1Čujte to besedo, žalostinko, ki jo pojem nad vami, o hiša Izraelova!
1[Ny handravana ny fanjakan'Isiraely] Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak'Isiraely;
2Padla je devica Izraelova, ne vstane več, vržena je ob tla, ni ga, ki bi jo vzdignil.
2Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin'ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.
3Kajti tako pravi Gospod Jehova: Mestu, iz katerega jih je hodilo tisoč, jih preostane sto, in njemu, iz katerega jih je hodilo sto, jih preostane deset za hišo Izraelovo.
3Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.
4Kajti tako pravi GOSPOD hiši Izraelovi: Iščite me, in boste živeli!
4Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
5In ne iščite Betela in ne hodite v Gilgal in ne zahajajte v Bersebo; kajti Gilgal bo gotovo odpeljan v sužnost in Betel pride v nič.
5Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.
6Iščite GOSPODA, in boste živeli! Sicer pridere kakor ogenj v hišo Jožefovo in jo požre, in ne bo v Betelu nikogar, ki bi pogasil.
6Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,
7Vi, ki prevračate pravico v pelin in teptate pravičnost,
7Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany.
8iščite njega, ki je naredil gostosevce in rimščice, ki izpreminja smrtno senco v jutro in dan mrači v noč, ki kliče vode iz morja ter jih razliva po površju zemlje: Jehova je ime njegovo;
8Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,
9ki spravlja naglo potrtje nad močnega, da pokončevanje nastane v trdnjavi.
9Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin'ny tanàna mimanda ny fandravana.
10Oni sovražijo njega, ki pravično razsoja med vrati, in studijo njega, ki govori o brezmadežnosti.
10Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. [Na: Halany izay mananatra eo am-bavahady]
11Zatorej, ker teptate ubožca in od njega izterjavate davek od žita: sezidali ste hiše iz obdelanih kamenov, a ne boste prebivali v njih, zasadili ste krasne vinograde, a ne boste pili vina iz njih.
11Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
12Vem namreč, kako obilni so prestopki vaši in kako mnogoštevilni grehi vaši – da stiskate pravičnika, jemljete podkupila in krivite pravico revežev med vrati.
12Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. [Heb. avotra]
13Zato, kdor je moder, molči v tem času, ker čas je hud.
13Koa izay manan-tsaina dia hangina amin'izao andro izao, fa andro mampahory izao.
14Iščite dobrega, ne pa hudega, da boste živeli; in tako bode z vami GOSPOD, Bog nad vojskami, kakor pravite.
14Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.
15Sovražite hudo in ljubite dobro, uveljavite pravico med vrati; morda se usmili GOSPOD, Bog nad vojskami ostanka Jožefovega.
15Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa. [Heb. am-bavahady]
16Zatorej pravi tako Jehova, Bog nad vojskami, Gospod: Po vseh trgih bo plakanje; in po vseh ulicah bodo vpili: Gorje, gorje! in klicali bodo orača k žalovanju in izučene k žalovanju, naj plakajo;
16Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
17in po vseh vinogradih bode plakanje. Kajti pojdem skozi tebe, pravi GOSPOD.
17Ary any amin'ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.
18Gorje vam, ki želite dneva GOSPODOVEGA! Čemu naj vam bode dan GOSPODOV? Tema bode, ne pa luč.
18Lozan'izay maniry ny andron'i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron'i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
19Bode, kakor če kdo beži izpred leva, pa ga sreča medved; in stopi v hišo ter se nasloni na steno z roko, in ga piči kača.
19Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin- tanana amin'ny rindrina, dia kekerin'ny menarana.
20Ne bode li dan GOSPODOV tema, ne pa luč? črn mrak, ne pa svetloba?
20Moa tsy aizina va ny andron'i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
21Sovražim, zaničujem praznike vaše in slavnostna zborovanja vaša mi niso všeč;
21Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina.
22ako mi tudi darujete žgalne in jedilne dritve, mi niso prijetne, in na mirovne daritve od vaše pitane živine se ne maram ozreti.
22Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
23Spravi izpred mene vrišč svojih pesmi, in brenkanja tvojih strun nočem poslušati.
23Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo Aho. [Heb. Hiranao, lokanganao]
24A naj se privali pravica kakor voda in pravičnost kakor vedno tekoč potok!
24Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
25Ali ste mi darovali v puščavi klalne in jedilne daritve štirideset let, o hiša Izraelova?
25Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak'i Isiraely?
26Res, nosili ste šator svojega kralja [Ali: Moloha. Besedi „kralj“ (melek) in „Moloh“ sta si podobni.] in kip svojih malikov, zvezdo boga svojega, kar ste si naredili.Zato vas prepeljem v ujetništvo onostran Damaska, pravi GOSPOD, čigar ime Bog nad vojskami.
26Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin'ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan'ny sampinareo ihany no nataonareo, dia ny kintan'ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo [Na: Dia ho entinareo][Na: Tsia fa ny mitondra an'i Sikota, mpanjakanareo, sy Kiona, sampinareo, no nataonareo]Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
27Zato vas prepeljem v ujetništvo onostran Damaska, pravi GOSPOD, čigar ime Bog nad vojskami.
27Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.