Slovenian

Malagasy

Amos

3

1Čujte to besedo, ki jo GOSPOD govori zoper vas, sinovi Izraelovi, zoper vso rodovino, ki sem jo peljal gori iz Egipta, ko pravi:
1[Ny hamaliana ny Isiraely noho ny fahotany] Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io:
2Samo vas sem spoznal izmed vseh rodovin na zemlji; zato bom kaznoval nad vami vse krivice vaše.
2Hianareo ihany no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
3Moreta li dva skupaj hoditi, ako se ne sporazumeta?
3Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
4Rjove li lev v gozdu, če nima ropa? Zažene li levič glas svoj iz brloga, ako ni kaj ulovil?
4Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
5Zaplete li se mar ptica v mrežo na zemlji, če ji ni nastavljena zanka? Dvigne li se past od zemlje, če se ni nič ujelo?
5Voan'ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
6Zabuči li trobenta v mestu, in ljudstvo se ne prestraši? Ali se pa v mestu zgodi nesreča, katere bi GOSPOD ne bil napravil?
6Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
7Kajti Gospod Jehova ne stori ničesar, da bi ne razodel skrivnosti svoje služabnikom svojim, prorokom.
7Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
8Lev je rjovel, kdo naj bi se ne bal? Gospod Jehova je govoril, kdo naj bi ne prorokoval?
8Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
9Razglasite nad palačami v Asdodu in nad palačami po deželi Egiptovski in recite: Zberite se na samarijskih gorah in poglejte, kakšna grozna zmešnjava je v Samariji in koliko zatiranja sredi nje!
9Ambarao ao an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny. [Na: ny ampahorina]
10In ne znajo pošteno ravnati, govori GOSPOD, tisti, ki kopičijo, kar so s krivico in silo pridobili, v palačah svojih.
10Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
11Zatorej pravi tako Gospod Jehova: Sovražnik bode okoli vse dežele in zvrne moč tvojo s tebe na tla, in oplenjene bodo palače tvoje.
11Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
12Tako pravi GOSPOD: Kakor pastir otme levu iz žrela dve krači ali konec ušesa, tako bodo oteti sinovi Izraelovi, ki sedé v Samariji v kotu na blazini ali na damastovi počivalnici.
12Izao no lazain'i Jehovah: Toy ny famonjin'ny mpiandry ondry ny tongotr'ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan'ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak'Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin'ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
13Poslušajte in izpričajte to zoper hišo Jakobovo, govori Gospod Jehova, Bog nad vojskami:
13Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak'i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
14tisti dan, kadar bom kaznoval pregrehe Izraelove na njem, obiščem tudi oltarje v Betelu, in odbiti bodo rogovi oltarju, da popadajo na tla.In podrem zimsko hišo s poletno hišo vred, in pokončane bodo hiše slonokoščene, velike hiše izginejo, govori GOSPOD.
14Amin'ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin'ny tany.Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
15In podrem zimsko hišo s poletno hišo vred, in pokončane bodo hiše slonokoščene, velike hiše izginejo, govori GOSPOD.
15Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.