, pravi GOSPOD.
14Fa hampirehitra afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin'ny andro iadiana sy rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
15in njih kralj pojde v ujetništvo, on in knezi njegovi skupaj, pravi GOSPOD.
15Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.